Ory
(Òry) [avy amin’ny fototeny midika hoe “fahazavana”].
1. Taranak’i Joda avy tamin’i Pereza, Hezrona, Kaleba ary Hora. Mpanao asa tanana nanorina ny tranolay masina i Bezalila zanany, ary tena nahay izy.—Ek 31:2; 35:30; 38:22; 1Ta 2:4, 5, 9, 18-20; 2Ta 1:5.
2. Rain’i Gebera, izay anisan’ny lehibem-paritra mpamatsy sakafo an’i Solomona.—1Mp 4:7, 19.
3. Iray tamin’ny Levita telo lahy mpiandry vavahady, izay nandroaka ny vadiny hafa firenena sy ny zanany, noho ny torohevitr’i Ezra.—Ezr 10:10, 11, 24, 44.