Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Orza

Orza

[Heb.: seʽôrah; gr.: krite]. Karazana voamadinika Hordeum, ary efa be mpamboly hatry ny ela. Tena ilaina izy io, ary anisan’ny vary hitan’ny Israelita tany amin’ny Tany Nampanantenaina, izay mbola “tany misy varimbazaha sy vary orza” hatramin’izao.​—De 8:8.

Iray tarika amin’ny hoe seʽar (heb.; “volo”) ny hoe seʽôrah (heb.; “orza”). Mampiavaka ny orza tokoa ireo volo lavalava manify eny amin’ny salohiny. Mafy toto kokoa noho ny voamadinika hafa izy io, satria mahazaka hain-tany sy toetany samy hafa. Mahatratra 1 m eo ho eo izy rehefa matoy, ary lehibe noho ny an’ny varimbazaha ny raviny.

Voaresaka betsaka ao amin’ny bokin’i Rota ny fijinjana vary orza. Volana Bola (Oktobra-Novambra) ny Israelita no namafy orza, satria nanomboka avy ny orana ka azo nasaina ny tany. (Is 28:24, 25) Mora matoy noho ny varimbazaha ny orza (Ek 9:31, 32), ary natomboka ny fijinjana azy rehefa volana Nisana (Martsa-Aprily), teo am-piandohan’ny lohataona. Natao tany amin’ny Lohasahan’i Jordana (toetany mafana) izany, avy eo teny amin’ny faritra avoavo (toetany antonony), ary farany teny amin’ny lembalemba avo tany atsinanan’i Jordana, tamin’ny volana Ziva (Aprily-Mey). Voafaritra tsara àry ny fotoana fijinjana orza (Rt 1:22; 2Sa 21:9), izay nanomboka tamin’ny fotoanan’ny Paska. Amboaran’ny voaloham-bokatry ny orza ilay nahetsiketsiky ny mpisorona, ny 16 Nisana.​—Le 23:10, 11.

Mora kokoa noho ny varimbazaha ny vary orza. Ampahatelon’ny vidin’izy io ny vidiny, tao amin’ny fahitan’i Jaona. (Ap 6:6) Betsaka ny orza ka natao sakafon’ny soavalin’i Solomona (1Mp 4:28), ary mbola atao sakafom-biby ankehitriny. Nototoina koa izy io ary natao mofo boribory matetika. (2Mp 4:42; Ezk 4:12; Jn 6:9, 13) Mety ho nafangaro tamin’ny voa hafa koa izy io, ka natao mofo.​—Ezk 4:9.

Fihinan’ny mahantra ny vary orza satria mora. Tsy nanamavo azy io anefa ny Israelita, na dia ireo nahavidy varimbazaha aza. Anisan’ny sakafo naterina ho an-dry Davida Mpanjaka àry izy io rehefa tonga tao Gileada izy ireo, tamin’ny fotoana nikomian’i Absaloma. (2Sa 17:27-29) Nomen’i Solomona vary orza sy varimbazaha samy 20 000 kora (4 400 000 L), ary menaka sy divay be dia be i Hirama mpanjakan’i Tyro, ho an’ny mpanompony nanomana ny akora hanorenana ny tempoly. (2Ta 2:10, 15) Anisan’ny hetra notakin’i Jotama mpanjakan’ny Joda tamin’ny mpanjakan’i Amona ny vary orza 10 000 kora (2 200 000 L). (2Ta 27:5) Nisy lehilahy natahotra sao hovonoin’i Ismaela rehefa rava i Jerosalema, ka nilaza fa nanana ‘tahirin-tsakafo nafeniny tany an-tsaha, dia varimbazaha sy vary orza sy menaka ary tantely.’​—Je 41:8.

Sakafo mahazatra sy tsotsotra anefa ny vary orza. Nisy mpivaofy teny àry nilaza fa tsy mahagaga ny tafika kelin’i Gideona raha noharina tamin’ilay “mofo boribory natao tamin’ny vary orza” nonofisin’ny Midianita iray.​—Mpts 7:13, 14.

Novidin’i Hosea farantsa volafotsy 15 (raha sekely dia 33 dolara) sy vary orza eran’ny homera sy tapany (330 L) i Gomera vadiny, izay nanitsakitsaka azy. (Ho 1:3; 3:1, 2) Nisy mpivaofy teny nilaza fa vidin’andevo iray (farantsa volafotsy 30, na 66 dolara) ny tontalin’ireo. (Ek 21:32) Lafarinina ampahafolon’ny efaha (2,2 L) vita tamin’ny vary orza no tokony ‘hatolotra noho ny fahasarotam-piaro’, raha nisy lehilahy niahiahy ny vadiny ho nanitsakitsaka azy. (No 5:14, 15) Natao fandrefesana koa ny vary orza. Nofaritana arakaraka ny habetsahan’ny orza nafafy teo amin’ny tany iray mantsy ny vidin’izy io ara-dalàna.​—Le 27:16.