Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Osy

Osy

Biby mampinono sy mandinika, manan-tandroka lava poakaty, ary somary tso-bolo. Maromaro ny teny hebreo sy grika ilazana ny lahiny sy ny vaviny ary ny zanany, fa ny ʽez matetika no nadika hoe “osy.” (Le 3:12) Ilazana osy koa ny teny hebreo hoe saʽir (a.b.t.: voloina). (Ampitahao amin’ny Ge 27:11, izay ahitana teny mitovy sy iray fototeny amin’ny hoe saʽir nadika hoe “voloina.”) Ilazana ny osilahy mpitarika andiany ny hoe ʽattod (heb.; “osilahy”) (No 7:17; ampit. Je 50:8), nefa nadika koa hoe “mpitarika toy ny osy” rehefa ilazana mpitondra na mpitarika. (Is 14:9; Za 10:3) Tragôs no teny grika nadika hoe “osilahy”, ary erifôs no nadika hoe “osy.”​—Mt 25:32; He 9:12, 13.

Ny osy syrianina (Capra hircus mambrica) no tena betsaka any Palestina. Lava mikiraviravy ny sofiny, ary mifaingoka mankany aoriana ny tandrony. Mainty io osy io, fa maningana ihany no sada. (Ge 30:32, 35) Anisan’ny biby namidin’i Tyro ny osilahy.​—Ezk 27:21.

Nisy nanana osy be dia be fahiny, toa an’i Nabala izay nanana 1000. (1Sa 25:2, 3) Nomen’i Jakoba osivavy 200 sy osilahy 20 i Esao, ankoatra ny biby hafa. (Ge 32:13, 14) Nitondran’ny Arabo osilahy 7700 koa i Josafata mpanjakan’ny Joda.​—2Ta 17:11.

Tena sarobidy tamin’ny Hebreo ny osy. (Oh 27:26) Ny rononon’osy no nanaovana dibera sy fromazy. (Oh 27:27) Nohanina ny henany, indrindra ny an’ny zanak’osy. (Ge 27:9; De 14:4; Mpts 6:19; 13:15; Lk 15:29) Ondrilahy na osilahy kely herintaona no natao sorona tamin’ny Paska. (Ek 12:5) Nanaovana zavatra samihafa ny lamba volon’osy (No 31:20), toy izay nanamboarana ny tranolay masina (Ek 26:7; 35:26), sy ny “tranolain’i Kedara”, izay toa vita tamin’ny volon’osy mainty. (To 1:5) Ny hoditr’osy kosa natao siny hoditra (jereo Ge 21:15) na fitafiana, toy izay nanaovan’ny vavolombelon’i Jehovah nenjehina fahiny.​—He 11:37.

Noraran’ny Lalàn’i Mosesy ny mihinana ny tavin-kenan’ny osy natao sorona (Le 7:23-25), sy ny mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.​—Ek 23:19; 34:26; De 14:21; jereo RONONO.

Natao fanatitra dorana (Le 1:10; 22:18, 19), sorona iombonana (Le 3:6, 12), fanatitra noho ny ota (Ezr 8:35), ary fanatitra noho ny heloka ny osy (Le 5:6). Tsy maintsy natao sorona ny lahy voalohan-teraky ny osy, nefa taorian’izy feno valo andro. (Le 22:27; No 18:17) Osivavy (na ondrivavy) kely herintaona no fanatitra noho ny ota natolotry ny olona tsy mpisorona na tsy mpiadidy. (Le 4:28, 32) Osy koa indraindray no fanatitra noho ny ota natolotry ny firenen’Israely manontolo (Le 23:19; No 28:11, 15, 16, 22, 26-30; 29:1-39; 2Ta 29:20-24; Ezr 6:17), ary osilahy kely no natolotry ny mpiadidy. (Le 4:22-26) Osy roa no nampiasaina tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana. Ny iray natao fanatitra noho ny otan’ny foko 12 tsy Levita, ary ny iray ho an’i “Azazela” ka nalefa tany an-tany efitra. (Le 16:1-27; jereo ANDRO FANDRAKOFAM-PAHOTANA; AZAZELA.) Tsy afaka nanaisotra ny ota ireny osy natao sorona ireny, kanefa mifanitsy amin’ireny ny soron’i Jesosy Kristy izay tena afaka manavotra amin’ny fahotana.​—He 9:11-14; 10:3, 4.

Heviny an’ohatra sy ara-paminaniana. Voalaza fa toy ny andian’osy ny volon’ilay tovovavy solemita, angamba satria mainty mangilohilo ny volony na lava natevina be. (To 4:1; 6:5) Toy ny “osy vitsy kely roa toko” ny tafika kelin’ny Israely, raha oharina tamin’ny an’ny Syrianina. (1Mp 20:27) Matetika no ilazana olona manohitra an’i Jehovah ny osy. (Is 34:6, 7; ampit. Je 51:40; Ezk 34:17; Za 10:3.) Olona tsy mety manampy an’izay kely indrindra amin’ny rahalahin’i Jesosy, ny osy ao amin’ny fanoharany momba ny ondry sy osy.​—Mt 25:31-46.

Ny Firenena Matanjaka Grika (na Grika-Makedonianina) ilay osilahy ao amin’ny faminanian’i Daniela. (Da 8:5-8, 21) Hoy Ny Diksioneram-panjakana Momba ny Baiboly (nataon’i P. Fairbairn, Londres, 1874, Boky I, p. 664): “Mahaliana fa [ny osy] amin’ny Makedonianina no marika famantarana ny fireneny. Mbola misy rakitry ny ela ahitana io marika io, toy ilay andry any Persepolisy. Hita eo ny sarina osy misy tandroka ngezabe eo amin’ny handriny, ary tazonin’ny Persianina iray ilay tandroka. Midika izany fa nofehezin’i Persa i Makedonia” (nitranga izany tamin’ny faramparan’ny taonjato fahenina T.K.).

Osidia, osin-tendrombohitra. Heverina fa ny osidia nobianina (Capra ibex nubiana) ilay hoe yeʽelim (heb.) nadika hoe “osidia” sy “osin-tendrombohitra.” Monina eny an-tendrombohitra izy io, ary ngezabe sy mifaingoka mankany aoriana ny tandrony sady mivohibohitra. Mora aminy ny mandehandeha eny amin’ny tendrombohitra avo (Sl 104:18), izay ahitana harambato sy tehezan-tendrombohitra teritery. Toerana tsy mora hitan’ny olona no alehan’ny osidia vavy mitondra vohoka. Toa miresaka an-kolaka izany ny Joba 39:1, izay manazava fa tsy mila olona ny osidia, ary tsy hitan’ny olona izy rehefa miteraka.

Nanenjika an’i Davida tany En-jedy (midika hoe “Loharanon’ny Zanak’osy”), izay toerana be vato teo amin’ny morony andrefan’ny Ranomasina Maty, i Saoly. (1Sa 24) “Harambato mangadihady nisy osidia” tokoa ilay toerana nitadiavany an’i Davida sy ny olony. (1Sa 24:2) Nonenan’ny osidia àry ilay toerana. Mbola nahitana osidia nobianina tany tato ho ato.

Amin’ny endriny milaza vavy ilay hoe yaʽalah (heb.) ao amin’ny Ohabolana 5:18, 19. Resahina ao fa toy ny “osin-tendrombohitra kely mahafatifaty” (f.a.p.) ny vadin’ny fahatanorana, angamba satria tsara bika ilay osy.

ʼAkkôh (heb.) no nadika hoe “osidia” (Prot., DIEM, TV) ao amin’ny Deoteronomia 14:4, 5, izay miresaka biby azo hanina. Mety ho yeʽelim na osidia nobianina ihany ny hoe ʼakkôh, hoy ny manam-pahaizana maro.