Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ota

Ota

Izay rehetra mifanohitra na tsy mifanaraka amin’ny toetran’Andriamanitra, ny fitsipiny, ny toro lalany, ary ny sitrapony; izay rehetra manimba ny fifandraisana aminy. Mety hanota amin’ny teniny ny olona (Jb 2:10; Sl 39:1), na amin’ny ataony (nanao zava-dratsy [Le 20:20; 2Ko 12:21], na koa tsy nanao izay tokony hatao [No 9:13; Jk 4:17]). Mety hanota any an-tsainy na any am-pony koa ny olona. (Oh 21:4; ampit. Ro 3:9-18; 2Pe 2:12-15) Ota lehibe ny tsy finoana an’Andriamanitra, satria porofon’ny tsy fatokisana azy na tsy fatokisana hoe afaka manao zavatra izy. (He 3:12, 13, 18, 19) Hita tokoa izany rehefa dinihina ny fomba nampiasana an’ireo teny tany am-boalohany sy ny ohatra mifandray amin’ireny teny ireny.

Ny teny hebreo hattaʼt sy ny teny grika hamartia matetika no nadika hoe “ota” na “fahotana.” Na ny matoanteny hebreo hoe hattaʼ na ny matoanteny grika hoe hamartanô dia samy midika hoe “tsy mahavoa”, izany hoe tsy mahavoa an’izay kendrena, na tsy mahatratra tanjona, na tsy tonga eo amin’ny lalana na toerana tokony haleha. Adika koa hoe “mivaona” (Mpts 20:16) ny hoe hattaʼ, ka voalaza fa “tsy nisy nivaona na dia hoatran’ny singam-bolo iray aza” ny vato nalefan’ireo Benjaminita “mpampiasa pilotra”, fa voany foana izay nokendreny. Fampiasan’ny Grika mpanoratra ilay hoe hamartanô mba hilazana hoe tsy nahavoa an’izay nokendreny ny mpitoraka lefona. Tsy zavatra hita maso foana anefa ny zava-kendrena resahin’ireo teny hebreo sy grika ireo, fa eo koa ny tanjona eo amin’ny resaka fitondran-tena sy fahaizana. Milaza, ohatra, ny Ohabolana 8:35, 36 fa hahazo fiainana izay manana fahendrena, fa ‘izay tsy manana [avy amin’ny teny heb. hattaʼ] azy io kosa manao tsinontsinona ny ainy’, ka ho faty. Fahotana ataon’ny zavaboary manan-tsaina no tena ampiasan’ny Soratra Masina an’ireo teny hebreo sy grika ireo. Manota izy ireny, izany hoe tsy mahatratra ny zava-kendrena napetraky ny Mpamorona.

Ny anjara asan’ny olona ao amin’ny fikasan’Andriamanitra. Noforonina “araka ny endrik’Andriamanitra” ny olona. (Ge 1:26, 27) Sitrapon’Andriamanitra no nampisy sy namoronana an’i Adama sy ny zavatra hafa rehetra. (Ap 4:11) Noforonina mba hanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra eto an-tany ny olona, raha jerena ny asa nampanaovina azy. (Ge 1:28; 2:8, 15) Nilaza ny apostoly Paoly fa noforonina mba ho “endrika sy voninahitr’Andriamanitra” ny olona (1Ko 11:7), ka hahitana taratry ny toetran’ilay Mpamorona ary hitondra tena ho voninahitr’Andriamanitra. Tokony hanahaka an’ilay Rainy any an-danitra ny olona, satria zanak’Andriamanitra etỳ an-tany. Manala baraka sy manohitra an’ilay Rainy sy Andriamaniny izy, raha tsy manao izany.​—Ampit. Ml 1:6.

Nanamafy an’izany i Jesosy rehefa nampirisika ny mpianany ho tsara toetra sy hanana fitiavana mihoatra noho ny “mpanota”, izany hoe ireo malaza ho mpanota. Nilaza koa izy fa tsy ‘ho tonga zanaky ny Rainy izay any an-danitra’ ny mpianany, raha tsy mamindra fo sy be fitiavana toa an’Andriamanitra. (Mt 5:43-48; Lk 6:32-36) Nanazava i Paoly fa misy vokany eo amin’ny voninahitr’Andriamanitra ny ota. Nilaza mantsy izy fa “samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.” (Ro 3:23; ampit. Ro 1:21-23; Ho 4:7.) Nilaza koa izy fa “manome taratry ny voninahitr’i Jehovah amin’ny tarehy tsy misarona” ny mpanota miverina amin’i Jehovah, ka “ovana hitovy endrika aminy, avy amin’ny voninahitra ho amin’ny voninahitra bebe kokoa.” Mamirapiratra amin’izy ireo mantsy ny vaovao tsara be voninahitra momba an’i Kristy, izay endrik’Andriamanitra. (2Ko 3:16-18; 4:1-6; ampit. 1Ko 10:31.) Naka teny tao amin’ny Soratra Hebreo ny apostoly Petera ary nilaza fa tian’Andriamanitra ho masina ny mpanompony eto an-tany. Hoy izy: “Masina ilay niantso anareo, ka aoka ho masina koa ianareo amin’ny fitondran-tena rehetra, fa voasoratra hoe: ‘Aoka ho masina ianareo, satria masina aho.’”​—1Pe 1:15, 16; Le 19:2; De 18:13.

Tsy tena afaka manahaka an’Andriamanitra sy manome taratry ny voninahiny intsony ny olona rehefa nanota, ka nanjary tsy masina, izany hoe maloto. Simba koa ny fifandraisany tamin’Andriamanitra ary tsy nitondra tena tsara intsony izy.​—Ampit. Is 6:5-7; Sl 51:1, 2; Ezk 37:23; jereo FAHAMASINANA.

Asehon’ireo andininy ireo àry fa efa fikasan’Andriamanitra ny hanahafan’ny olona an’ilay Mpamorona azy. Toy ny ray olombelona tia zanaka izy ka tiany raha manahaka azy ny zanany, izany hoe mitovy saina aminy sy mitovy toetra aminy ary manaraka ny fitsipika apetrany. (Ampit. Oh 3:11, 12; 23:15, 16, 26; Ef 5:1; He 12:4-6, 9-11.) Midika izany fa mila mankatò sy manaiky ny sitrapon’Andriamanitra ny olona, na didy ilay izy na tsia. Manota àry ny olona raha tsy manao izany, izany hoe tsy mahatratra ny zava-kendrena amin’ireo lafiny rehetra ireo.

Ny niandohan’ny ota. Tany an-danitra no nisy voalohany ny ota, ary avy eo teto an-tany. Nifanaraka tamin’ny sitrapon’Andriamanitra ny zava-drehetra eran’izao rehetra izao, nandritra ny fotoana ela be. Nampisy olana anefa ny anjely iray nantsoina hoe Mpanohitra na Fahavalo (heb.: Satan; gr.: Satanas; Jb 1:6; Ro 16:20), na ilay tena Mpiampanga na Mpanendrikendrika (gr.: diabôlôs) an’Andriamanitra. (He 2:14; Ap 12:9) Hoy àry ny apostoly Jaona: “Avy amin’ny Devoly kosa izay zatra manota, satria ny Devoly efa nanota hatrany am-piandohana.”​—1Jn 3:8.

Inona no dikan’ny hoe “hatrany am-piandohana”? Ny fotoana nanombohan’i Satana nanohitra an’Andriamanitra no lazain’i Jaona eo. Nampiasa an’io teny io koa mantsy izy mba hilazana ny fotoana nanombohan’ny olona iray ho lasa mpianatr’i Kristy. (1Jn 2:7; 3:11) Hita amin’ny tenin’i Jaona fa nanota foana i Satana raha vao nanomboka nanota. Lasa ‘zanak’ilay’ Fahavalo àry izay “zatra manota”, zanaka manahaka ny toetran’ilay ‘rainy.’​—Ny Fanazavana ny Testamenta Grika, nataon’i W. Nicoll, 1967, Boky Faha-5, p. 185; Jn 8:44; 1Jn 3:10-12.

“Miteraka fahotana” ny fanirian-dratsy rehefa kolokoloina. (Jk 1:14, 15) Efa niala tamin’ny fahitsiana àry ilay anjely lasa mpanohitra, ary efa tsy tia an’Andriamanitra, talohan’ny nanatanterahany an’ilay ota.

Fikomiana tao Edena. Tsy fandrarana no tena votoatin’ny sitrapon’Andriamanitra nambara tamin’i Adama sy ny vadiny, fa filazana fotsiny an’izay tokony hataon’izy ireo. (Ge 1:26-29; 2:15) Zavatra iray no nandrarana an’i Adama: Tsy tokony hihinanany (na hokasihiny akory) ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. (Ge 2:16, 17; 3:2, 3) Niavaka io fomba nitsapan’Andriamanitra ny fankatoavany sy ny tsy fivadihany io, satria nanaja ny fahamendrehany. Tsy nanana eritreri-dratsy momba an’i Adama Andriamanitra, satria tsy fandrarana azy tsy hanao firaisana tamin’ny biby na hamono olona na zava-dratsy toy izany no nitsapany azy. Toa midika mantsy izany hoe nihevitra azy ho nanana fanirian-dratsy Andriamanitra. Zavatra ara-dalàna ny mihinana, ary efa nasaina nihinana ‘izay laniny’ tamin’izay nomen’Andriamanitra azy izy. (Ge 2:16) Ny voan’ny hazo iray monja anefa no tsy navelan’Andriamanitra nihinanany mba hitsapana azy. Nataon’Andriamanitra nisy heviny an’ohatra àry ny fihinanana an’io voankazo io, izany hoe izay mihinana azy io dia toy ny hoe manana fahalalana manampy azy hanapa-kevitra samirery ny amin’izay “tsara” na “ratsy” ho an’ny tenany. Tsy nampihafy an’i Adama àry Andriamanitra, ary tsy nihevitra azy hoe hahavita zava-dratsy tsy mendrika an’izay atao hoe zanak’Andriamanitra.

Ny vehivavy no olona voalohany nanota. Naka fanahy azy ilay Fahavalon’Andriamanitra, ary nampiasa bibilava mba hiresahana taminy (jereo LAVORARY, TONGA LAFATRA [Ilay nanota voalohany sy ny mpanjakan’i Tyro].) Tsy fanasana azy mivantana hanaram-po amin’ny filan’ny nofo ilay fakam-panahy. Nataony kosa izay hahatonga azy haniry hahazo an’izay eritreretiny ho fahalalana sy fahafahana bebe kokoa. Nataony izay hilazan’i Eva ny didin’Andriamanitra, izay azo inoana fa nampahafantarin’ny vadiny azy. Nanaratsy an’Andriamanitra ilay Mpaka Fanahy avy eo, ka nilaza azy ho mpandainga sy ratsy fanahy. Nanizingizina koa izy fa tsy ho faty izay mihinana an’ilay voankazo fa vao mainka aza hahazo fahalalana, ary ho tahaka an’Andriamanitra ka hahay hamantatra izay tsara na ratsy. Hita amin’izany fa efa niala tanteraka tamin’ilay Mpamorona azy ny fon’ilay Mpaka Fanahy, ka nanohitra an-kitsirano sy nanendrikendrika an-kolaka an’Andriamanitra izy. Inona no tiany holazaina tamin’ilay hoe “fa fantatr’Andriamanitra...”? Tsy hoe sendra diso hevitra fotsiny, hono, Andriamanitra, fa ninia nanolana ny zava-misy mihitsy. Nampiasa lainga sy fitaka ilay Mpaka Fanahy, sady feno fitsiriritana ka lasa mpamono olona. Izany fomba nampiasainy izany no ahitana hoe ota lehibe no nataony ary tena nankahala an’Andriamanitra izy. Efa fantany tsara mantsy ny ho vokatr’ilay zavatra nasainy nataon’i Eva.​—Ge 3:1-5; Jn 8:44.

Nanomboka nanana fanirian-dratsy ilay vehivavy. Tena tokony ho naharikoriko sy nahatezitra mafy azy izany faniratsirana ny lalàn’Andriamanitra izany, nefa vao mainka izy te hihinana an’ilay voankazo. Nitsiriritra ny zo sy ny fahaizan’i Jehovah hamaritra izay atao hoe tsara na ratsy ho an’ny zavaboariny i Eva. Nanomboka nanahaka an’ilay Mpanohitra an’Andriamanitra izy, ka nanaraka ny fanaony sy ny fitsipiny ary ny sitrapony. Nanohitra an’ilay Mpamorona anefa izy io, sady nanohitra an’i Adama vadiny, izay nataon’Andriamanitra ho lohany. (1Ko 11:3) Natoky an’ilay Mpaka Fanahy ilay vehivavy ka nanaiky ho voafitaka: Nihinana tamin’ilay voankazo izy, ary nanjary niharihary ilay ota efa niforona tao am-pony sy tao an-tsainy.​—Ge 3:6; 2Ko 11:3; ampit. Jk 1:14, 15; Mt 5:27, 28.

Nihinana tamin’ilay voankazo koa i Adama rehefa nomen’ny vadiny. Asehon’ny apostoly Paoly fa tsy mitovy ny otan’i Adama sy ny otan’ny vadiny. Tsy voafitak’ilay Mpaka Fanahy i Adama, satria izy tsy nino an’ilay hevitra hoe ho afa-maina izay mihinana ny voan’ilay hazo. (1Ti 2:14) Tsy maintsy ho filana sitraka tamin’ny vadiny àry no nahatonga azy hihinana. ‘Nihaino ny feon’ny vadiny izy’, fa tsy nihaino an’ilay Andriamaniny. (Ge 3:6, 17) Nanao ny sitrapon’ny vadiny izy, ary nanjary nanao ny sitrapon’ilay Fahavalon’Andriamanitra koa noho izany. Tsy nahatratra an’izay nokendrena àry i Adama. Natao araka ny endrik’Andriamanitra sy nisy itovizana taminy izy, nefa tsy nanahaka azy na nanome taratry ny voninahiny. Nanao tsinontsinona an’ilay Rainy any an-danitra kosa izy, raha ny marina.

Vokatry ny ota. Nanjary tsy nihavana tamin’ny Mpamorona azy ny olona rehefa nanota. Simba ny fifandraisany tamin’Andriamanitra sy tamin’ny zavaboary hafa. Nisy voka-dratsiny teo amin’ny sainy sy ny fony ary ny vatany koa ny ota. Tena ratsy be ny vokany teo amin’ny taranak’olombelona.

Hita avy hatrany teo amin’ny fihetsik’ilay mpivady voalohany hoe simba ny fihavanany tamin’Andriamanitra. Nosaronany ny faritra sasany tamin’ilay vatana nomen’Andriamanitra azy, ary niafina an’Andriamanitra izy ireo. Porofo mazava izany fa niala tamin’Andriamanitra ny fony sy ny sainy. (Ge 3:7, 8) Rehefa nanota izy ireo, dia nahatsiaro ho meloka, nitebiteby, natahotra, ary menatra. Nanazava izany ny apostoly Paoly, rehefa nilaza fa ‘voasoratra ao am-pon’ny’ olona ny lalàn’Andriamanitra. (Ro 2:15) Nanjary nikorontan-tsaina izy rehefa nandika izany lalàna izany, ka niampanga azy ny feon’ny fieritreretany. Toy ny hoe nisy fitaovana famantarana lainga tao anatiny tao, ka tsy afaka nanafina tamin’ny Mpamorona azy izy hoe lasa mpanota. Nitady fialan-tsiny izy rehefa nanazava hoe nahoana no niova ny fihetsiny. Nanontany azy avy hatrany àry ilay Rainy any an-danitra hoe: “Efa nihinananao angaha ny voan’ilay hazo nandidiako anao mba tsy hihinananao?”​—Ge 3:9-11.

Tsy maintsy nanatanteraka ny teniny i Jehovah Andriamanitra, ary nitsinjo izay hahasoa ny zavaboariny hafa rehetra. Samy tsy noleferiny àry na ny fahotan’ireo olona noforoniny na ny fahotan’ilay anjely lasa mpikomy. Nitandro ny fahamasinany koa izy, ka rariny raha nomelohiny ho faty izy ireo. Noroahina avy tao amin’ilay zaridaina tao Edena izy mivady, ka tsy afaka nankeo amin’ilay hazo nantsoin’Andriamanitra hoe “hazon’aina.”​—Ge 3:14-24.

Vokany teo amin’ny taranak’olombelona. “Avy tamin’ny olona iray”, hoy ny Romanina 5:12, no nidiran’ny ota “ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” (Ampit. 1Jn 1:8-10.) Izao no anazavan’ny sasany an’io andininy io: Niombona tamin’io ota voalohany nataon’i Adama io, hono, ny taranany ho avy rehetra, satria izy no loham-pianakaviana sy nisolo tena azy ireo ka niombon-keloka taminy izy ireo. Ny fahafatesana anefa no nolazain’i Paoly hoe “niely” tamin’ny taranak’i Adama, izany hoe niely tsikelikely fa tsy hoe indray niaraka.

Hoy ihany i Paoly: “Nanjaka hatramin’i Adama ka hatramin’i Mosesy ny fahafatesana, eny, na teo amin’ireo tsy nanao fahotana toy ny an’i Adama aza.” (Ro 5:14) Mety ny hilazana ny fahotan’i Adama hoe fandikan-dalàna, satria nandika ny lalàna nambaran’Andriamanitra taminy izy. An-tsitrapo no nanotany satria olombelona lavorary sy tsy nanan-kilema izy, fa ny taranany kosa tsy lavorary daholo. Hita amin’izany fa tsy marina ilay hoe ‘rehefa nanota i Adama, dia niara-nanota taminy ny taranany mbola tsy teraka.’ Tsy azo atao ampamoaka ho niombona ota tamin’i Adama ny taranany rehetra raha tsy hoe sitrapon’izy ireo mihitsy angaha ny nanaiky an’i Adama ho loham-pianakaviany. Tsy sitrapon’izy ireo mihitsy anefa ny ho taranak’i Adama. Teraka noho ny sitrapon’ny nofon’i Adama sy Eva kosa izy ireo.​—Jn 1:13.

Voaporofo àry fa nifindra avy tamin’i Adama ho amin’ny taranany nifandimby ny ota, vokatry ny lalàn’ny fifandovan-toetra. Niresaka momba izany ny mpanao salamo. Hoy izy: “Efa nanam-pahadisoana aho rehefa nateraky ny reniko tao anatin’ny fanaintainana. Ary efa mpanota aho raha vao niforona tao an-kibon-dreniko.” (Sl 51:5) Nifindra tamin’ny taranak’olombelona àry ny ota sy ny vokatry ny ota, satria i Adama (fa tsy i Eva) no razamben’ny olombelona, na aina niavian’izy ireo. Tsy dia noho i Adama loham-pianakavian’ny olombelona loatra no nahatonga ny taranany handova ota. I Adama (sy i Eva vadiny) no tsy maintsy notahafin’ny taranany, na teo amin’ny bika aman’endrika izany na ny toetra, anisan’izany ilay toetra hoe mora manota.​—Ampit. 1Ko 15:22, 48, 49.

Nanamafy izany koa i Paoly. Hoy izy: “Tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota noho ny tsy nankatoavan’ny olona iray [Adama], no hahatongavan’ny maro ho marina noho ny nankatoavan’ny olona iray [Kristy Jesosy].” (Ro 5:19) Mahatonga ny olona ho marina àry ny fankatoavan’i Kristy. Tsy tonga olo-marina avy hatrany anefa ny olon-drehetra raha vao nanolotra an’ilay sorom-panavotana tamin’Andriamanitra i Kristy. Nitombo tsikelikely kosa ny olona nandray soa tamin’io sorona io, arakaraka ny nanehoany finoana azy io sy nihavanany tamin’Andriamanitra. (Jn 3:36; As 3:19) Nihamaro tsikelikely toy izany koa ireo mpanota taranak’i Adama, arakaraka ny niterahan’ireo ray aman-dreny mpanota taranak’i Adama.

Ny tambin’ny ota sy ny heriny. “Fahafatesana no tambin’ny ota.” (Ro 6:23) Lasa eo ambanin’ny “lalàn’ny ota sy fahafatesana” ny olona rehetra, satria taranak’i Adama. (Ro 8:2; 1Ko 15:21, 22) ‘Manjaka’ eo amin’ny olon-drehetra àry ny ota sy ny fahafatesana, ary manandevo azy. I Adama no nivarotra azy ireo ho andevon’ny ota. (Ro 5:17, 21; 6:6, 17; 7:14; Jn 8:34) Inona marina ny ota, raha izany? Fanaovana zavatra iray tsy tokony hatao, na koa tsy fanaovana zavatra iray tokony ho natao. Tsy izany fotsiny anefa ny ota fa anisan’izy io koa ny lalàna na ny hery mifehy ny olona, izany hoe ilay fanirian-dratsy efa ao anatiny, izay nolovany avy tamin’i Adama. Io ota nolovana avy tamin’i Adama io àry no mahatonga ‘fahalemen’ny nofo’, na tsy fahalavorariana. (Ro 6:19) Miasa ao amin’ny olona foana ny “lalàn’ny ota”, ary mitady hifehy sy hibaiko azy hanao zavatra tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra.​—Ro 7:15, 17, 18, 20-23; Ef 2:1-3.

Toy ny “mpanjaka” ny ota, ka ‘mibaiko’ olona amin’ny fomba samihafa ary amin’ny fotoana samihafa. Hitan’Andriamanitra fa tezitra tamin’i Abela rahalahiny i Kaina lahimatoan’i Adama, ka nampirisihiny mba hiova sy hanao ny tsara. Nilaza taminy mantsy Andriamanitra hoe: “Misy ota mamitsaka eo am-baravarana, ka ianao no tsiriritiny. Ary ianao kosa ve hahafehy azy?” Navelan’i Kaina hifehy azy anefa ny ota, izany hoe ny fialonana sy ny fankahalana, ka nitarika azy hamono olona.​—Ge 4:3-8; ampit. 1Sa 15:23.

Aretina, fanaintainana, ary fahanterana. Tsy afa-misaraka amin’ny ota ny aretina sy ny fahanterana, satria ireo matetika no mahatonga fahafatesana. Anisan’ny notakin’ny lalàna momba ny fanatitra noho ny ota ny fandrakofana ny fahotan’ny boka, araka ny Lalàn’i Mosesy nifehy ny Israely. (Le 14:2, 19) Naloto izay nikasika fatin’olona, ary na dia izay niditra fotsiny tao amin’ny tranolay nisy faty aza, ka tokony hidio araka ny notakin’ny lalàna. (No 19:11-19; ampit. No 31:19, 20.) Nampifandraisin’i Jesosy tamin’ny ota koa ny aretina (Mt 9:2-7; Jn 5:5-15), na dia nilaza aza izy fa tsy voatery ho vokatry ny fahotana iray ny aretina iray. (Jn 9:2, 3) Misy andininy hafa koa mampiseho ny voka-tsoa entin’ny fahamarinana (ny mifanohitra amin’ny ota) eo amin’ny fahasalamana. (Oh 3:7, 8; 4:20-22; 14:30) Rehefa hanjaka i Kristy, dia hofoanana ny fahafatesana, izay miara-manjaka amin’ny ota (Ro 5:21), ka hifarana hatreo koa ny fanaintainana.​—1Ko 15:25, 26; Ap 21:4.

Ota sy lalàna. Hoy ny apostoly Jaona: “Izay rehetra zatra manota dia zatra mandika lalàna koa. Koa fandikan-dalàna àry ny fahotana.” (1Jn 3:4) Hoy koa izy: “Ota daholo ny tsy fahamarinana rehetra.” (1Jn 5:17) Niresaka momba “izay rehetra nanota tsy nanana lalàna” koa i Paoly. Hoy izy avy eo: “Teo amin’izao tontolo izao ny fahotana mandra-pahatongan’ny Lalàna [nomena tamin’ny alalan’i Mosesy]. Tsy misy olona ampangaina ho manota anefa rehefa tsy misy lalàna. Na izany aza dia nanjaka hatramin’i Adama ka hatramin’i Mosesy ny fahafatesana, eny, na teo amin’ireo tsy nanao fahotana toy ny an’i Adama aza.” (Ro 2:12; 5:13, 14) Mila jerena ny teny manodidina mba hahazoana ny dikan’izany. Asehon’ireo teniny any aloha kokoa mantsy fa nampitaha an’ireo olona teo ambanin’ny Lalàna sy ireo tsy teo ambanin’ny Lalàna i Paoly, ka nanazava fa samy mpanota ireo sokajin’olona ireo.​—Ro 3:9.

Tsy nanome ho an’ny taranak’olombelona lalàna maro sy be tsipiriany momba izay rehetra atao hoe ota Andriamanitra, nandritra ny 2 500 taona teo ho eo, nanomboka tamin’ny nikomian’i Adama ka hatramin’ny nanaovana ny fifaneken’ny Lalàna tamin’ny 1513 T.K. Marina aloha fa nisy didy ihany nomeny, toa an’ilay nomeny an’i Noa taorian’ny Safodrano (Ge 9:1-7) sy ilay fifanekena momba ny famorana izay nataony tamin’i Abrahama sy ny ankohonany ary ny mpanompony hafa firenena. (Ge 17:9-14) Izao anefa no nolazain’ny mpanao salamo momba ny Israely: “Milaza ny teniny amin’i Jakoba [Andriamanitra]. Ary lazainy amin’ny Israely ny fitsipiny sy ny didim-pitsarany. Tsy nanao toy izany tamin’ny firenen-kafa izy. Ary ny didim-pitsarany tsy mba fantatr’ireny.” (Sl 147:19, 20; ampit. Ek 19:5, 6; De 4:8; 7:6, 11.) Izao no voalaza momba ilay fifaneken’ny Lalàna natao tamin’ny Israely: “Izay manao ny fahamarinana avy amin’ny Lalàna no ho velona amin’ny alalan’izany.” Ny Lalàna no namaritra ny atao hoe lavorary. Izay olona mahatandrina azy io àry dia lavorary ka mendrika ny hahazo ny fiainana toa an’i Kristy Jesosy. (Ro 10:5; Mt 5:17; Jn 8:46; He 4:15; 7:26; 1Pe 2:22) Hafa mihitsy àry ny Lalàn’i Mosesy, fa tsy toy ny lalàna hafa nomena nanomboka tamin’i Adama ka hatramin’ny fifaneken’ny Lalàna.

‘Voajanahary aminy ny manao izay takin’ny lalàna.’ Tsy nisy lisitra lalàna nanameloka an’izay nanao ratsy, tamin’ny andron’i Adama ka hatramin’i Mosesy. Tsy midika anefa izany hoe tsy nanota ny olona tamin’izany. Hoy i Paoly: “Manao izay takin’ny lalàna ny olona hafa firenena tsy manana lalàna, satria voajanahary aminy izany. Koa isaky ny manao izany ireny olona ireny, dia efa lalàna ho an’ny tenany izy, na tsy manana lalàna aza. Ny tenany mihitsy no mampiseho fa voasoratra ao am-pony ny votoatin’ny lalàna, ary ny feon’ny fieritreretany koa no vavolombelona miaraka aminy, ka ny eritreriny ihany no miampanga azy na manala tsiny azy mihitsy aza.” (Ro 2:14, 15) Natao araka ny endrik’Andriamanitra sy misy itovizana aminy ny olona. Mahay manavaka ny mety sy tsy mety àry izy, ka manana feon’ny fieritreretana. Hita amin’ny tenin’i Paoly fa mbola ao amin’ny olona foana izy io, na dia lasa tsy lavorary sy mpanota aza izy ireo. (Jereo FEON’NY FIERITRERETANA.) ‘Fitsipika momba ny fitondran-tena’ no atao hoe lalàna. Azo lazaina hoe lalàna ao am-pon’ny olona, araka izany, ny fahaizany manavaka ny mety sy ny tsy mety. Manohitra an’io lalàna ao am-pony io anefa ny lalàna hafa iray nolovany, dia ny ‘lalàn’ny ota.’ Miady amin’ny faniriana hanao ny tsara izy io, ary manandevo an’izay olona manaiky ho resiny.​—Ro 6:12; 7:22, 23.

Hita hoe niasa ny feon’ny fieritreretan’i Kaina ary mbola tao aminy ilay fahatsapana ny mety sy ny tsy mety, satria tsy namaly mivantana ny fanontanian’i Jehovah izy rehefa avy namono an’i Abela. Nanameloka azy mantsy ny feon’ny fieritreretany, na dia mbola tsy nanome lalàna momba ny famonoana olona aza Andriamanitra. (Ge 4:8, 9) Hita amin’ny tenin’i Josefa hebreo koa hoe tao am-pony ny lalàn’Andriamanitra, satria izao no navaliny ny vadin’i Potifara izay nitaona azy hanao firaisana: “Hataoko ahoana ny hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?” Mbola tsy nanameloka mivantana ny fanitsakitsaham-bady Andriamanitra, nefa fantatr’i Josefa fa ratsy izany ary tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra nambara tamin’ny olombelona tany Edena.​—Ge 39:7-9; ampit. Ge 2:24.

Milaza ny Soratra Masina fa nanomboka tamin’ny andron’i Abrahama ka hatramin’izy 12 lahy zanak’i Jakoba, dia nisy olona samy hafa foko sy firenena nampiasa ny teny hoe ota (hattaʼt), anisan’izany ny ota tamin’ny mpampiasa (Ge 31:36), tamin’ny mpanjaka (Ge 40:1; 41:9), tamin’ny havana (Ge 42:22; 43:9; 50:17) ary tamin’ny olona hafa (Ge 20:9). Hita fa niaiky izy ireo hoe olona nanana fifandraisana taminy no nanotany, na noheverina fa nanotany. Neken’izy ireo koa fa tokony ho nitady izay hahasoa an’ilay olona izy, na nanaiky ny sitrapony sy ny fahefany (raha mpitondra izy io), fa tsy nandika izany. Nahatsapa ny atao hoe mety sy tsy mety izy ireo, araka izany. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia nihanangeja an’ireo olona tsy nanompo an’Andriamanitra ny ota, ka nilaza mihitsy i Paoly hoe “maizin-tsaina sy lavitra ny fiainana avy amin’Andriamanitra” ireo hafa firenena, ary “efa tsy mahalala menatra intsony.”​—Ef 4:17-19.

Lasa “be dia be” ny ota rehefa teo ny Lalàna. Manana feon’ny fieritreretana manampy azy hanavaka ny mety sy ny tsy mety ny olona. Namaritra ny atao hoe ota sy izay rehetra mety ho ota koa anefa Andriamanitra, tamin’izy nanao ny fifaneken’ny Lalàna tamin’ny Israely. Raha nisy tamin’ny taranak’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba àry nilaza hoe tsy manana ota, dia “voatampina” ny vavany, satria nanjary ‘niharan’ny sazy avy amin’Andriamanitra izao tontolo izao.’ Nandova tsy fahalavorariana avy tamin’i Adama mantsy izy ireo, ka tsy azo nambara ho marina teo anatrehan’Andriamanitra noho ny asan’ny lalàna, satria ny lalàna “no ahafantarana marina tsara ny atao hoe ota.” (Ro 3:19, 20; Ga 2:16) Nahoana no nolazaina hoe lasa “be dia be” ny ota rehefa teo ny Lalàna? Satria nilaza mazava ny Lalàna hoe inona avy no atao hoe ota, hany ka “be dia be” tamin’ny zavatra nataon’ny olona no nanjary ota, eny fa na ny toe-tsainy fotsiny aza. (Ro 5:20; 7:7, 8; Ga 3:19; ampit. Sl 40:12.) Nampahatsiahy azy ireo foana ny sorona notakin’ny Lalàna hoe mpanota izy ireo. (He 10:1-4, 11) Nanjary mpitaiza azy ireo ho amin’i Kristy àry ny Lalàna, ‘mba ho azo ambara ho marina izy ireo noho ny finoana.’​—Ga 3:22-25.

Nahoana no lazaina hoe ‘nahita hirika ny ota’ noho ny didy nomena ny Israely?

Nilaza ny apostoly Paoly fa tsy ahafahana manambara olona ho marina eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra ny Lalàn’i Mosesy. Hoy izy: “Fony nanaraka ny filan’ny nofo isika, dia niasa tao amin’ny vatantsika ny filan-dratsy izay nahariharin’ny Lalàna, mba hamokarantsika ho an’ny fahafatesana. ... Inona àry no holazaintsika? Ota ve ny Lalàna? Sanatria izany! Tsy ho nahafantatra ny ota anefa aho raha tsy noho ny Lalàna. Ohatra, tsy ho fantatro ny fitsiriritana, raha tsy ny Lalàna no nanao hoe: ‘Aza mitsiriritra.’ Fa noho ny didy, dia nahita hirika hampisy fitsiriritana isan-karazany tato anatiko ny ota. Fa maty ny ota raha tsy misy lalàna.”​—Ro 7:5-8.

Tsy ho nahalala ny tena atao hoe ota ny apostoly Paoly, raha tsy noho ny Lalàna. Ny Lalàna, ohatra, no nahafantarany hoe ota ny fitsiriritana. Nilaza izy fa ‘nampiharihary’ ny filan-dratsy ny Lalàna, ary nampisy hirika ho an’ny ota ny didy mandrara ny fitsiriritana. Manampy antsika hahazo ny dikan’izany ny tenin’i Paoly hoe: “Maty ny ota raha tsy misy lalàna.” Tsy azo nampangaina ho nanota ny olona iray, raha tsy efa nofaritana mazava hoe ota ilay nataony. Tsy meloka ho nahavita ota mbola tsy nofaritana mazava i Paoly sy ny mpiray firenena taminy, raha mbola tsy nisy ny Lalàna. Rehefa nisy ny Lalàna vao nambara ho mpanota izy ireo ka voaheloka ho faty. Nanjary tsapan’izy ireo kokoa hoe mpanota izy, noho ny Lalàna. Tsy nahatonga azy ireo hanota ny Lalàn’i Mosesy, fa nampiharihary kosa hoe mpanota izy ireo. Nahita hirika àry ny ota noho ny Lalàna, ka niteraka ota tao amin’i Paoly sy ny mpiray firenena taminy. Maro kokoa no nomelohin’ny Lalàna ho mpanota, ary nihamaro koa ny antony azo nanamelohana azy ireo.

“Ota ve ny Lalàna?” Tsy izany mihitsy! (Ro 7:7) Tena nahatratra ny tanjona nanaovan’Andriamanitra azy ny Lalàna, satria tsy vitan’ny hoe mpitari-dalana nahasoa sy niaro izy io, fa nanome porofo ara-dalàna koa fa mpanota ny olona rehetra, anisan’izany ny Israelita, ka nila fanavotana avy tamin’Andriamanitra. Ny Lalàna koa no nanampy an’ireo Israelita hanaiky hoe i Kristy no ilay Mpanavotra nandrandrainy.

Fahadisoana, fandikan-dalàna, heloka. Matetika no ampifandraisin’ny Soratra Masina ny teny hoe “ota” (heb.: hattaʼt; gr.: hamartia) sy ny teny hoe “fahadisoana” (heb.: ʽavôn), “fandikan-dalàna” (heb.: peshaʽ; gr.: parabasis), “heloka” (gr.: paraptôma), sy ny toy izany. Misy ifandraisany ireo teny ireo nefa koa ahitana ny endriny samihafa isehoan’ny ota.

Fahadisoana sy hadalana. Ny teny hebreo hoe ʽavôn dia misy ifandraisany amin’ny hoe manao fahadisoana, na manao zavatra tsy mety na manao fetsifetsy. Fahadisoana na zava-dratsy momba ny fitondran-tena, na koa fanolanana ny rariny, no hevitr’izy io. (Jb 10:6, 14, 15) Azo antoka fa hanao fahadisoana ny olona tsy mety manao ny sitrapon’Andriamanitra, satria tsy manao izay mahitsy eo imason’Andriamanitra ary tsy tarihin’ny fahendreny. (Ampit. Is 59:1-3; Je 14:10; Fi 2:15.) Mahatonga ny olona hanao zavatra tsy mety sy hanolana ny rariny (Jb 33:27; Ha 1:4) ny ota, ka ʽavôn no teny ampiasaina matetika indrindra miaraka amin’ny hattaʼt (manota, tsy mahavoa an’izay kendrena). (Ek 34:9; De 19:15; Ne 4:5; Sl 32:5; 85:2; Is 27:9) Mikorontan-tsaina ny olona rehefa nanao zavatra tsy mety, ary simba ny fifandraisany amin’Andriamanitra sy amin’ny zavaboary hafa rehetra.

Mety ho an-tsitrapo na tsia ny “fahadisoana” (ʽavôn), izany hoe fialana amin’ny lala-mahitsy, na niniana natao na tsia. Ny teny hebreo hoe shegagah no ampiasaina hilazana “fahadisoana” tsy nahy. Mbola meloka eo imason’Andriamanitra ihany anefa ny olona nanao fahadisoana tsy nahy. (Le 4:13-35; 5:1-6, 14-19; No 15:22-29; Sl 19:12, 13) Ratsy lavitra ny vokatry ny fahadisoana raha niniana natao, fa tsy hoe tsy nahy. (No 15:30, 31; ampit. Ft 4:6, 13, 22.) Mifanohitra amin’ny fahamarinana ny fahadisoana, ary mamadika ny fahamarinana ireo manota an-tsitrapo ka vao mainka manao ota ratsy kokoa. (Ampit. Is 5:18-23.) Nilaza ny apostoly Paoly fa mahatonga ny olona ho mafy fo “ny hery mamitaky ny ota.” (He 3:13-15; ampit. Ek 9:27, 34, 35.) Mampiasa an’ireo teny hebreo nadika hoe ‘fahadisoana’ sy ‘fahotana’ ny Jeremia 31:34, ary naka teny avy ao i Paoly, ka nampiasa ny hoe hamartia (fahotana) sy adikia (tsy fahamarinana) ao amin’ny Hebreo 8:12, fa hamartia sy anômia (fandikan-dalàna) kosa ao amin’ny Hebreo 10:17.

‘Ota ny fitondran-tena baranahiny vokatry ny hadalana.’ (Oh 24:9) Matetika no ampifandraisina amin’ny fahotana ny teny hebreo midika hoe hadalana. Nisy fotoana tokoa niaiky toy izao ny mpanota nibebaka: ‘Hadalana no nataoko.’ (1Sa 26:21; 2Sa 24:10, 17) Vao mainka hanao fahadisoana ny mpanota raha tsy anarin’Andriamanitra. Hanao hadalana izy ka ho lasa any amin’ny lalan-diso.​—Oh 5:22, 23; ampit. 19:3.

Fandikan-dalàna. Mety ho “fandikan-dalàna” koa ny ota. Ny teny grika parabasis (fandikan-dalàna) matetika no ilazana ny hoe mihoa-pefy, izay midika hoe mandika lalàna na tsy manara-dalàna. Matoanteny avy amin’izy io ny hoe parabainô, izay nampiasain’i Matio tamin’izy namerina ny tenin’ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna hoe nahoana ny mpianatr’i Jesosy no “tsy manaraka [parabainô] ny fomban-drazana.” Io matoanteny io koa no nampiasain’i Jesosy tamin’izy namaly hoe: “Nahoana kosa ianareo no mandika [parabainô] ny didin’Andriamanitra noho ny fomban-drazanareo?” (Mt 15:1-6) Mety hidika koa hoe “mihataka” na “miala” ny parabainô. “Niala” tamin’ny fanompoany, ohatra, i Jodasy ary tsy apostoly intsony. (As 1:25) Io matoanteny io no hita ao amin’ny soratra grika sasany mba hilazana olona “mihoa-pefy fa tsy mitoetra amin’ny fampianaran’i Kristy.”​—2Jn 9.

Voaresaka ao amin’ny Soratra Hebreo koa fa nanota ny olona iray rehefa ‘nandika’ (heb.: ʽavar) ny didy na lalàn’Andriamanitra, ary ‘nivadika’ (heb.: ʽavar) tamin’ny fifanekena nataony.​—No 14:41; De 17:2, 3; Js 7:11, 15; 1Sa 15:24; Is 24:5; Je 34:18.

Nasehon’ny apostoly Paoly fa tena mifandray ny parabasis sy ny fandikan-dalàna. Hoy izy: “Rehefa tsy misy lalàna, dia tsy misy fandikan-dalàna.” (Ro 4:15) Tsy azo lazaina hoe “mpandika lalàna” àry izay manota, raha tsy misy ny lalàna. Mampiasa foana ny hoe parabasis (sy parabates: “mpandika lalàna”) i Paoly sy ny Kristianina hafa nanoratra Baiboly, rehefa miresaka lalàna. (Ampit. Ro 2:23-27; Ga 2:16, 18; 3:19; Jk 2:9, 11.) Andriamanitra mihitsy no nanome didy an’i Adama, ka meloka izy rehefa “nandika” izany. Meloka ho nandika an’io lalàna io koa ny vadiny, na dia voafitaka aza. (1Ti 2:14) Nomena ho fanampin’ny fifanekena tamin’i Abrahama ny fifaneken’ny Lalàna “mba hampiharihariana ny fandikan-dalàna.” Amin’izay dia ‘hatolotra hogejain’ny ota ny zava-drehetra’, ka ho voaporofo ara-dalàna fa mpanota ny taranak’i Adama rehetra, anisan’izany ny Israely. Hiharihary koa fa mila famelan-keloka sy famonjena amin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy Jesosy izy rehetra. (Ga 3:19-22) Raha mbola nanaraka ny Lalàn’i Mosesy indray àry i Paoly, dia ho lasa “mpandika” an’io Lalàna io indray ka mendrika ny homelohin’ilay Lalàna, sady manilika ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra, izay manafaka amin’izany fanamelohana izany.​—Ga 2:18-21; ampit. 3:1-4, 10.

Eo koa ny teny hebreo hoe peshaʽ izay misy heviny hoe fandikan-dalàna (Sl 5:10; Is 57:4; 59:20; Je 33:8) sy “fikomiana”, izany hoe tsy fankatoavana lalàna na fahefana. (1Sa 24:11; Jb 13:23, 24; 34:37; Is 59:12, 13) Mitovy amin’ny mikomy amin’ny fitondran’Andriamanitra sy ny fahefany àry ny minia mandika lalàna. Rehefa mikomy ny olona, dia ny sitrapony (sitrapon’ny zavaboary) no tiany hatao fa tsy ny sitrapon’ny Mpamorona. Faly mikomy amin’ny fitondran’Andriamanitra izy amin’izay.

Heloka. Midika ara-bakiteny hoe “fahalavoana eo anilan’ny” ny teny grika hoe paraptôma, ka ilazana olona solafaka na nanao fahadisoana (Ro 11:11, 12) na ‘heloka.’ (Ef 1:7; Kl 2:13) “Fandikan-dalàna” ilay nataon’i Adama tamin’izy nihinana an’ilay voankazo voarara, satria nandika ny lalàn’Andriamanitra izy. “Heloka” koa ilay izy satria lavo na nanao fahadisoana i Adama, fa tsy nahajoro na nandeha mahitsy araka izay notakin’Andriamanitra, ary tsy nanaja ny fahefany. Nahatonga heloka maro ireo didy tao amin’ny fifaneken’ny Lalàna, satria olona tsy lavorary no nasaina nanaraka azy io. (Ro 5:20) Nanao fahadisoana ny firenen’Israely manontolo rehefa nivadika tamin’io fifanekena io. (Ro 11:11, 12) Anisan’ny fifanekena iray ihany ireo fitsipika samihafa tao amin’ilay Lalàna, ka lasa meloka amin’izy rehetra na ‘nandika’ ny lalàna rehetra izay olona “diso” tamin’ny iray monja.​—Jk 2:10, 11.

“Mpanota.” “Tsy misy olombelona tsy manota”, ka mety ny ilazana ny taranak’i Adama rehetra hoe “mpanota.” (2Ta 6:36) Matetika anefa ny hoe “mpanota” no ampiasain’ny Soratra Masina amin’ireo zatra manota na malaza ho mpanota. Fanta-bahoaka mantsy ny fahotan’izy ireny. (Lk 7:37-39) Nolazaina hoe “mpanota” ireo Amalekita nasain’i Jehovah naringan’i Saoly. (1Sa 15:18) Nivavaka ny mpanao salamo mba tsy haringana “miaraka amin’ny mpanota.” Nanazava izy avy eo fa tsy iza ireo mpanota ireo fa ny “mpandatsa-dra, izay manana fitondran-tena baranahiny, ary feno kolikoly ny tanany ankavanana.” (Sl 26:9, 10; ampit. Oh 1:10-19.) Nanome tsiny an’i Jesosy ny mpitondra fivavahana noho izy nifanerasera tamin’ny “mpamory hetra sy mpanota.” Olona malaza ratsy ny mpamory hetra, tamin’ny Jiosy. (Mt 9:10, 11) I Jesosy kosa nilaza fa nialoha an’ireo mpitondra fivavahana jiosy ho any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny mpamory hetra sy ny mpivaro-tena. (Mt 21:31, 32) Mpamory hetra i Zakaiosy ary “mpanota” no fahitan’ny maro azy. Niaiky anefa izy fa nanambaka olona tsy ara-drariny.​—Lk 19:7, 8.

‘Hisy fifaliana any an-danitra ny amin’ny mpanota anankiray mibebaka noho ny amin’ny olo-marina sivy amby sivifolo izay tsy mila mibebaka.’ Azo inoana fa “mpanota” na “olo-marina” amin’ny heviny manokana no tian’i Jesosy holazaina eo. (Jereo FAHAMARINANA, FAHITSIANA [Hatsaram-panahy sy fahamarinana].) Mpanota daholo mantsy ny rehetra, ary tsy misy koa ny tena olo-marina.​—Lk 15:7, 10; ampit. Lk 5:32; 13:2; jereo MANAMBARA HO MARINA.

Tsy mitovy ny halehiben’ny fahotana. Marina fa rehefa ota dia ota, ary fahafatesana no “tambin’ny ota” ka mendrika izany izay manota. Asehon’ny Soratra Masina anefa fa tsy mitovy ny fahitan’Andriamanitra ny halehiben’ny fahadisoan’ny olona. “Nanota be tamin’i Jehovah”, ohatra, ireo olona tao Sodoma, ary ‘tena navesatra’ ny fahotany. (Ge 13:13; 18:20; ampit. 2Ti 3:6, 7.) Nanao “fahotana lehibe” ireo Israelita nanamboatra zanak’omby volamena. (Ek 32:30, 31) ‘Nanao fahotana lehibe’ koa ny fanjakana tany avaratra, satria nivavaka tamin’ilay zanak’omby nataon’i Jeroboama. (2Mp 17:16, 21) “Toy ny an’i Sodoma” ny fahotan’ny Joda, ka lasa naharikoriko an’Andriamanitra ny fanjakan’ny Joda. (Is 1:4, 10; 3:9; Ft 1:8; 4:6) Lasa fahotana mihitsy ny vavaka ataon’ny olona iray raha tsy miraharaha ny sitrapon’Andriamanitra izy. (Sl 109:7, 8, 14) Fanazimbazimbana an’Andriamanitra ny fahotana ka tsy azony avela amin’izao fotsiny. Mafy kokoa ny fahatezerany arakaraka ny maha lehibe an’ilay fahotana. (Ro 1:18; De 29:22-28; Jb 42:7; Sl 21:8, 9) Nahoana no tezitra izy? Satria misy vokany aminy ilay fahotana, nefa koa fanaovana ny tsy mety sy ny tsy rariny amin’olon-kafa, indrindra fa amin’ny mpanompony.​—Is 10:1-4; Ml 2:13-16; 2Te 1:6-10.

Fahalemena sy tsy fahalalana. Fantatr’i Jehovah fa manana fahalemena ny taranak’i Adama, satria tsy lavorary. Afaka milaza toy izao àry izay tena mitady Azy: “Tsy mamaly antsika araka ny fahotantsika izy, na mamaly ny fahadisoantsika, araka izay tokony ho sahaza antsika.” Asehon’ny Soratra Masina fa tena mamindra fo sy tsara fanahy ary be fitiavana Andriamanitra ka mahari-po amin’ny olona tsy lavorary. (Sl 103:2, 3, 10-18) Mamindra fo koa izy rehefa misy manota noho ny tsy fahalalana, (1Ti 1:13; ampit. Lk 12:47, 48) raha tsy hoe minia tsy mahalala angaha ilay nanota. Tsy afa-tsiny kosa izay minia mandà ny fahalalana sy fahendrena omen’Andriamanitra, fa ‘finaritra amin’ny tsy fahamarinana.’ (2Te 2:9-12; Oh 1:22-33; Ho 4:6-8) Misy olona voafitaka ka miala amin’ny fahamarinana, nefa miverina ihany rehefa nampiana. (Jk 5:19, 20) Misy kosa “manakimpy ny masony tsy hahita ny mazava” ary ‘manadino fa efa nodiovina ho afaka tamin’ny fahotany fahiny izy.’​—2Pe 1:9.

Inona ny fahotana tsy ahazoana famelan-keloka?

Be kokoa ny andraikitr’izay mahalala zavatra. Tsy dia lehibe, ohatra, ny fahotan’i Pilato raha oharina amin’ny an’ireo mpitondra fivavahana jiosy izay nanolotra an’i Jesosy tamin’ny governora, na amin’ny fahotan’i Jodasy izay namadika ny Tompony. (Jn 19:11; 17:12) Niteny tamin’ny Fariseo i Jesosy hoe tsy ho nanan-keloka izy ireo raha jamba, izany hoe nahazo famelana izy ireo raha nanota noho ny tsy fahalalana. Nihevi-tena ho nanam-pahalalana anefa izy ireo ka ‘tsy afaka ny helony.’ (Jn 9:39-41) Nilaza i Jesosy fa ‘tsy nanana fialan-tsiny ny amin’ny helony’ izy ireo, satria efa nandre ny fampianarany sy nahita ny fahagagana nataony vokatry ny asan’ny fanahy masina taminy. (Jn 15:22-24; Lk 4:18) “Meloka noho ny ota mandrakizay” sady tsy ho voavela heloka ny olona minia manevateva ny fanahin’Andriamanitra, na amin’ny teny na amin’ny atao. (Mt 12:31, 32; Mr 3:28-30; ampit. Jn 15:26; 16:7, 8.) Mety ho anisan’izany ny olona lasa Kristianina nefa ninia tsy nanaraka ny fivavahana marina intsony. Hoy ny Hebreo 10:26, 27: “Raha minia manota isika rehefa avy nahalala marina tsara ny fahamarinana, dia tsy misy sorona noho ny ota intsony, fa fiandrasana amin-tahotra ny fanamelohana kosa, ary fahatezerana mirehitra izay handevona an’ireo manohitra.”

Azo inoana fa fahotana an-tsitrapo sy niniana natao no tian’i Jaona hotenenina amin’ny hoe “ota mahafaty”, izay mifanohitra amin’ny ota tsy mahafaty. (1Jn 5:16, 17; ampit. No 15:30.) Tsy mivavaka ho an’ny olona voaporofo ho nanota an-tsitrapo toy izany ny Kristianina. Andriamanitra anefa no Mpitsara tompon’ny teny farany, satria izy no mahalala izay ao am-pon’ilay nanota.​—Ampit. Je 7:16; Mt 5:44; As 7:60.

Manota indray mandeha sa zatra manota? Nasehon’i Jaona koa fa tsy mitovy ny hoe manota indray mandeha sy ny hoe zatra manota. Hita izany rehefa ampitahaina ny 1 Jaona 2:1 sy ny 3:4-8, araka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Marina kokoa ilay dikan-teny hoe “izay rehetra zatra manota [pôiôn ten hamartian].” (1Jn 3:4) Hoy ilay manam-pahaizana hoe Robertson momba izany: “Midika ho fahazarana manota ny matoanteny hoe pôiôn raha ilay endriny ampiasaina eto no jerena.” (Ireo Sarin-teny ao Amin’ny Testamenta Vaovao, 1933, Boky Faha-6, p. 221) Ny teny grika hoe ok hamartanei kosa no ampiasaina ao amin’ny 1 Jaona 3:6, ka nilaza i Robertson fa “matoantenin’ny mpanao avy amin’ny hoe hamartanô ny hoe hamartanei, ary milaza ny ankehitriny sy manondro asa mitohy. Midika hoe ‘tsy manohy manota’ ny hoe ok hamartanei.” (p. 222) Mety ho latsaka amin’ny fahotana àry na dia ny Kristianina tsy mivadika aza, vokatry ny fahalemeny na noho izy voafitaka. “Tsy zatra manota” na miaina ao anatin’ny fahotana anefa izy.​—1Jn 3:9, 10; ampit. 1Ko 15:33, 34; 1Ti 5:20.

Miombona ota amin’ny hafa. Melohin’Andriamanitra ho nanota ny olona minia mifanerasera amin’ny mpanao ratsy, na mankasitraka ny ratsy nataony, na manafina izany mba tsy ho fantatry ny anti-panahy sy hahitsiny. (Ampit. Sl 50:18, 21; 1Ti 5:22.) Raha tsy miala ao amin’i “Babylona Lehibe” ny olona iray, dia hisy hanjo azy ny loza hanjo an’io tanàna an’ohatra io. (Ap 18:2, 4-8) “Miombona amin’ny ratsy” ataon’ny olona iray niala tamin’ny fampianaran’i Kristy ny Kristianina, raha mifanerasera aminy na “miarahaba” azy fotsiny aza.​—2Jn 9-11; ampit. Tit 3:10, 11.

Nampitandreman’i Paoly i Timoty mba tsy ‘hiombona ota amin’ny olona.’ (1Ti 5:22) Hoy izy talohan’izay: “Aza malaky mametra-tanana amin’ny olona na iza na iza.” Tsy maintsy ho ny fahefana nomena an’i Timoty mba hanendry mpiandraikitra teo anivon’ny fiangonana no tiany holazaina. Tsy tokony hotendreny ny zazavao amin’ny finoana, satria mety hirehareha. Raha tsy manaraka izany torohevitra izany i Timoty, dia ho tompon’andraikitra raha manao zavatra tsy mety ilay olona notendreny.​—1Ti 3:6.

Mety ho meloka ho nanota teo anatrehan’Andriamanitra koa ny firenena iray manontolo, noho ireo antony voalaza tetsy aloha.​—Oh 14:34.

Ota atao amin’olona, amin’Andriamanitra, ary amin’i Kristy. Efa voalaza teo aloha fa voaresaka ao amin’ny Soratra Hebreo ny ota nataon’olona samihafa firenena, tamin’ny andro fahiny. Ota natao tamin’olon-kafa izy ireny, amin’ny ankapobeny.

Izay manota amin’olona dia tsy manaja ny zon’ilay olona sy tsy miraharaha izay mahasoa azy, ka manisy ratsy azy sy miteraka olana ho azy. (Mpts 11:12, 13, 27; 1Sa 19:4, 5; 20:1; 26:21; Je 37:18; 2Ko 11:7) Nohazavain’i Jesosy ny toro lalana tokony harahintsika, raha nisy olona nahavita fahotana lehibe tamintsika. (Mt 18:15-17) Ahoana raha misy rahalahy nanota tamintsika im-77, na im-7 ao anatin’ny indray andro? Mbola tokony hamela azy isika raha nibebaka izy rehefa notenenina mafy. (Mt 18:21, 22; Lk 17:3, 4; ampit. 1Pe 4:8.) Nisy mpiasa an-trano koa noresahin’i Petera hoe nanota tamin’ny tompony ka nomen’ny tompony tehamaina. (1Pe 2:18-20) Manota amin’izay manana fahefana ny olona iray, raha tsy manaja ny fahefany. Nilaza i Paoly fa tsy nanota ‘tamin’ny Lalàn’ny Jiosy, na tamin’ny tempoly na tamin’i Kaisara’ izy.​—As 25:8.

Izay manota amin’olona, dia manota koa amin’ny Mpamorona, izay hanao ampamoaka ny olona rehetra. (Ro 14:10, 12; Ef 6:5-9; He 13:17) Nisakana an’i Abimeleka tsy hanao firaisana tamin’i Saraha Andriamanitra. Hoy izy tamin’io mpanjaka filistinina io: “Nosakanako tsy hanota amiko ianao.” (Ge 20:1-7) Niaiky toa an’i Davida koa i Josefa fa fahotana amin’ny Mpamorona ny maka vadin’olona na manitsakitsa-bady, satria Andriamanitra no namorona ny lehilahy sy ny vehivavy, ary nanao ny fanambadiana. (Ge 39:7-9; 2Sa 12:13; Sl 51:4) Milaza ny Lalàna fa “tsy mendri-pitokisana eo anatrehan’i Jehovah” izay olona manota ka mangalatra, manambaka, na maka fananan’olona. (Le 6:2-4; No 5:6-8) Notenenin’Andriamanitra ireo nanamafy fo ka tsy nangoraka an’ireo rahalahiny mahantra. Nanariny koa ireo tsy manome ny karaman’ny mpiasa. (De 15:7-10; 24:14, 15; ampit. Oh 14:31; Am 5:12.) Nilaza i Samoela fa sanatria azy ny “hanota amin’i Jehovah ka hitsahatra tsy hivavaka” ho an’ny Israelita araka izay nangatahin’izy ireo.​—1Sa 12:19-23.

Milaza ny Jakoba 2:1-9 fa manota izay Kristianina mizaha tavan’olona na manavakavaka. Nanome ny ainy hamonjena ny mpanara-dia azy i Jesosy, ka nilaza i Paoly fa “manota amin’i Kristy” ny olona tsy miraharaha an’ireo rahalahiny manana feon’ny fieritreretana malemy ka mahatafintohina azy ireny.​—1Ko 8:10-13.

Marina fa fahotana amin’Andriamanitra ny ota rehetra, nefa misy kosa fahotana heverin’i Jehovah hoe tena mahakasika azy mivantana, anisan’izany ny fanompoan-tsampy (Ek 20:2-5; 2Mp 22:17), ny tsy finoana azy (Ro 14:22, 23; He 10:37, 38; 12:1), ny tsy fanajana zava-masina (No 18:22, 23), ary ny fivavahan-diso rehetra (Ho 8:11-14). Azo antoka fa izany no nahatonga an’i Ely mpisoronabe hiteny toy izao tamin’ireo zanany tsy nanaja ny tranolay masina sy ny fanompoana an’Andriamanitra: “Raha misy manota amin’olona, dia Andriamanitra no hitsara hiaro azy [ampit. 1Mp 8:31, 32]. Fa raha amin’i Jehovah kosa ny olona iray no manota, iza no hivavaka ho azy?”​—1Sa 2:22-25; ampit. and. 12-17.

Manota amin’ny vatany ihany. Hoy i Paoly rehefa nampitandrina momba ny fijangajangana (firaisana ara-nofo ataon’ny olona tsy mpivady eo imason’Andriamanitra): “Izay fahotana hafa rehetra ataon’ny olona dia eny ivelan’ny vatany, fa ny mpijangajanga kosa manota amin’ny vatany ihany.” (1Ko 6:18; jereo FIJANGAJANGANA.) Asehon’ny teny manodidina fa tokony ho tafaray amin’i Kristy Jesosy, izay Tompony sady Lohany, ny Kristianina. (1Ko 6:13-15) Manota ny mpijangajanga, ary lasa nofo iray amin’ilay anaovany firaisana (matetika mpivaro-tena). (1Ko 6:16-18) Ny fijangajangana ihany no fahotana mahatonga ny vatan’ny Kristianina tsy ho tafaray intsony amin’i Kristy, fa lasa nofo “iray” amin’ny hafa kosa. Izany no antony ilazana hoe ‘eny ivelan’ny vatana’ ny fahotana hafa rehetra. Mety hanimba tanteraka ny vatan’ny mpijangajanga koa ny fijangajangana.

Ota ataon’ny anjely. Tokony hanome voninahitra an’Andriamanitra sy hidera azy ary hanao ny sitrapony ny anjely zanak’Andriamanitra. (Sl 148:1, 2; 103:20, 21) Mety hanota toy ny olombelona koa àry izy ireny. Nisy nanota tokoa ny sasany taminy, ka ‘natolotra ho ao an-davaka maizim-be, mba hotehirizina ho amin’ny fitsarana.’ (2Pe 2:4) Azo inoana fa izy ireny ihany ireo lazaina hoe “fanahy tao am-ponja, izay tsy nankatò fahiny, rehefa niandry tamim-paharetana Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa.” (1Pe 3:19, 20) ‘Tsy nahatratra ny zava-kendrena’ taminy ireny anjely ireny fa nanota, izany hoe “tsy nitana ny toerany tany am-boalohany, fa nandao ny fonenana sahaza azy” (Jd 6), izay tsy inona fa ny lanitra misy an’Andriamanitra.

Tsy natao handrakofana ny fahotan’ny anjely ny soron’i Jesosy Kristy, ka tsy ho voavela ny fahotan’ireny anjely tsy nankatò ireny. (He 2:14-17) Zavaboary lavorary toa an’i Adama izy ireny, ary tsy nanana fahalemena, ka tsy azo alan-tsiny raha nanao ratsy.

Famelan-keloka. Asehon’ny lahatsoratra MANAMBARA HO MARINA (“Nekena ho isan’ny” olo-marina) fa ‘heverin’Andriamanitra’ ho isan’ny olo-marina ny olona maneho finoana. ‘Nanarona’, na ‘nikosoka’, na ‘namono’ ny fahotan’ilay olona tsy nivadika àry Andriamanitra, ka tsy nanameloka azy noho ny fahotany. (Ampit. Sl 32:1, 2; Is 44:22; As 3:19.) Nampitovin’i Jesosy tamin’ny ‘trosa’ àry ny ‘heloka’ sy ny “fahotana.” (Ampit. Mt 6:14; 18:21-35; Lk 11:4, f.a.p.) Na dia toy ny tasy mena midorehitra aza ny fahotana nataon’izy ireo taloha, dia nosasan’i Jehovah na nesoriny ilay tasy nahatonga azy tsy ho masina. (Is 1:18; As 22:16) Namindra fo sy naneho hatsaram-panahy feno fitiavana Andriamanitra, nefa koa nanao ny rariny sy ny hitsiny. Mba hahitana ny fomba nanaovany izany, dia jereo FAMPIHAVANANA, FIBEBAHANA, VIDIM-PANAVOTANA, ary lahatsoratra hafa momba izany.

Miady amin’ny ota. Ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona no tena manampy antsika hiady amin’ny ota (izay fandikan-dalàna). Toetra mampiavaka an’Andriamanitra mantsy ny fitiavana, sady votoatin’ny Lalàna nomeny ho an’ny Israely. (Mt 22:37-40; Ro 13:8-11) Tsy ho tafasaraka amin’Andriamanitra ny Kristianina raha miady amin’ny ota, fa ho tafaray aminy sy ny Zanany kosa. (1Jn 1:3; 3:1-11, 24; 4:16) Manaiky hotarihin’ny fanahy masin’Andriamanitra koa izy, ary afaka ny ‘ho velona amin’ny fanahy, araka ny fomba fihevitr’Andriamanitra.’ Mitsahatra amin’ny ota izy noho izany, ary manana ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra, fa tsy manao ny asan’ny nofo. (1Pe 4:1-6; Ga 5:16-26) Tsy fehezin’ny ota intsony àry izy.​—Ro 6:12-22.

Mahatohitra fakam-panahy hifaly vetivety amin’ny fahotana (He 11:24-26) ny olona mino hoe tena hamaly soa an’ireo manao izay mahitsy Andriamanitra. (He 11:1, 6) “Tsy azo vazivazina” Andriamanitra. Fantatry ny olona àry fa tsy maintsy hijinja izay afafiny izy, ka miaro azy tsy ho voafitaky ny ota izany. (Ga 6:7, 8) Fantany koa fa tsy azo afenina mandrakizay ny fahotana (1Ti 5:24), ary “na dia manao ratsy injato aza ny mpanota, sady ela velona ka manao izay tiany”, dia “ho tsara fiafara ireo matahotra an’Andriamanitra”, fa tsy ho toy izany kosa ny ratsy fanahy tsy matahotra an’Andriamanitra. (Mpto 8:11-13; ampit. No 32:23; Oh 23:17, 18.) Tsy hiaro ny ratsy fanahy ny harenany amin’ny andro fahatezeran’Andriamanitra (Ze 1:17, 18), ary ho hita aza any aoriana any fa “tehirizina ho an’ny marina” ny harenan’ny mpanota. (Oh 13:21, 22; Mpto 2:26) Toy ny “enta-mavesatra” ny vokatry ny ota, nefa tsy voatery hitondra izany ireo miezaka hanam-pinoana sy manao izay mahitsy. Tsy voatery hikorontan-tsaina sy ho rera-po ary ho osa ara-panahy koa izy.​—Sl 38:3-6, 18; 41:4.

Ny fahalalana ny tenin’Andriamanitra no hananana finoana sy hanatanjahana azy io. (Sl 119:11; ampit. Sl 106:7.) Hanota izay maimaika loatra nefa mbola tsy niezaka hanam-pahalalana, izany hoe mbola tsy nandinika izay tokony hataony. (Oh 19:2) Miezaka ho hendry amin’izay ataony ny olo-marina, satria fantany fa “afaka manimba zava-tsoa maro na dia mpanota iray monja aza.” (Ampit. Mpto 9:18; 10:1-4.) Tsy tokony hifanerasera amin’ny olona manaraka fivavahan-diso sy maloto fitondran-tena ny Kristianina, satria hamandrika azy hanota izany ary hanimba ny fahazarany mahasoa.​—Ek 23:33; Ne 13:25, 26; Sl 26:9-11; Oh 1:10-19; Mpto 7:26; 1Ko 15:33, 34.

Misy toe-javatra maro ahafahan’ny Kristianina manao izay tiany. Tsy voatery ho meloka ho nanota izy raha manao zavatra iray na tsia, ary na inona na inona fomba tiany hanaovana izany. (Ampit. 1Ko 7:27, 28.) Tsy nototofan’Andriamanitra fitsipika maro sy be tsipiriany ny olona. Tokony hampiasa ny sainy kosa izy, ary afaka misafidy tsara hanao zavatra araka izay maha izy azy sy araka ny itiavany azy. Misy tsipiriany maro, ohatra, ny fifaneken’ny Lalàna, nefa mbola nanana fahalalahana ihany ny Israelita. Manantitrantitra ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona ny fampianaran’i Kristy, ary tena manome fahalalahana tsara ho an’ny Kristianina tia fahitsiana.​—Ampit. Mt 22:37-40; Ro 8:21; jereo FAHAFAHANA; JEHOVAH (Manana fitsipika Andriamanitra).