Otniela
(Ôtnièla).
Mpitsara teo amin’ny Israely, voatonona anarana voalohany, taorian’i Josoa. “Zanak’i Kenaza zandrin’i Kaleba” i Otniela. (Mpts 1:13; 3:9; Js 15:17) Ao amin’ny Soratra Hebreo tany am-boalohany, dia tsy mazava tsara hoe i Otniela sa Kenaza no zandrin’i Kaleba. Fantatra avy amin’ny andinin-teny hafa anefa fa zana-drahalahin’i Kaleba i Otniela, satria rahalahin’i Kaleba i Kenaza rain’i Otniela. Voalaza koa fa “zanak’i Jefone” i Kaleba, ka noho izany dia tsy zanak’i Kenaza toa an’i Otniela izy.—No 32:12; 1Ta 4:15.
Resin’i Otniela i Debira, tanàna voaro mafin’ny Kananita, ka nomena ho vadiny i Aksa zanakavavin’i Kaleba. Nampanantena mantsy i Kaleba fa homeny ho vadin’izay mandresy an’ilay tanàna ny zanany vavy. (Js 15:16-19; Mpts 1:11-15) Nanan-janakalahy nantsoina hoe Hatata i Otniela, ary nisy namelo-maso foana ny fianakaviany teo amin’ny fokon’i Joda. Taona maro tatỳ aoriana, tamin’ny andro nanjakan’i Davida, dia nisy taranaka avy tamin’io fianakaviambe io nofidina ho lohan’ny antoko-miaramila nisy lehilahy 24 000.—1Ta 4:13; 27:1, 15.
Naharitra valo taona ny fampahoriana voalohany nampiharin’ny mpanjakan’ny firenen-kafa tamin’ny Israely, noho izy ireo tsy nankatò. “Niantso vonjy tamin’i Jehovah” anefa izy ireo. I Otniela àry no nofidin’i Jehovah hanafaka azy ireo. Tonga taminy ny fanahin’i Jehovah, ka resiny i Kosana-risataima “mpanjakan’i Syria.” I Otniela àry no niandraikitra ny fitantanana sy ny famoahana didim-pitsarana teo amin’ireo rahalahiny.—Mpts 3:8-11.