Otny
(Otnỳ) [fanafohezana ny hoe Otniela].
Zanakalahin’i Semaia sady zafikelin’i Obeda-edoma Korahita. Levita notendrena ho mpiandry vavahady teo anoloan’ny toerana masina izy. “Mpitondra tao amin’ny fianakaviambe avy amin’ny rainy” i Otny sy ny rahalahiny, ary ‘lehilahy nahay sy natanjaka izy ireo.’—1Ta 26:1, 4, 6-8, 15.