Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Oza

Oza

(Òza).

1. Zanakalahin’i Arama sy zafiafin’i Noa avy tamin’i Sema.​—Ge 10:22, 23; 1Ta 1:17.

2. Lahimatoan’i Nahora sy Milka, ary zana-drahalahin’i Abrahama.​—Ge 22:20, 21.

3. Zanakalahin’i Disana sady taranak’i Seira Horita.​—Ge 36:20, 21, 28.

4. Levita Merarita.​—1Ta 6:29.

5. Zanakalahin’i Abinadaba, izay azo antoka fa Levita. I Oza sy Ahio rahalahiny no nandeha teo alohan’ilay sarety nitondrana ny Vata misy ny fifanekena avy tao an-tranon’izy ireo. Tian’i Davida hafindra tany Jerosalema mantsy ilay Vata. Saika nazeran’ireo omby nitarika an’ilay sarety anefa ilay Vata, ka nanatsotra ny tanany i Oza mba hihazonana an’ilay izy. Novonoin’i Jehovah teo no ho eo ihany àry izy. Nantsoin’i Davida hoe Pereza-oza ilay toerana “noho ny fipoahan’ny fahatezeran’i Jehovah tamin’i Oza.”​—2Sa 6:3-8; 1Ta 13:7-11.

Mety ho te hihazona an’ilay Vata tsy hianjera i Oza, nefa “tsy naneho fanajana” izy raha ny marina (2Sa 6:7), satria ninia tsy nankatò. Efa nanome toromarika ho an’ny rehetra mantsy i Jehovah fa tsy mahazo mikasika an’ilay Vata ny olona tsy nahazo alalana, ka hovonoina ho faty izay manao izany. (No 4:15, 19, 20) Tsy ho tezitra Andriamanitra raha ireo Levita Kehatita nahazo alalana no nilanja an’ilay Vata teny an-tsorony, araka ny toromariny.​—Ek 25:13, 14; No 7:9.

[6-8: mety ho fanafohezana ny hoe Ozia, ary midika hoe “Ny Heriko dia i Jehovah”]

6. Benjamita.​—1Ta 8:1, 7.

7. Anarana ampifandraisina amin’ny zaridaina iray. Nalevina tao amin’ny zaridainan’i Oza i Manase sy Amona mpanjakan’ny Joda, fa tsy tao amin’ny fasan’ny mpanjaka. (2Mp 21:18, 23, 26) Tsy fantatra ny mombamomba an’i Oza sy ilay zaridaina. Tsy tao an-tokotanin’ny tempoly anefa ilay izy matoa nandevenana olona. Nifanila tamin’ny tempoly koa ny lapan’ny mpanjaka, ka mety ho trano nipetrahan’ny mpanjaka rehefa vanin-taona mafana ilay ‘tranon’i’ Manase tao amin’ny zaridainan’i Oza.

8. Lohan’ny fianakaviambe iray anisan’ny Netinima. Niara-niverina tamin’i Zerobabela tany Jerosalema tamin’ny 537 T.K. ny taranany sasany.​—Ezr 2:1, 2, 43, 49; Ne 7:51.

9. Tanindrazan’i Joba (Jb 1:1), ary tany nonenan’i Oza. Tsy fantatra anefa raha ilay Oza zanak’i Arama io na ilay zanak’i Nahora. (Ge 10:22, 23; 22:20, 21) Tsy fantatra koa hoe taiza marina no nisy an’i Oza. Toa tany akaikin’i Edoma izy io, matoa nitatra hatrany ny faritra nofehezin’ny Edomita, na matoa nisy Edomita nipetraka ‘tany Oza’ tatỳ aoriana. (Ft 4:21) Nirahin’Andriamanitra hitondra ny kaopin’ny fahatezerany i Jeremia, ka hampisotro azy io “ny mpanjaka rehetran’i Oza” sy Filistia sy Edoma sy Moaba ary Amona. (Je 25:15, 17, 20, 21) Mora notafihin’ny Sabeanina avy any atsimo sy ny Kaldeanina avy any atsinanana ny tany nisy an’i Joba. (Jb 1:15, 17) Mety ho tany atsinanan’ny Tany Nampanantenaina sy tany akaikin’i Edoma àry i Oza, izany hoe tany Arabia Avaratra tany ho any.