Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ozala

Ozala

(Ozàla).

1. Iray tamin’izy 13 mirahalahy zanak’i Joktana. Ny anaran’i Ozala no voatonona fahenina. Ozala koa no iantsoana ny foko avy aminy. (Ge 10:26-29; 1Ta 1:21) Lazain’ny lovantsofina arabo fa nantsoina hoe ʼAzala, hono, taloha i Sanʽa (renivohitry ny Repoblikan’i Yémen), ary nisy ifandraisany tamin’i Ozala ny hoe ʼAzala.

2. Toerana resahina ao amin’ny Ezekiela 27:19 hoe niavian’ireo olona nanao raharaham-barotra tamin’i Tyro. Misy milaza fa i Izalla izy io, any amin’ny faritra avaratratsinanana amin’i Syria, eo akaikin’ny faritra lalovan’ny Reniranon’i Tigra any avaratra.