Ozena-sera
(Ozèna-sèra) [mety hidika hoe Sofin’i Sera].
Tanàna naorin’i Sera vehivavy efraimita. Tsy fantatra izay tena dikan’ilay hoe “nanorina.” Angamba i Sera no tena nampandroso sy nampivoatra an’ilay tanàna sy ny toerana hafa koa. (1Ta 7:22-24) Tsy tena fantatra ny toerana nisy an’i Ozena-sera. Misy mpahay jeografia mihevitra azy io ho i Beit Sira, tokotokony ho 4 km any andrefan’ny toerana lazaina fa nisy an’i Beti-horona Ambany, ary tokotokony ho 21 km any avaratrandrefan’i Jerosalema.