Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ozia

Ozia

(Ozìa).

[1-2, 4-6: Heriko i Jehovah]

1. Levita Kehatita ‘naterak’i’ Oriela.​—1Ta 6:22-24.

2. Rain’ilay Jonatana nitana andraikitra ambony, tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka.​—1Ta 27:25.

3. Lehilahy mahery tao amin’ny tafik’i Davida. Astartita i Ozia, izany hoe, mety ho avy any Astarta, tanàna any atsinanan’i Jordana.​—1Ta 11:26, 44; Js 9:10.

4. Mpanjakan’ny Joda, ary antsoina koa hoe Azaria. I Amazia no rainy ary i Jekolia no reniny. Nanjaka nandritra ny 52 taona izy (829-778 T.K.). Ireto avy ny mpanjaka nifandimby tany amin’ny fanjakana tany avaratra tamin’izany: I Jeroboama (II), Zakaria, Saloma, Menahema, Pekahia, ary Peka. (2Mp 15:1, 2, 8, 10, 13, 14, 17, 23, 25, 27; 2Ta 26:3) Ireto kosa ny mpaminany: I Isaia (1:1; 6:1), Hosea (1:1), Amosa (1:1), ary angamba i Joela. Nisy horohoron-tany lehibe tamin’ny andron’i Ozia Mpanjaka.​—Za 14:5.

Rehefa maty ny rainy, dia nataon’ny mponina tany Joda mpanjaka i Ozia, tamin’izy 16 taona. (2Mp 14:21; 2Ta 26:1) Milaza anefa ny 2 Mpanjaka 15:1 fa tamin’ny taona faha-27 nanjakan’i Jeroboama (II) mpanjakan’ny Israely no lasa mpanjaka i Ozia. Raha izany no jerena, dia 12 taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan-drainy i Ozia vao nanomboka nitondra. Tsy maintsy misy heviny hafa àry ilay hoe “lasa mpanjaka.” Angamba tamin’ny taona faha-27 nitondran’i Jeroboama Mpanjaka vao afaka teo ambany fangejan’ny fanjakana tany avaratra ny fanjakan’ny foko roa tany Joda. Toa nanomboka io fangejana io, rehefa resin’i Joasy mpanjakan’ny Israely i Amazia rain’i Ozia. (2Ta 25:22-24) Mety hoe lasa mpanjaka fanindroany àry i Ozia, amin’ny heviny hoe afaka tamin’ny fangejan’i Jeroboama (II) mpanjakan’ny Israely izy.

Nanao “izay mahitsy teo imason’i Jehovah” i Ozia. Ny tena nahatonga an’izany, dia noho izy nanaraka ny toromarik’i Zakaria (tsy ilay mpaminany velona tatỳ aoriana kokoa). Mbola nanao sorona teny amin’ny toerana avo ihany anefa ny olona nentiny.​—2Mp 15:3, 4; 2Ta 26:4, 5.

Nanjary nalaza i Ozia satria nahazo fandresena maro noho ny fanampian’i Jehovah. Nampodiny tamin’ny fanjakan’ny Joda indray i Elata (Elota), tanàna eo amin’ny tendron’ny Hoalan’i ʽAkaba, ary naveriny naorina. Resiny ny Filistinina, ary nogorobahany ny mandan’i Gata sy Jabne ary Asdoda. Nanorina tanàna tao amin’ny faritanin’i Asdoda izy taorian’izay. Resin’i Ozia ny Arabo sy ny Meonita, ary nasainy nandoa hetra tamin’ny Joda ny Amonita. Nanana tafika natanjaka be izy ary ampy fitaovana tsara. Nisy 307 500 lahy ny miaramilany, teo ambany fifehezan’ny lehibe 2600, izay samy lohan’ny fianakaviambe. Nohamafisin’i Ozia ny tanànan’i Jerosalema, ary nanamboatra fitaovam-piadiana maro tao izy.​—2Mp 14:22; 2Ta 26:2, 6-9, 11-15.

Tia fambolena sy fiompiana koa io mpanjaka io. Nihady lavaka maro fanangonan-drano izy mba tsy hijaly rano ny biby fiompy. Nanorina tilikambo maro tany an-tany efitra koa izy hiambenana an’ireo omby sy ondry niraoka ahitra, mba tsy ho lasan’ny mpandroba. Izy no nanara-maso ny fambolena sy ny fikarakarana tanimboaloboka teny an-tendrombohitra sy tany Karmela.​—2Ta 26:10.

Toa lasa nirehareha noho ireo zava-bitany niavaka i Ozia, ka sahy niditra tao amin’ny Efitra Masina tao amin’ny tempoly mba handoro emboka manitra. Niditra nanaraka azy avy hatrany i Azaria Mpisoronabe sy ireo mpisorona lefitra 80, ka niteny mafy azy noho io fandikan-dalàna nataony io, ary nasain’izy ireo nivoaka ny toerana masina izy. Raha mbola teny an-tanan’i Ozia ny fitaovana fandoroana emboka manitra, sady tezitra mafy tamin’ny mpisorona izy, dia nisy habokana nipoitra teo amin’ny handriny. Nikoropaka namoaka azy avy tao amin’ny tempoly àry ny mpisorona. Naloto i Ozia satria boka, ka sady tsy afaka nivavaka tao amin’ny toerana masina intsony no tsy afaka nanao ny asan’ny mpanjaka intsony koa. Nipetraka tao amin’ny trano iray mandra-pahafatiny àry izy, ary i Jotama zanany lahy no nitantana ny raharaham-panjakana.​—2Ta 26:16-21.

Izao no lazain’ny 2 Tantara 26:23 momba ny nahafatesany sy ny nandevenana azy: “Farany, dia nodimandry any amin’ny razany i Ozia. Ary nalevina any amin’ny razany izy, saingy tsy tao amin’ny fasan’ny mpanjaka fa teo amin’ny saha teo ivelany, satria nilaza ny olona hoe: ‘Boka izy.’” Boka i Ozia ka mety hoe tsy nalevina tao anaty fasana vita tamin’ny vatolampy nolavahana, fa nalevina teo amin’ny saha teo akaikin’ny fasan’ny mpanjaka.

Nisy takelaka vita tamin’ny vatosokay hita tany Jerosalema, ary voalaza fa tamin’ny taonjato voalohany ilay izy. Izao no soratra eo amin’ilay izy: “Nentina ato ny taolambalon’i Ozia mpanjakan’ny Joda. Tsy azo sokafana.”​—SARY, Boky 1, p. 960.

5. Levita mpisorona “taranak’i Harima.” (1Ta 24:8; Ezr 2:36, 39) Anisan’ireo nandroaka ny vadiny hafa firenena koa izy, rehefa nasain’i Ezra nanao izany.​—Ezr 10:10, 11, 21, 44.

6. Taranak’i Joda avy tamin’i Pereza. Anisan’ireo nonina tao Jerosalema tamin’ny andron’i Nehemia i Ataia ‘zanany.’​—Ne 11:4.