Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Oziela

Oziela

(Ozièla) [Hery Andriamanitra].

1. Iray tamin’ireo efa-dahy zanak’i Kehata, ka ny anarany no voatonona farany. Zafikelin’i Levy izy, ary dadatoan’i Mosesy sy Arona. Lasa lohan’ny fianakaviambe teo amin’ny fokon’i Levy ny zanany telo lahy, dia i Misaela sy Elizafana ary Sitry.​—Ek 6:16, 18, 20, 22; Le 10:4; No 3:19, 30; 1Ta 6:2, 18; 23:12; jereo OZIELITA.

2. Loham-pianakaviana teo amin’ny fokon’i Benjamina. Zanakalahin’i Bela izy na taranany.​—1Ta 7:6, 7.

3. Levita taranak’i Hemana. Mpitendry zavamaneno izy. Notendren’i Davida izy ho mpitarika ny andiany faha-11 rehefa nozaraina ny fanompoana nataon’ny mpitendry zavamaneno. Antsoina hoe Azarela koa izy.​—1Ta 25:1, 4, 18.

4. Levita taranak’i Jedotona. Nanampy izy rehefa nariana ireo zavatra maloto tao amin’ny tempoly, tany am-piandohan’ny fitondran’i Hezekia.​—2Ta 29:12, 14, 16.

5. Iray tamin’ireo Simeonita efa-dahy zanak’i Jisy. Nitarika 500 lahy mba ho any amin’ny Tendrombohitra Seira izy efa-dahy, ka namely ny sisa afa-nandositra tamin’ny Amalekita, ary nonina tany. Niara-belona tamin’i Hezekia i Oziela.​—1Ta 4:41-43.

6. Mpanefy volamena, anisan’ireo nanamboatra ny simba tamin’ny mandan’i Jerosalema, teo ambany fitarihan’i Nehemia. Zanak’i Haraia izy.​—Ne 3:8.