Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ozona, Manozona

Ozona, Manozona

Teny hebreo sy grika maromaro, ao amin’ny Baiboly, no nadika hoe “ozona” na teny hafa mitovitovy amin’ny hoe “ozona.” Ny hoe manozona dia midika hoe maniry zava-dratsy ho tonga amin’olona, na mandrahona azy, na miantso loza hanjo azy. Mety ho ozona koa ny teny mahery anamelohana an’izay heverina fa maharikoriko sy mendrika ny hahita fahavoazana.

Mazava ho azy fa tamin’ny fotoanan’ny fikomiana tao Edena no nisy ny ozona voalohany. Andriamanitra no nilaza azy io, ary tsy iza no nozoniny fa ilay nahatonga an’io fikomiana io, izay nampiasa bibilava. (Ge 3:14, 15) Tsy hifarana ilay ozona raha tsy ringana io mpikomy io. Nozonina koa ny tany noho ny amin’i Adama, ka nanjary naniry tsilo sy ahidratsy ny tany, fa tsy hoe naringana. (Ge 3:17, 18; 5:29) Nozonin’i Jehovah i Kaina ka voaheloka ho lasa mpandositra foana.​—Ge 4:11, 12.

Taorian’ny Safodrano no nisy olona voalohany nanozona. I Noa no nanozona an’i Kanana, zanak’i Hama, ho lasa andevon’i Sema sy Jafeta. Tanteraka io ozona io, 800 taona teo ho eo tatỳ aoriana, rehefa resin’ny taranak’i Sema (izany hoe, ny firenen’Israely) ny tanànan’i Kanana. (Ge 9:25-27) Izany no nilazan’i Josoa tamin’ny taranak’i Kanana (ny Gibeonita) hoe vahoaka “voaozona” izy ireo ka natao andevo na mpanompo.​—Js 9:23.

Tsy mitovy ny hoe manozona sy ny hoe manompa, sady tsy voatery hoe tezitra be ny olona manozona, araka ny hita tamin’ny nanozonana an’ireo Gibeonita. ʼArar no teny hebreo nampiasaina ao amin’ireo andinin-teny voalaza eo aloha ireo. Hita im-18 izy io tamin’ny fiteny hebreo, ao amin’ilay fanambarana ao amin’ny Deoteronomia 27:15-26; 28:16-19. Ahitana azy io koa ao amin’ireo fanambarana lehibe toy ny ao amin’ny Eksodosy 22:28 sy Jeremia 11:3; 17:5; 48:10. Miseho in-dimy kosa ny hoe meʼerah, izay teny iray tarika aminy. (De 28:20; Oh 3:33; 28:27; Ml 2:2; 3:9) Ampiasaina ao amin’ny Baiboly ireo teny ireo rehefa misy fanambarana lehibe na filazana loza. Lasa faminaniana ireny fanambarana ireny, raha Andriamanitra na olona nahazo alalana no milaza izany. Nanozona an’izay manorina indray an’i Jeriko, ohatra, i Josoa, ary tanteraka izany taonjato maro tatỳ aoriana. (Js 6:26; 1Mp 16:34) Nasain’i Balaka Mpanjaka nanozona ny Israely i Balama mpaminany. Tsy nankasitrahan’i Jehovah anefa izany ozona izany ka navadiny ho tsodrano.​—No 22:6–24:25.

Ilay matoanteny hebreo hoe kavav (manozona) no ampiasaina ao amin’io tantara io. Nataon’i Balaka izay hanozonan’i Balama ny firenen’Israely mba hahatonga an’io firenena io ho mendrika ny hozonin’Andriamanitra. Tsy nahomby anefa izy. (No 22:11, 17; 23:11, 13, 25, 27; 24:10) Asehon’izany fa tsy voatery hilaza mivantana ny teny firariany loza ny olona manozona.

Teny hebreo hafa nadika hoe “fianianana” sy “fanozonana” ny hoe ʼalah. Karazana fianianana mahatonga ozona izy io raha tsy tanterahina na raha voaporofo fa lainga.​—Ge 24:41; No 5:21, 23, 27; De 29:19-21; 2Ta 34:24; 1Mp 8:31, 32; jereo FIANIANANA.

Ny teny grika hoe ara sy anatema matetika no nadika hoe “ozona.” Toy izany koa ireto teny grika hafa ireto, izay iray tarika amin’izy ireo: Katara, epikataratôs, kataraômai, katatema, ary katatematizô.

Midika hoe ozona na fangatahana amin’Andriamanitra mba hanozona ny hoe ara. Teny iray tarika aminy ny hoe eparatôs. Nampiasa azy io i Jaona rehefa nilaza fa “olom-boaozona” no niheveran’ny Fariseo an’ireo sarambabem-bahoaka tsy nahalala ny Lalàna. (Jn 7:49) Nanazava kosa i Paoly fa ny Jiosy rehetra no nila nafahana tamin’ny ozon’ny Lalàna, ka izany no nahatonga an’i Kristy ho voaozona hisolo azy rehetra sy ho faty teo amin’ny hazo fijaliana. (Ga 3:10, 13) Epikataratôs no nampiasain’i Paoly ao amin’ny Galatianina 3:10 mba handikana an’ilay teny hebreo hoe ʼarar (ilay teny voalohany resahin’ity lahatsoratra ity) ao amin’ny Deoteronomia 27:26. Io epikataratôs io ihany no nampiasainy ao amin’ny Galatianina 3:13 mba handikana an’ilay teny hebreo hoe kelalah (zavatra voaozona) ao amin’ny Deoteronomia 21:23. Matetika ny kelalah no ampifanoherina amin’ny “tsodrano” na “fitahiana.” (Ge 27:12, 13; De 11:26-29; Za 8:13) Avy amin’ny matoanteny fototeny hoe kalal izy io. “Maivana” no dikan’ny kalal rehefa ampiasaina ara-bakiteny, fa “manozona” na “manao tsinontsinona” kosa rehefa ampiasaina an’ohatra. (Ek 18:22; Le 20:9; 2Sa 19:43) Nampiasa an’io teny io i Davida rehefa nilaza fa vao mainka aza hataony “tsy misy vidiny”, na maivana, kokoa noho izay niheveran’i Mikala azy ny tenany. (2Sa 6:20-22) Nampiasa an’io teny io koa i Jehovah Andriamanitra taorian’ny Safodrano, tamin’izy nilaza fa ‘tsy hanozona ny tany intsony izy noho ny amin’ny olona.’​—Ge 8:21.

Endriny hafa amin’ilay teny grika hoe kataraômai no nampiasain’i Jesosy tamin’izy nilaza ny ozona hanjo an’ireo olona toy ny “osy” (Mt 25:41) sy tamin’izy nampirisika ny mpanara-dia azy hirary soa an’izay ‘nanozona’ azy ireo. (Lk 6:28) Nanome torohevitra toy izany koa i Paoly sy Jakoba, ary endriny hafa amin’ny kataraômai no nampiasain’izy ireo. (Ro 12:14; Jk 3:9) Katara kosa no nampiasain’i Paoly rehefa niresaka momba ny “tany” mamokatra tsilo sy ahidratsy sy tsy mifoka ranonorana izy, ka nilaza fa toy izany karazan-tany izany ny Kristianina raha nihemotra nefa efa nahazo ny fanahy masina. (He 6:7, 8) I Petera kosa nampiasa an’io teny io mba hilazana fa “voaozona” ireo Kristianina mitsiriritra, sy “tsy manan-tsaina afa-tsy ny hanitsakitsa-bady”, ary mitaona an’ireo tsy miorina tsara.​—2Pe 2:14.

Midika ara-bakiteny hoe zavatra “napetraka” ilay teny grika hoe anatema. Tamin’ny voalohany, dia ny fanatitra fanefana voady izay napetraka na natokana ho zava-masina tao amin’ny tempoly no natao hoe anatema. (Jereo Lk 21:5 izay ahitana teny iray tarika aminy.) Anatema no nampiasain’ireo mpanoratra ny Soratra Grika mba hilazana zavatra voaozona na mety ho lasa voaozona ka natokana satria ratsy na nozonina. Izany no nilazan’i Paoly tamin’ireo Galatianina (1:8) fa tokony hoheverina ho “voaozona” ny olona (na ny anjely mihitsy aza) izay nitory vaovao tsara nifanohitra tamin’izay efa noraisin’izy ireo. Nambara hoe voaozona koa izay “tsy miraiki-po amin’ny Tompo.” (1Ko 16:22) Nanahy momba ireo Israelita rahalahiny izay tsy nanaiky an’i Kristy i Paoly, ka nilaza fa niriny raha izy no ho “tafasaraka amin’i Kristy ka ho voaozona” ho solon’izy ireo. (Ro 9:3) Anatema koa ny fianianana mahatonga ozona raha tsy tanterahina na raha voaporofo fa lainga. Anisan’izany ilay fianianana nataon’izy 40 lahy izay niray tetika sy niozona fa hamono an’i Paoly. (As 23:12-15, 21) Katatematizô sy anatematizô no ampiasaina ao amin’ny tantara momba ny nandavan’i Petera an’i Kristy. (Mt 26:74; Mr 14:71) Toy ny hoe nianiana i Petera fa ‘ho voaozona na ho voatokana toy ny zava-dratsy izy raha nahalala an’izany lehilahy izany.’

Mampanantena ny Apokalypsy 22:3 fa “tsy hisy ozona [katatema] intsony” ao amin’i Jerosalema Vaovao. Toa natao izany mba hanavahana azy io amin’i Jerosalema eto an-tany izay nozonin’Andriamanitra. Mifanohitra amin’ny zavatra hisy ao amin’i Jerosalema Vaovao ny ozona hanjo an’ilay tanàna an’ohatra hoe Babylona Lehibe noho izy io nomelohin’Andriamanitra. Ahitana taratra an’izany ozona izany ilay didy ao amin’ny Apokalypsy 18:4-8.​—Jereo koa 2Ko 6:17.

Matetika no anatema no nandikana an’ilay teny hebreo hoe herem, ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo.​—Jereo ZAVATRA VOATOKANA.

Nahoana Andriamanitra no manozona? Ny antony iray dia satria tiany haseho hoe iza no mpanompo ankasitrahany ary iza no tsy ankasitrahany. Porofon’ny tsy fankasitrahany mantsy ny ozona, fa porofon’ny fankasitrahany kosa ny fitahiana sy ny tsodrano. Rehefa avy nampanantena fitahiana an’i Abrahama, ohatra, i Jehovah, dia nilaza koa hoe: ‘Hanozona [endriny hafa amin’ny hoe kalal] kosa an’izay miantso loza ho anao aho.’ (Ge 12:3) Tsy voalaza mazava eo hoe iza no hiantefan’ilay ozona. Natao hampitandremana sy hiarovana an’ireo te hahazo sitraka amin’Andriamanitra àry ilay ozona. Nilaza mazava ny Lalàn’i Mosesy fa nisy fitahiana maro ho azon’ny Israelita raha nankatò an’izay voalazan’ny Lalàna izy ireo, fa nisy ozona maro kosa raha tsy nankatò. (De 28:1, 2, 15) Talohan’ny hidiran’izy ireo tao amin’ny Tany Nampanantenaina, dia nasongadin’i Mosesy fa tsy maintsy nanao safidy ilay firenena manontolo sy ny Israelita tsirairay: Na izy ireo hifidy ny fitahiana ka hankatò, na hifidy ny ozona ka tsy hankatò. (De 30:19, 20) Naverin’i Josoa indray ny votoatin’ilay anatranatra sy fampitandremana, rehefa tonga tany amin’ny Tany Nampanantenaina izy ireo. (Ampit. Js 8:32-35; 24:14, 15.) Afaka niezaka àry ny Israelita tsirairay mba tsy hiharan’ny ozona efa voalaza mialoha.

Nanozona an’ireo tsy nankatò koa Andriamanitra mba hanamafisana fa tsy azo natao tsinontsinona na notsiratsiraina ny toro lalany sy ny fikasany efa nambarany mialoha. Nisy ozona, ohatra, nanjo an’i Ely mpisoronabe satria izy moramorainy loatra ka tsy niteny mafy an’ireo zanany lahy izay ‘nanozona an’Andriamanitra.’ (1Sa 3:13) Nampahafantarin’i Jehovah azy ilay fitsipika hoe: “Izay manome voninahitra ahy no homeko voninahitra, ary izay maniratsira ahy kosa hatao tsinontsinona [avy amin’ny fototeny hoe kalal].” (1Sa 2:30) Hita amin’izany fa rehefa ozonin’Andriamanitra ny mpanao ratsy dia misy sazy ara-drariny miandry azy. Mety hihatra avy hatrany ilay sazy, toy ilay nanjo an’ireo ankizilahikely naditra izay nozonin’i Elisa tamin’ny anaran’i Jehovah. (2Mp 2:24) Mety hihatra atỳ aoriana koa anefa ilay izy, toy ilay loza nolazain’Andriamanitra tamin’i Josia Mpanjaka fa hanjo ny Joda. (2Mp 22:19, 20) Nampitandrina ny firenen’Israely i Jehovah fa tsy maintsy hosazina izay mandika ny lalàny. Hoy izy: “Ho tonga aminao ireo ozona rehetra ireo ary hanenjika anao ka hahatratra anao mandra-pahalany ringana anao, satria tsy nihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tsy nitandrina ny didiny sy ny lalàny izay nandidiany anao.” (De 28:45) Mazava ny teniny hoe ho ringana sy ho lasa babo izay tsy nankatò. Mbola tsy nanaraka izany ihany anefa izy ireo. Lasa “fanozonana ho an’ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany” àry i Jerosalema.​—Je 26:6; 24:9; De 29:27.

Nisy ozona nofoanana. Azon’i Jehovah esorina na foanana ny ozona. Tsy manao izany anefa izy raha tsy efa notanterahina tsara izay takin’ny fitsipiny ara-drariny. Nanozona ny tany, ohatra, izy tao Edena, kanefa voaporofo fa nofoanana io ozona io rehefa nanadio ny tany ny Safodrano ka nanala ny ratsy rehetra. (Ge 8:21) Nitondra ozona ny fifaneken’ny Lalàna rehefa tsy narahina tsara. Nanjary voaozona àry ny firenen’Israely manontolo, anisan’izany ireo Israelita niezaka mafy nitandrina ny Lalàna satria tsy nahavita nitandrina tanteraka azy io. Nasehon’ny apostoly Paoly fa izany no nahatonga an’i Kristy Jesosy tsy maintsy ho faty teo amin’ny hazo fijaliana. (Ga 3:10-13) Izany mantsy no fomba nitondrany ny ozon’ny Lalàna izay nihatra tamin’izay rehetra teo ambanin’ny Lalàna. Nitondra izany ozona izany izy na dia nahavita nitandrina tanteraka ny Lalàna aza. Hoy ny Deoteronomia 21:23: “Voaozon’Andriamanitra izay mihantona eo amin’ny tsato-kazo.” Nanjary voaozona àry i Jesosy rehefa nofantsihana teo amin’ny tsato-kazo toy ny mpanao ratsy, sy nomelohin’ny fitsarana jiosy (na dia tsy ara-drariny aza izany fanamelohana izany). Rehefa nanolotra ny vidim-panavotana tany an-danitra izy taorian’izay, dia nofoanan’Andriamanitra ny Lalàna. Nanaiky an’ilay sorona Andriamanitra ka toy ny hoe nofantsihany teo amin’ny tsato-kazo ny Lalàna ary azony nofoanana ara-dalàna ny ozon’izany Lalàna izany. (Kl 2:14) Natahotra ny Jiosy sao ho tavela teo amin’ny tsato-kazo taorian’ny nilentehan’ny masoandro ny fatin’i Jesosy sy ny an’ireo jiolahy, satria noheverina ho ozona ny fatin’i Jesosy sady notakin’ny Lalàna ny tsy handotoana ny Sabata.​—De 21:23; Jn 19:31.

Rahoviana ny ozona no manan-kery?

Mety hanozona ny olona, nefa tsy handaitra izany raha tsy avelan’Andriamanitra sy raha tsy mifanaraka amin’ny toro lalany sy ny fikasany. Sasa-poana, ohatra, i Goliata ‘niantso ny anaran’ireo andriamaniny [andriamani-diso] mba hanozonana an’i Davida.’ (1Sa 17:43) Novan’i Jehovah ho tsodrano koa ny ozona saika holazain’i Balama. (De 23:4, 5; Js 24:9, 10) Tezitra i Abisay rehefa nanozona an’i Davida i Simey. Saika “hanapaka” ny lohan’i Simey izy, nefa tsy navelan’i Davida satria fantatr’i Davida fa i Jehovah ihany no afaka mampanan-kery ny ozona. Hoy i Davida: “Avelao izy! Aleo izy hanozona, satria i Jehovah no niteny izany taminy. Angamba hijery ny mason’i Jehovah, dia hanao soa amiko indray i Jehovah, ka tsy hampanan-kery izao ozon’i Simey androany izao.” (2Sa 16:5-12; ampit. Sl 109:17, 18, 28.) Raran’ny Tenin’Andriamanitra ny manozona ray aman-dreny (Ek 21:17; Le 20:9; Oh 20:20), manozona an’Andriamanitra (Ek 22:28; Le 24:11, 14, 15, 23), na manozona mpanjaka. (Mpto 10:20) Melohiny koa ireo mirary soa amin’ny vavany, nefa ‘manozona ao am-pony.’​—Sl 62:4.

Mpitondra tenin’Andriamanitra i Kristy Jesosy, ka nozoniny ireo mpitondra fivavahana sy Fariseo satria ninia nanohitra ny fikasan’Andriamanitra. (Mt 23:13-33) Azo inoana fa ‘nanozona’ an’i Ananiasy sy Safira ny apostoly Petera satria namitaka an’Andriamanitra izy ireo, ka maty tsy tra-drano. (As 5:1-11) Mitovitovy amin’izany no nataon’ny apostoly Paoly tamin’i Elyma, izay sady mpaminany sandoka no mpilalao ody. Nantsoin’i Paoly hoe “zanaky ny Devoly” sy “fahavalon’ny fahamarinana rehetra” izy, ary lasa jamba nandritra ny fotoana kelikely. (As 13:6-12) Nahasoa an’izay nanatrika teo ireny zava-nitranga ireny. Izao anefa: Tsy hoe satria nanana fahefana toy izany ireo apostoly dia afaka nanozona olona koa izay te hanozona. Nampitandrina an’ireo Kristianina i Jakoba mba tsy hampiasa ny lelany hanozonana olona.​—Jk 3:9-12; ampitahao Sl 109:17, 18 sy Kl 3:8-10.

Voalazan’ny tantara fa nandritra ireo taonjato maro taorian’ny andron’ny apostoly, dia nisy fivavahana maro namoaka didy ka nanambara olona sy tanàna ary firenena ho “voaozona ho anatema” sy voasazin’ny eglizy. Tsy ny herin’Andriamanitra mihitsy anefa no nampanan-kery an’ireny ozona ireny, fa ny fahefan’ny eglizy teto an-tany, na ny fahefan’ny fitondram-panjakana. Isika kosa asaina hiandry an’i Jehovah satria “izay tahin’Andriamanitra no handova ny tany, fa izay hozoniny kosa ho ringana.” (Sl 37:3-9, 22) Izany “fandringanana” izany dia anisan’ilay ozona nolazain’i Jesosy fa hanjo an’ireo olona toy ny “osy”, ao amin’ilay fanoharana sady faminaniana, ao amin’ny Matio 25:31-46. Miresaka momba ny hanozonana ny mpanota ilay faminaniana momba ny “lanitra vaovao sy tany vaovao.”​—Is 65:17, 20.