Ozy
(Òzy) [fanafohezana ny hoe Ozia].
1. Zanakalahin’i Tola na taranany avy tamin’ny fokon’i Isakara. Lasa lohan’ny fianakaviambe i Ozy sy ny taranany vitsivitsy.—1Ta 7:1-3.
2. Taranak’i Benjamina avy tamin’i Bela, ary loham-pianakaviana tao amin’ilay foko.—1Ta 7:6, 7.
3. Taranak’i Arona avy tamin’i Eleazara ao amin’ny tetirazan’ny mpisoronabe. Zafiafin’i Finehasa angamba izy, ary razamben’i Ezra mpanoratra Baiboly.—1Ta 6:3-6, 51; Ezr 7:1-5.
4. Benjamita. Nonina tao Jerosalema ny zanany lahy na ny taranany, taorian’ny sesitany.—1Ta 9:3, 7-9.
5. Taranak’i Asafa, ary mpiandraikitra an’ireo Levita tao Jerosalema, taorian’ny sesitany.—Ne 11:22.
6. Mpisorona lohan’ny fianakaviamben-dry Jedaia, tamin’ny andron’i Joiakima mpandimby an’i Jesoa Mpisoronabe. (Ne 12:1, 12, 19) Mety ho izy ihany ilay No. 7.
7. Mpisorona niaraka tamin’i Nehemia tao an-tempoly, rehefa notokanana ny mandan’i Jerosalema voaorina indray. (Ne 12:27, 40-42) Mety ho izy ihany ilay No. 6.