Pahata-moaba
(Pahàta-môàba) [Governoran’i Moaba].
Razamben’ny fianakaviana iray tany Israely. Raha manam-pahefana nifehy an’i Moaba izy, araka ny anarany, dia mety ho tamin’ny fotoana nifehezan’i Joda an’i Moaba izany. Tsy tena fantatra anefa raha manam-pahefana izy, satria tsy resahin’ny Baiboly ny mombamomba azy.
Velona taorian’ny sesitany daholo ny taranak’i Pahata-moaba noresahin’i Ezra sy Nehemia. Fianakaviana faharoa maro an’isa indrindra niara-nody tamin’i Zerobabela (537 T.K.) ny sasany. (Ezr 2:1, 2, 6; Ne 7:11) Niara-niverina tamin’i Ezra (468 T.K.) ny hafa. Efa nisy nanambady vehivavy hafa firenena anefa tamin’izay ireo nody voalohany (na ny taranany). Noroahiny anefa ny vadiny, araka ny anatr’i Ezra. (Ezr 8:1, 4; 10:30, 44) Nanampy an’i Nehemia hanamboatra ny simba tamin’ny mandan’i Jerosalema i Hasoba havan’i Pahata-moaba. Nanisy tombo-kase ny fifanekena tsy hivadika amin’i Jehovah ny taranak’i Pahata-moaba na ny solontenany, taoriana kelin’izay.—Ne 3:11; 9:38; 10:1, 14.