Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Palega

Palega

(Palèga) [Fizarana].

Zanakalahin’i Ebera ary rain’i Reo. Taranak’i Sema izy sady razamben’i Abrahama, ka lasa razamben’i Jesosy koa. Velona 239 taona i Palega (2269-2030 T.K.) ary izy no nipoiran’ny iray tamin’ireo fianakaviana 70 velona taorian’ny Safodrano.​—Ge 11:16-19; 1Ta 1:24-27; Lk 3:35.

Nantsoina hoe Palega izy, satria “tamin’ny androny no voazarazara ny tany.” (Ge 10:25; 1Ta 1:19) Oviana no nanjary voazarazara ny tany? Tamin’i Palega vao teraka ve, izany hoe zato taona taorian’ny Safodrano? Tsy voalaza izany, fa nolazaina fotsiny hoe “tamin’ny androny.” Raha tamin’izy vao teraka no nomena an’io anarana io, dia nety ho faminaniana ilay anarana, ary nilaza mialoha fa haparitaka ireo olona nanorina ny Tilikambon’i Babela satria hatao misafotofoto ny fitenin’izy ireo.​—Ge 11:1-9; ampitahao amin’ny anaran’i Noa (mety hidika hoe “Fitsaharana; Fampiononana”) izay hita koa hoe faminaniana, Ge 5:29.