Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Palestina

Palestina

Ilay tany any amin’ny sisiny atsinanan’ny Ranomasina Mediterane, izay nonenan’ny firenen’Israely fahiny. Avy amin’ny teny latinina hoe Palaestina sy teny grika hoe Palaistine ny hoe Palestina. Ilay teny grika kosa avy amin’ny teny hebreo hoe Peleshet. Ao amin’ny Soratra Hebreo, dia tsy manondro afa-tsy ny faritra amoron-tsiraka nonenan’ny Filistinina ny hoe Peleshet (nadika hoe “Filistia”). (Ek 15:14; Sl 60:8; 83:7; 87:4; 108:9; Is 14:29, 31; Jl 3:4) Nampiasa an’ireo teny grika sy latinina ireo kosa i Hérodote (taonjato fahadimy T.K.) sy ny mpanoratra hafa (Philon, Ovide, Pline, Josèphe, ary Jérôme) mba hilazana ilay faritra manontolo nantsoina fahiny hoe “ny tany Kanana” na “ny tanin’ny Israely.” (No 34:2; 1Sa 13:19) Nampanantena i Jehovah fa hanome an’io tany io an’i Abrahama sy ny taranany. (Ge 15:18; De 9:27, 28) Mety tsara àry ny nilazana azy io hoe Tany Nampanantenaina na “tany voalazan’ny fampanantenana.” (He 11:9) Matetika izy io no nantsoina hoe Tany Masina, nanomboka tany amin’ny taona 500 tany ho any.

Azo lazaina hoe i Palestina no mampifandray ny kontinantan’i Eoropa sy Azia ary Afrika. Toy ny hoe teo afovoan’ny faribolana iray àry izy io, ka teny amin’ny sisin’ilay faribolana ireo fanjakana natanjaka fahiny (Ejipta, Asyria, Babylona, Persa, Gresy, ary Roma). (Ezk 5:5) Tany efitra lehibe no any atsinanana sy atsimon’i Palestina, ary ny Ranomasina Lehibe na Ranomasina Mediterane no any andrefany. Eo anelanelan’ny reniranon’i Neily sy Eofrata i Palestina, ka lasa lalana fivezivezen’ny entam-barotr’ireo firenena samihafa. Eo amin’ilay faritra lonaka miendrika volan-tsinana, antsoina hoe Croissant fertile, no misy an’i Palestina. Tena mahaliana àry izy io noho ny harenany voajanahary sy ny zavatra maro mampiavaka azy.

Faritra ankapobe no atao hoe “Palestina” ankehitriny, fa tsy misy sisin-tany mazava. Azo faritana toy izao anefa izy io na izany aza: Azo eritreretina hoe misy tsipika mamaritra azy any atsimo mampitohy ny tendrony atsimo amin’ny Ranomasina Maty sy ny zorony atsimoatsinanana amin’ny Ranomasina Mediterane. Azo eritreretina koa hoe misy tsipika any avaratra: Manomboka eo amin’ny tehezany atsimo amin’ny Tendrombohitra Hermona hatrany akaikin’ny tanànan’i Tyro. Tokotokony ho 240 km ny halavan’io faritra io hatrany avaratra ka hatrany atsimo, izany hoe “hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.” (1Sa 3:20; 2Sa 3:10) Manomboka eo amin’ny Ranomasina Mediterane i Palestina, any andrefana, ary tonga hatrany amin’ny Tany Efitr’i Arabia any atsinanana. Tokotokony ho 25 500 km2 ny velaran-tanin’i Palestina, izany hoe mitovitovy habe amin’ny faritr’i Sava any avaratratsinanan’i Madagasikara.

Jeografia. (SARINTANY, Boky 1, p. 333) Azo zaraina efatra manaraka ny halavany (avy any avaratra no mianatsimo) i Palestina.

Voalohany: Misy lemaka lavalava manaraka ny morontsiraka. Tena lonaka izy io, nefa vitsy ihany ny toerana azo atao seranana voajanahary any. Mitsivalana manapaka an’io lemaka io ho roa ny ilan’ny tandavan-tendrombohitra mijoalajoalan’i Karmela, izay mandroso mankao amin’ny ranomasina. Tany Lemak’i Asera na Fenisia no niantsoana ny tapany avaratra. Ny Lemak’i Sarôna sy ny Lemak’i Filistia kosa no teo amin’ny tapany atsimo. Ahitana dongom-pasika maromaro manamorona ny ranomasina, eo amin’io tapany atsimo io. Mihamivelatra ny Lemak’i Filistia any amin’ny ilany atsimo.

Faharoa: Misy tandavan-tendrombohitra avy any avaratra hatrany atsimo mifanila amin’ilay lemaka amoron-tsiraka, ka toy ny hazondamosin’ilay tany. Ireo tendrombohitr’i Naftaly (nantsoina koa hoe Havoanan’i Galilia) no tany avaratra. Tohin’ny Tandavan-tendrombohitra Libanona sy Amana izy ireo. Mampahalaza an’i Libanona sy Amana ny hazo sedera sy ny Tendrombohitra Hermona mijoalajoala, izay mirefy 2814 m. Avo ireo tendrombohitra any avaratr’i Palestina, satria mahatratra 1208 m (Hara Merona, any Galilia Ambony) ka hatramin’ny 562 m (Tendrombohitra Tabara, izay nalaza tamin’ny andron’i Baraka). (Mpts 4:12) Misy lemaka lehibe eo atsimon’ny Tendrombohitra Tabara. Mitsivalana avy any andrefana mankany atsinanan’i Palestina izy io, ka manasaraka an’ireo tendrombohitra any avaratra sy ny any atsimo. Teo amin’io lohasaha io no nisian’ny ady maro nanan-tantara. Ny “lemaka ivan’i Jezirela” no ilany atsinanan’ilay lohasaha, ary ny “lemak’i Megido” no ilany andrefana.​—Js 17:16; 2Ta 35:22.

Eo amin’ny lohasahan’i Megido no mivarina ny riakan’i Kisona, ary eo andrefana sy avaratr’io lohasaha io no misy ny Tandavan-tendrombohitra Karmela, izay manomboka any amoron-tsiraka ary mianatsimoatsinanana hatrany amin’ireo tendrombohitr’i Efraima na Samaria. Anisan’ireo tendrombohitr’i Samaria ireo i Gerizima sy Ebala (900 m mahery), izay samy fanta-daza. (De 11:29) Mianatsimo ihany ilay tandavan-tendrombohitra ka lasa nantsoina hoe ny “faritra be tendrombohitr’i Joda.” Be lembalemba sy havoana dombodombo sy tsy mideza mantsy any, na dia misy mahatratra 600 m ka hatramin’ny 1000 m mahery ihany aza ny tendrony sasany. (2Ta 27:4; Lk 1:39) Any amin’iny faritra iny no misy ny tanànan’i Jerosalema sy Betlehema ary Hebrona.

Mitohy mianatsimo ny tandavan-tendrombohitr’i Jodia ka mitambatra amin’ny faritr’i Negeba (anarana heverina fa avy amin’ny fototeny midika hoe “karakaina”). Anisan’ny faritra atsimon’i Palestina i Negeba, ary tonga hatrany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Ejipta. Eo amin’ny sisiny avaratr’i Negeba ny tanànan’i Beri-sheba, izay toerana lonaka sy maitso any an-tany efitra. I Kadesi-barnea kosa no eo amin’ny sisiny atsimo.​—Ge 12:9; 20:1; 22:19.

Raha avy any andrefana ny olona iray no mankany amin’ny tandavan-tendrombohitr’i Joda, dia tonga eo amin’ilay faritra be havoana antsoina hoe Sefela. Misy lohasaha kely maromaro mamakivaky an’i Sefela avy any andrefana miantsinanana, ka ireny no mampitohy ny lemaka amoron-tsiraka sy ireo faritra avo. (Js 9:1) Be kijana ireny havoana ireny ka mety tsara ho an’ny omby aman’ondry. Ampy tsara koa ny rano noho ireo loharano eny amin’ireo lohasaha.

Fahatelo: Misy an’i Araba. (De 11:30) izay ampahany amin’ilay Lohasaha Mitsefaka lehibe. Lalina izy io ary mizara an’i Palestina ho roa manaraka ny halavany. Any Syria any avaratra izy io no manomboka, ary mianatsimo hatrany amin’ny Hoalan’i ʽAkaba, any amin’ny Ranomasina Mena. Vao mainka mampiavaka an’io lohasaha io ireo tandavan-tendrombohitra sy hantsana eny amin’ny andaniny roa amin’izy io.

Toy izao ilay lohasaha raha avy any avaratra no mianatsimo: Miainga avy eo am-pototry ny Tendrombohitra Hermona izy io ary midina tampoka mankany amin’ny Debok’i Hola. Any amin’io deboka io no misy ny loharanon’i Jordana. Farihy kely io loharano io taloha. Avo toerana ny Debok’i Hola raha oharina amin’ny Ranomasin’i Galilia izay any amin’ny 270 m mahery any ambany any. Tsy mifanalavitra anefa izy ireo fa 16 km eo ho eo fotsiny ny elanelany. Mikoriana mafy àry i Jordana rehefa mivarina ao amin’ny Ranomasin’i Galilia, izay tokotokony ho 210 m ambanin’ny haabon’ny ranomasina. Ny Lohasahan’i Jordana mihitsy no Lohasaha Mitsefaka eo anelanelan’i Galilia sy ny Ranomasina Maty, ary antsoin’ny Arabo hoe Ghor (“lempona”) izy io. Mahatratra 19 km ny sakan’io “hadilanana” io indraindray. Iva kokoa noho ilay lohasaha ny toerana ikorianan’i Jordana satria any amin’ny 45 m any ambany kokoa izy io no mikoriana. Miolikolika moramora izy io mankao amin’ny Ranomasina Maty izay latsaka ambany, eo amin’ny 180 m eo ho eo. (SARY, Boky 1, p. 334) Izany no mahatonga ny Ranomasina Maty ho ny toerana iva indrindra eto an-tany, tokotokony ho 400 m ambanin’ny haabon’ny Ranomasina Mediterane.

SARITANY: Palestina Rehefa Firaina

Araba no iantsoana ny Lohasaha Mitsefaka, manomboka eo amin’ny Ranomasina Maty mianatsimo hatrany amin’ny Hoalan’i ʽAkaba (160 km). (De 2:8) Eny antenatenan’io 160 km io no misy ny faritra avo indrindra amin’ilay lohasaha (200 m eo ho eo ambonin’ny haabon’ny ranomasina).

Fahefatra: Misy havoana sy lembalemba eo amin’ny ilany atsinanan’ilay lohasaha mitsefaka manamorona an’i Jordana. (De 2:36, 37; 3:8-10) Any avaratra, dia azo volena ireo lembalemba sy havoana ireo hatrany amin’ny 100 km eo ho eo any atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia. Somary mihatery kosa io faritra io any atsimo, satria 40 km eo ho eo monja ny sakany. Lasa tany efitra sy lemaka ngazana midadasika izy io avy eo, ary mitambatra amin’ny Tany Efitr’i Arabia. Basana no niantsoana an’ilay faritra midadasika kokoa any avaratra any ambonin’i Ramota-gileada, ary 600 m eo ho eo ny haavony. Gileada kosa ilay faritra toy ny dongona lehibe any atsimon’i Basana, ary mahatratra 1000 m ny haavony. Eo amin’ilay lembalemba eo atsimon’i Gileada no misy ny Tendrombohitra Nebo, izay mahatratra 800 m mahery. Eo avaratry ny lohasaha falehan-driakan’i Arnona io lembalemba io. An’ny Amonita io faritr’i Gileada io taloha, ary ny lohasaha falehan-driakan’i Arnona no sisin-tany atsimo nanasaraka azy io tamin’ny tany Moaba.​—Js 13:24, 25; Mpts 11:12-28.

Anaran-tany. Maro amin’ireny tanàna sy tendrombohitra ary lohasaha ireny no tsy antsoina intsony amin’ny anarany hebreo fahiny. Anisan’ny nahatonga izany ny hoe lasan’ny Arabo i Palestina nanomboka tamin’ny taona 638. Azo fantarina tsara ihany anefa indraindray ny toerana sasany fahiny sy ny toerana nisy zava-nitranga lehibe sasany. Amin’ireo fiteny mbola ampiasaina ankehitriny mantsy, dia ny teny arabo no mifanakaiky indrindra amin’ny teny hebreo.

Asehon’ny pejy manaraka ny tabilao misy ny teny arabo sy teny hebreo sasany, izay manampy hamantarana ny toerana sasany mety ho nisy an’ireo toerana resahin’ny Baiboly.

Toetrandro. Isan-karazany ny toetrandro any Palestina, arakaraka ny haavon’ny toerana. Iva indrindra, ohatra, ny Ranomasina Maty, ary avo be ny Tendrombohitra Hermona, ka mahatonga toetrandro isan-karazany izany. Tokotokony ho 160 km monja ny elanelan’ireo toerana ireo nefa misy toetrandro samihafa toy ireo hita manomboka any amin’ny Tropika ka hatrany amin’ny Tendrontany, izay toerana mifanalavitra be. Matetika no misy lanezy saika mandavantaona eny amin’ny Tendrombohitra Hermona, fa mahatratra 50° C kosa ny hafanana eny amin’ny Ranomasina Maty. Mihena izany hafanana izany eny amin’ilay tandavan-tendrombohitra eo afovoan-tany noho ny tsio-drivotra avy any amin’ny Ranomasina Mediterane. Mahalana ihany àry vao mihoatra ny 32° C ny hafanana any Jerosalema, ary tsy dia ahitana hatsiaka mamirifiry any. Manodidididina ny 10° C ny mari-pana rehefa Janoary, ary tsy dia ahitana lanezy any.​—Ampit. 2Sa 23:20.

Miovaova be koa ny rotsakorana any Palestina. Tokotokony ho 38 sm ny rotsakorana isan-taona any amoron-tsiraka, fa avo roa heny noho izany kosa ny any amin’ny toerana avo kokoa any amin’ny Tendrombohitra Karmela, sy ny any amin’ny tandavan-tendrombohitra afovoan-tany, ary ny any amin’ireo toerana avo any atsinanan’i Jordana. Toetrandron’ny tany efitra kosa no hita any Negeba, sy any amin’ny faritra iva amin’ny Lohasahan’i Jordana, ary any amin’ny Ranomasina Maty (5-10 sm ny rotsakorana any isan-taona). Amin’ny ririnina no tena avy ny orana, izany hoe amin’ny Desambra sy Janoary ary Febroary. Manomboka amin’ny Jona ka hatramin’ny Oktobra ny vanin-taona mafana, ka ny 6 na 7 isan-jaton’ny orana monja no mirotsaka amin’izay. Maina be ny tany aorian’ny vanim-potoana mafana, ka ny orana madinika izay latsaka “aloha” (na oram-pararano amin’ny Oktobra-Novambra) no ahafahana miasa tany sy mamafy voa amin’ny ririnina. Amin’ny Martsa sy Aprily kosa no avy ny orana “aoriana” (na oran-dohataona).​—De 11:14; Jl 2:23; Za 10:1; Jk 5:7.

Anisan’ny tombony ananan’i Palestina ny habetsahan’ny ando. Tena ilaina izany, indrindra fa amin’ny vanin-taona mafana tsy isian’ny orana. Ho ringitra kely mantsy ny voaloboka, raha tsy izany, ary tsy hisy ny ahitra ho an’ny biby fiompy. (Hg 1:10; Za 8:12) Ny tsio-drivotra feno hamandoana avy any amin’ny Ranomasina Mediterane sy avy any amin’ny Tendrombohitra Hermona no tena mitondra ando eran’i Palestina. (Sl 133:3) Betsaka ny ando mirotsaka amin’ny alina any amin’ny toerana sasany, ka voaonitra ihany ny rano verin’ny zavamaniry tamin’ny hafanam-be tamin’ny antoandro. (Ampit. Jb 29:19.) Tena ilaina any Negeba sy any amin’ireo toerana avo any Gileada ny ando, satria kely dia kely ny rotsakorana any.​—Jereo ANDO.

Zavamaniry sy Biby. Kely ny velaran-taninin’i Palestina, nefa tena be dia be ny karazan-kazo lehibe sy madinika ary karazan-javamaniry hita any. Tena mahavariana an’ireo manam-pahaizana izany, ka nilaza ny iray taminy fa 2600 eo ho eo ny karazan-javamaniry any. Maro karazana ny zavamaniry any satria samihafa be ny haavon’ny toerana sy ny toetrandro ary ny karazan-tany any. Misy zavamaniry fahita any amin’ny toerana mangatsiaka be, any amin’ny tany efitra ngazana, eny amin’ny lemaka be antsanga na eny amin’ny lembalemba be vato. Samy mamelana sy mamoa amin’ny fotoanany avy izy ireny. Azo lazaina hoe maniry mifanakaiky ny palmie fahita any amin’ny tany mafana sy ny oaka ary ny hazo kesika fahita any amin’ny tany mangatsiaka. Misy hazomalahelo maniry eny amoron-drano, ary misy hazo tamariska any an-tany efitra. Mampahalaza an’i Palestina ny voly voaloboka, oliva, aviavy, varimbazaha, orza, ary ampemby. Maniry tsara any koa ny pitipoà, tsaramaso, lantihy, baranjely, tongolobe, kôkômbra, landihazo, ary rongony. Matetika no diso fanantenana ny mpizaha tany mitsidika an’i Palestina ankehitriny, satria havoana be vato sy ngazana ary karakaina no hitany, saika mandavantaona. Raha amin’ny lohataona kosa izy no mankany, dia mamelana daholo ny voninkazo any ambanivohitra. Natevina kokoa ny ala tany amin’ny faritra sasany tany taloha, ary nandrobona toy ny “zaridainan’i Jehovah”, dia zaridaina kanto “tondra-dronono sy tantely”, izay mahate honina sy mahate hizaha.​—Ge 13:10; Ek 3:8; No 13:23, 24; De 8:7-9.

Toy ny valan-javaboary be karazam-biby sy vorona ary hazandrano i Palestina, ary maro kokoa izany taloha noho ny ankehitriny. Tsy ahitana liona, orsa, ombidia, ary hipopotama intsony any, saingy mbola ahitana amboadia, lambo, sakadia, alikadia, bitrodia, ary karazana fosa. Fahita any ny biby fiompy toy ny ondry, osy, ombivavy, soavaly, ampondra, ary rameva. Voalaza fa misy karazam-biby mampinono 85 eo ho eo, karazam-borona 350 eo ho eo, ary karazam-biby mandady 75 eo ho eo any Israely ankehitriny.

Harena voajanahary. Azon-drano tsara i Palestina, ka be sakafo any. Manankarena vy sy varahina koa ny tendrombohitra any. (De 8:9) Tsy maintsy nohafarana ny volamena, volafotsy, firapotsy, ary firamainty, fa ny sira kosa nisy betsaka tany. Be tanimanga koa any amin’ny Lohasahan’i Jordana, ka azo anaovana biriky sy taozavatra hafa, ary azo ampiasaina ao amin’ny indostria fandrendrehana metaly. (1Mp 7:46) Misy fitrandrahana vatosokay tena tsara amin’ny fanamboarana trano koa any. Ahitana vatovy (bazalta) koa any, ary ilay karazany tena mafy sady madinika kely ireo mineraly samihafa ao aminy.