Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Palo

Palo

(Pàlo) [fanafohezana ny hoe Pelaia, izay midika hoe “Nanao Zava-mahagaga i Jah”].

Iray amin’ireo zanakalahin’i Robena lahimatoan’i Jakoba, ary ny anarany no voatonona faharoa. (Ge 46:9; 1Ta 5:3) I Palo no razamben’ny fianakaviamben’ny Paloita avy amin’ny fokon’i Robena. (Ek 6:14; No 26:5) Mety ho izy ihany ilay zanakalahin’i Robena antsoina hoe Peleta ao amin’ny Nomery 16:1.