Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Paltiela

Paltiela

(Paltièla) [Mpanafaka Ahy Andriamanitra].

1. Solontenan’ny fokon’i Isakara rehefa nozaraina ho lovan’ny Israelita ny Tany Nampanantenaina. Zanakalahin’i Azana i Paltiela.​—No 34:17, 18, 26.

2. Zanakalahin’i Laisy avy any Galima. Nomen’i Saoly ho vadin’i Palty (Paltiela) i Mikala, vadin’i Davida, taorian’ny nanaovany an’i Davida ho fahavalom-pirenena. (1Sa 25:44) Rehefa lasa mpanjaka i Davida, dia nangataka tamin’i Abnera sy Isboseta mba haverina taminy i Mikala. Nalahelo be i Paltiela ka nitomany sady nanaraka an’i Mikala. Tsy niverina izy raha tsy notenenin’i Abnera hoe: “Mandehana miverina!”​—2Sa 3:13-16.