Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Pamfylia

Pamfylia

(Pamfylìa).

Faritany romanina. Kely ihany io faritany teo amin’ny morontsiraka atsimon’i Azia Minora io. Tany i Paoly tamin’ny dia misionera voalohany nataony. Niovaova ny haben’ilay faritany nandritra ny taona maro. Voalaza foana anefa hoe tany lavalava teo amin’ny morontsiraka i Pamfylia: Tokotokony ho 120 km ny lavany ary 50 km ny sakany. Ny faritanin’i Lykia no teo andrefany, i Galatia (faritany romanina) kosa no teo avaratra, ary ny Fanjakan’i Antiokosa no teo atsinanana. Mafana ny toetanin’i Pamfylia eny amoron-tsiraka, fa antonony kosa izany eny amin’ny toerana avo arakaraka ny hirosoana mankany amin’ny Tendrombohitra Taurus.

Voalaza fa taranaky ny Grika sy ny teratany tao Pamfylia ny mponina tao. Misy aza milaza fa midika hoe “fifangaroan’ny foko na firazanana” ny hoe Pamfylia. (Rakibolana Grika-Anglisy nataon’i Liddell sy Scott, nohavaozin’i H. Jones, Oxford, 1968, p. 1295) Azo inoana hoe nisy Jiosy na olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy tany Pamfylia, matoa nisy olona avy any tonga tao Jerosalema tamin’ny Pentekosta taona 33. Gaga izy ireo rehefa nandre an’ireo mpianatra niteny “tamin’ny fiteniny.”​—As 2:6, 10.

Maromaro ny tanàna lehibe teny amoron-tsiraka na teny akaiky teny, anisan’ireny i Atalia, i Perga teo amoron’ny Reniranon’i Cestrus (Akso), ary Side. Tany ireo jiolahin-tsambo no nivarotra an’ireo zavatra nangalariny, ary tany koa ny tsenan’andevo. Avy tao Pafo, any Sipra, i Paoly sy Barnabasy ary Jaona Marka no nandeha sambo nianavaratrandrefana niampita ranomasina “ka tonga tany Perga any Pamfylia.” Tsy voalaza raha nijanona tao Atalia izy ireo ary nandeha an-tanety kilaometatra vitsivitsy nankany Perga, na tonga dia nandeha sambo hatrany Perga. Voalaza fa azon’ny sambo nandehanana taloha ny Reniranon’i Cestrus, hatrany Perga. Tao Perga i Jaona Marka no nandao an’i Paoly sy Barnabasy, ka niverina tany Jerosalema. I Paoly sy Barnabasy kosa nanohy ny diany nianavaratra, namakivaky an’ireo tendrombohitra mba ho any Antiokia any Pisidia (tao amin’ny faritanin’i Galatia). (As 13:13, 14; 15:38; 27:5) Nalaza ratsy ho be jiolahy io lalana io. (Ampit. 2Ko 11:26.) Rehefa niverina ireo Kristianina roa ireo, dia namakivaky an’i Pamfylia ka tonga tany Perga, ary nitory tany. Nankany amin’ny seranan’i Atalia izy ireo avy eo, ary nandray sambo nankany Antiokia any Syria.​—As 14:24-26.

Nandritra ny taona maro dia nifandimby nifehy an’i Pamfylia i Lydia, Persa, Makedonia, ary Roma. Natambatra tamin’ny faritany hafa i Pamfylia indraindray teo ambanin’ny fitondrana romanina: Nakambana tamin’i Kilikia (tany atsinanana) izy aloha, avy eo tamin’i Galatia, ary tatỳ aoriana tamin’i Lykia.​—As 13:13; 16:6; 27:5.