Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Paolo

Paolo

(Paolô) [avy amin’ny teny lat., ary midika hoe “Kely”].

Governoram-paritr’i Sipra, rehefa tonga tao i Paoly tamin’ny diany misionera voalohany (taona t. 47). Marina ny nilazan’i Lioka hoe governoram-paritra izy, satria nofehezin’ny Antenimieran-doholona Romanina i Sipra tamin’izay (As 13:7, 12) fa tsy nofehezin’ny mpanjaka intsony, araka ny fanovana nataon’i Aogosto (taona 22 T.K.).​—Jereo GOVERNORAM-PARITRA.

Hita tao Soli, eny amoron-tsiraka avaratry ny nosy Sipra, ny soratra hoe “fony governoram-paritra i Paolo.” Nisy hoe Losio Sergio Paolo koa niandraikitra ny renirano Tibre tany Roma, tamin’ny andron’i Klaodio Kaisara. Tsy fantatra anefa raha ny iray tamin’ireo ilay Sergio Paolo resahin’ny Baiboly na tsia.​—Gazetin’ny Sekoly Anglisy any Atena Mivoaka Isan-taona, Londres, 1947, p. 201-206.

Nipetraka tao Pafo, teo amoron-tsiraka andrefan’i Sipra i Sergio Paolo. “Lehilahy nahira-tsaina” izy, ary nampiantso an’i Barnabasy sy Paoly satria naniry mafy handre ny tenin’Andriamanitra. Tonga izy roa lahy saingy “nanohitra azy” i Elyma (Barjesosy), Jiosy mpilalao ody, “ka nitady hisakana an’ilay governoram-paritra tsy hanaiky ny finoana.” Feno ny fanahy masina anefa i Paoly, ka nilaza tamin’io mpanohitra io fa ho jamba vetivety izy. Izany tokoa no nitranga. Lasa mpino ilay governora rehefa nahita ny fiasan’ny fanahin’Andriamanitra, “satria talanjona tamin’ny fampianaran’i Jehovah.”​—As 13:6-12.