Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Paoly

Paoly

[Kely].

Israelita avy tamin’ny fokon’i Benjamina, ary apostolin’i Jesosy Kristy. (Ef 1:1; Fi 3:5) Mbola kely angamba izy dia efa nitondra ny anarana hebreo hoe Saoly sy ny anarana romanina hoe Paoly. (As 9:17; 2Pe 3:15) Toa naleony anefa nampiasa ny anarany romanina, noho izy nirahina hitory ny vaovao tsara tamin’ny tsy Jiosy.​—As 9:15; Ga 2:7, 8.

Teraka tany Tarsosy, tanàn-dehibe tany Kilikia, i Paoly. (As 21:39; 22:3) Hebreo ny ray aman-dreniny sady anisan’ilay sampana tamin’ny Fivavahana Jiosy hoe Fariseo. (As 23:6; Fi 3:5) Vao teraka izy dia efa nanana ny zom-pirenena romanina (As 22:28), satria nomena izany angamba ny rainy ho fankasitrahana ny soa nataon’izy io. Mety ho nampianatra azy hanao tranolay ny rainy. (As 18:3) Nanan-katao anefa ny fianakaviany matoa izy nampianarin’i Gamaliela, Fariseo avara-pianarana, tany Jerosalema. (As 22:3; 5:34) Nahay teny grika sy hebreo izy, fara fahakeliny. (As 21:37-40) Tsy nanambady izy tamin’izy nanao dia misionera. (1Ko 7:8) Nipetraka tany Jerosalema tamin’izay na talohan’izay ny anabaviny sy ny zanak’izy io.​—As 23:16-22.

I Paoly no nanoratra boky na taratasy be indrindra ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Nahazo fahitana mahagaga izy (2Ko 12:1-5), ary nampian’ny fanahy masina hahay fiteny maro.​—1Ko 14:18.

Nanenjika, niova finoana, ary nanomboka nanompo. Ny fitantarana ny nitoraham-bato an’i Stefana mpianatr’i Kristy no miresaka voalohany an’i Saoly na Paoly. Teo an-tongotr’io “tovolahy” io no nametrahan’ny vavolombelona mandainga ny fitafiany ivelany. (As 6:13; 7:58) Nankasitrahan’i Paoly ny namonoana an’i Stefana. Fatra-panaja ny fomban-drazana koa i Paoly, ka nenjehiny mafy ny Kristianina. Nanaiky ny hamonoana azy ireny ho faty izy, rehefa natao ny latsa-bato. Notereny handa ny finoany ireo notsaraina tany amin’ny synagoga. Nenjehiny koa ny Kristianina tany amin’ny tanàna ivelan’i Jerosalema. Nangataka taratasy fahazoan-dalana tamin’ny mpisoronabe mihitsy izy, mba hitondrany azy ireo mifatotra any Jerosalema hotsarain’ny Fitsarana Avo Jiosy angamba. Nataony haza lambo hatrany Damaskosy any Syria, any avaratra àry izy ireo.​—As 8:1, 3; 9:1, 2; 26:10, 11; Ga 1:13, 14.

Niseho tamin’i Paoly tao anaty hazavana nanjelanjelatra i Kristy Jesosy, rehefa ho tonga tao Damaskosy izy. Nanendry azy ho mpanompo sy ho vavolombelona hanambara ny zavatra efa hitany sy mbola ho hitany i Jesosy. Lavo tamin’ny tany sy nandre olona niteny i Paoly sy ny namany, saingy izy irery no nahazo an’ilay teny sy lasa jamba, ka notantanana ho any Damaskosy. (As 9:3-8; 22:6-11; 26:12-18) Tsy nihinana na nisotro izy nandritra ny telo andro. Raha mbola nivavaka tao an-tranon’i Jodasy tao Damaskosy izy, dia hitany tao amin’ny fahitana i Ananiasy, mpianatr’i Kristy, niditra sy nampahiratra azy. Natao batisa izy rehefa tanteraka ilay fahitana, nahazo fanahy masina, nisakafo, ary nihanatanjaka.​—As 9:9-19.

Niaraka elaela tamin’ny mpianatra tany Damaskosy i Paoly, ary nanomboka nitory “avy hatrany” tao amin’ny synagoga tany, araka ny Asan’ny Apostoly 9:20-25. Voatantara ao fa nitory tany izy, saingy voatery niala tany tatỳ aoriana satria nisy nifofo ny ainy. Nanoratra ho an’ny Galatianina anefa izy fa nankany Arabia aloha rehefa lasa Kristianina, vao niverina tany Damaskosy. (Ga 1:15-17) Tsy fantatra hoe oviana marina izy no nankany Arabia.

Vao lasa Kristianina i Paoly, dia mety ho nankany Arabia mba hisaintsaina an’izay tian’Andriamanitra hataony. Raha izany no izy, inona no tian’i Lioka holazaina amin’ny hoe “avy hatrany”? Te hilaza izy fa nitory avy hatrany i Paoly raha vao tafaverina tao Damaskosy sy nifanerasera tamin’ny mpianatra tao. Ny Galatianina 1:17 kosa manasongadina fa tsy tonga dia niakatra tany Jerosalema izy, fa nankany Arabia, izay hany toerana ivelan’i Damaskosy nalehany tamin’izay. Tsy voatery ho nankany Arabia àry izy raha vao lasa Kristianina. Mety ho nijanona andro vitsivitsy tao Damaskosy izy, ary nitory an’i Kristy tao amin’ny synagoga mba ho hitan’ny rehetra fa tsy mpanohitra intsony izy. Mety ho nankany Arabia izy avy eo (tsy voalaza ny antony), ary niverina nitory indray tao Damaskosy. Nafana fo erỳ izy, ka nifofo ny ainy ny mpanohitra. Mifameno àry ireo tantara roa ireo fa tsy mifanohitra, saingy tsy fantatra fotsiny ny filaharan’ireo zava-nitranga satria tsy noresahina.

Tsy nino ny rahalahy tany Jerosalema hoe lasa mpianatr’i Jesosy i Paoly, rehefa tonga tany izy (angamba tamin’ny taona 36; mety ho “telo taona” latsaka kely ilay resahin’ny Galatianina 1:18). “Nanampy azy [anefa] i Barnabasy ary nitondra azy tany amin’ny apostoly”, dia i Petera sy “Jakoba rahalahin’ny Tompo.” (Tsy anisan’ireo 12 lahy i Jakoba, nefa azo lazaina ho apostoly satria apostolin’ny fiangonan’i Jerosalema izy.) Nijanona tapa-bolana tany amin’i Kefasy (Petera) i Paoly. Sahy nitory tamin’ny anaran’i Jesosy izy tao Jerosalema. Ren’ireo rahalahy anefa fa nitady hamono azy ny Jiosy miteny grika. “Nentiny nidina tany Kaisaria [àry] izy, ka nalefany tany Tarsosy.”​—As 9:26-30; Ga 1:18-21.

Nahazo fahitana mahagaga i Paoly (taona t. 41). Hoatran’ny tena izy ilay izy, ka tsy hainy intsony na tao amin’ny vatana na tsia no nitondrana azy tany amin’ny “lanitra fahatelo.” Toa ny Fanjakan’ny Mesia tonga lafatra ilay “lanitra fahatelo.”​—2Ko 12:1-4.

Naka an’i Paoly tany Tarsosy i Barnabasy tatỳ aoriana, ary nitondra azy nankany Antiokia mba hanampy an’ireo nitory tamin’ny olona miteny grika. Rehefa avy nitory herintaona (taona t. 46) tao Antiokia izy mirahalahy, dia nirahin’ny fiangonana hitondra fanampiana ho an’ny rahalahy tany Jerosalema. (As 11:22-30) Niverina tany Antiokia izy ireo, ary niaraka taminy i Jaona Marka. (As 12:25) Natokan’ny fanahy masina hanao asa manokana i Paoly sy Barnabasy taorian’izay.​—As 13:1, 2.

Dia misionera voalohany. (SARINTANY, Boky Faha-2, p. 747) Nanaiky ny fitarihan’ny fanahy i Paoly ka nanomboka ny diany misionera voalohany (taona t. 47-48) niaraka tamin’i Barnabasy. Nanampy azy ireo i Jaona Marka. Nandray sambo tao amin’ny seranan’i Seleokia any Antiokia izy ireo, ary nankany Sipra ka “nitory ny tenin’Andriamanitra” tao amin’ny synagogan’i Salamisy, teo amoron-tsiraka atsinanana. Namakivaky an’ilay nosy izy ireo ka tonga tao Pafo, teo amoron-tsiraka andrefana. Nitory tamin’i Sergio Paolo governoram-paritra izy ireo tao, saingy notoherin’i Elyma mpilalao ody. Nataon’i Paoly lasa jamba vetivety àry izy io. Talanjona i Sergio Paolo nahita izany, ka lasa mpino.​—As 13:4-12.

Nandray sambo nankany Azia Minora ry Paoly, tao Pafo. Nandao azy ireo anefa i Jaona Marka rehefa tonga tao Perga any Pamfylia (faritany romanina), ka niverina tany Jerosalema. I Paoly sy Barnabasy kosa nianavaratra nankany Antiokia any Pisidia. Be olona liana tany, nefa noroahina tany ivelan’ny tanàna izy ireo noho ny fampirisihan’ny Jiosy. (As 13:13-50) Tsy kivy ry Paoly, fa nianatsimoatsinanana nankany Ikonioma. Nampirisihin’ny Jiosy hanohitra azy ireo koa anefa ny tany. Ren’i Paoly sy Barnabasy fa nisy nikasa hitora-bato azy, ka nandositra tany Lystra any amin’ny faritr’i Lykaonia izy ireo. Nanasitrana lehilahy nalemy hatrany an-kibon-dreniny i Paoly tany, ka noheverin’ny mponin’i Lystra fa andriamanitra izy sy Barnabasy. Notaomin’ny Jiosy avy tany Ikonioma sy Antiokia (any Pisidia) anefa ny vahoaka, ka nitora-bato an’i Paoly sady nitaritarika azy tany ivelan’ny tanàna, satria noheveriny fa maty izy. Niarina anefa izy rehefa nohodidinin’ny Kristianina namany, ary nankao Lystra. Nankany Derbe izy sy Barnabasy ny ampitso. Nanao mpianatra maro tao izy roa lahy, avy eo niverina tany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia (any Pisidia), mba hanatanjaka sy hampahery an’ireo rahalahy, ary hanendry anti-panahy ho an’ny fiangonana tany. Nitory tany Perga izy ireo taorian’izay, ary naka sambo tao amin’ny seranan’i Atalia ho any Antiokia, any Syria.​—As 13:51–14:28.

Niadian-kevitra ny famorana. Nisy olona avy tany Jodia tonga tao Antiokia (taona t. 49) nilaza fa tsy maintsy forana araka ny Lalàn’i Mosesy ny tsy Jiosy, raha te ho voavonjy. Tsy nitovy hevitra tamin’ireo i Paoly sy Barnabasy. Na apostoly aza anefa i Paoly, dia tsy nanampatra ny fahefany mba hanapahana hevitra samirery. Nentin’izy sy Barnabasy sy Titosy ary ny hafa teo anatrehan’ny apostoly sy anti-panahin’ny fiangonan’i Jerosalema kosa ilay raharaha. Tapaka tamin’izay fa tsy voatery hoforana ireo hafa firenena lasa mpino. Tsy mahazo manompo sampy anefa izy ireo, na mihinana sy misotro ra, ary tsy tokony haloto fitondran-tena. Natao an-tsoratra ilay fanapahan-kevitra, ary naniraka an’i Jodasy sy Silasy ho solontenany ny rahalahy tao Jerosalema, mba hanazava izany tamin’ireo tany Antiokia. Taorian’ny fiaraha-midinika tamin’i Petera (Kefasy) sy Jaona ary Jakoba, dia tapaka koa fa mbola tokony hitory amin’ny hafa firenena tsy voafora ihany i Paoly sy Barnabasy.​—As 15:1-29; Ga 2:1-10.

Nankany Antiokia any Syria i Petera taorian’izay, ary nifanerasera tamin’ny Kristianina hafa firenena. Natahotra an’ireo Jiosy tonga avy tany Jerosalema anefa izy, ka lasa nihatakataka tamin’ny tsy Jiosy. Tsy nekeny àry ny fitarihan’ny fanahy hoe mitovy daholo ny olona amin’Andriamanitra. Na i Barnabasy aza voataona hanao toa azy koa. Nisikina herim-po i Paoly ka nananatra an’i Petera imasoimaso, noho ny fihetsiny izay nisakana ny sasany tsy ho lasa Kristianina.​—Ga 2:11-14.

Dia misionera faharoa. (SARINTANY, Boky Faha-2, p. 747) Nikasa hitsidika an’ireo rahalahy tao amin’ireo tanàna nitoriany tamin’ny diany misionera voalohany i Paoly sy Barnabasy. Te hitondra an’i Jaona Marka ny iray, fa ny iray kosa tsy nazoto satria efa nandao azy ireo izy io teo aloha. Nifamaly àry izy roa lahy ka nisaraka. I Silasy (Silvano) no nentin’i Paoly, ary nitety an’i Syria hatrany Azia Minora izy (taona t. 49-52). Rehefa tonga tao Lystra izy, dia nasainy hiaraka taminy i Timoty tanora ary noforany. (As 15:36–16:3) Marina fa tsy voatery hoforana ny Kristianina, nefa azo inoana fa tsy ho nihaino ny fitorian’i Paoly ny Jiosy, raha tsy noforana i Timoty izay metisy jiosy. Mba tsy hanafintohinana ny Jiosy, dia nampiharin’i Paoly ilay nosoratany ho an’ny Korintianina tatỳ aoriana hoe: “Tamin’ny Jiosy dia tonga Jiosy aho.”​—1Ko 9:20.

Nahita lehilahy makedonianina iray tao amin’ny fahitana i Paoly, indray alina, tany Troasy amoron’ny Ranomasina Égée. Niangavy azy izy io hoe: “Miampità mankatỳ Makedonia ka ampio izahay.” Nanatsoaka hevitra i Paoly fa izay no sitrapon’Andriamanitra, ka nandray sambo nankany Makedonia any Eoropa izy sy ny misionera namany ary Lioka dokotera. Lasa mpino i Lydia sy ny ankohonany tao Filipy, tanàna lehibe indrindra tany Makedonia. Naiditra am-ponja i Paoly sy Silasy tany, satria navoakan’i Paoly ny demonia tao amin’ny ankizivavy iray ka tsy nahay naminany intsony izy io. Nisy horohoron-tany anefa namaha ny fatoran’izy ireo, ary lasa Kristianina ilay mpiambina fonja sy ny ankohonany. Tsy nety niala tao am-ponja kosa i Paoly, raha tsy ny tompon’andraiki-panjakana mihitsy no tonga namoaka azy sy Silasy. Teratany romanina mantsy izy. Nampahery an’ireo rahalahy izy roa lahy avy eo, ary namakivaky an’i Amfipolia sy Apolonia ka tonga tany Tesalonika. Nanjary nisy fiangonana tany. Nialona azy anefa ny Jiosy, ka nampisahotaka vahoaka mba hanohitra azy. Nalefan’ireo rahalahy nankany Beria àry izy sy Silasy. Maro koa no lasa mpino tao, saingy voatery niala tao ry Paoly satria tonga nanakorontana koa ny Jiosy avy tany Tesalonika.​—As 16:8–17:14.

Naterin’ireo rahalahy hatrany Atena i Paoly. Nitory tao an-tsena izy, ka nentina teny amin’ny Areopago. Nisy lasa Kristianina ireo nihaino ny fiarovan-tenany, anisan’izany i Dionysio mpitsara. (As 17:15-34) Nankany Korinto i Paoly avy eo, ary nipetraka tao amin’i Akoila sy Prisila, mpivady jiosy. Mpanao tranolay izy roa, ka niara-niasa taminy tapa-potoana i Paoly. Toa tao Korinto izy no nanoratra taratasy roa ho an’ny Tesalonianina. Nitory herintaona sy tapany sady nanorina fiangonana tao koa izy. Nampangain’ny Jiosy teo anatrehan’i Galio izy taorian’izay, nefa tsy nety nitsara azy izy io. (As 18:1-17) Nandray sambo nankany Kaisaria i Paoly tatỳ aoriana, ary nijanona kely nitory tao Efesosy. Avy tao Kaisaria izy no “niakatra sy niarahaba ny fiangonana” tao Jerosalema, ary tonga tany Antiokia any Syria. (As 18:18-22) Mety ho tamin’izy tany na mbola tao Korinto no nanoratra ho an’ny Galatianina.

Diany misionera fahatelo. (SARINTANY, Boky Faha-2, p. 747) Nitsidika an’i Efesosy indray i Paoly tamin’ilay diany fahatelo (taona t. 52-56), ary niasa mafy tao nandritra ny telo taona teo ho eo. Tao izy no nanoratra ny taratasy voalohany ho an’ny Korintianina, sy toa naniraka an’i Titosy hanampy azy ireo. Nitaona ny olona hirotaka hanohitra an’i Paoly anefa i Demetrio mpanefy volafotsy, ka niala tao Efesosy i Paoly mba ho any Makedonia. Naharay vaovao momba ny Korintianina avy tamin’i Titosy izy tany, ka nanoratra ny taratasiny faharoa ho azy ireo. Toa nanoratra ho an’ny Romanina izy rehefa tao Korinto, talohan’ny nialany tany Eoropa mba hitondra ny fanomezana nomen’ireo tany Makedonia sy Akaia ho an’ny Kristianina sahirana tao Jerosalema.​—As 19:1–20:4; Ro 15:25, 26; 2Ko 2:12, 13; 7:5-7.

Nandaha-teny i Paoly tao Troasy ary nanangana an’i Eotyka (izay nianjera ka maty), tamin’izy ho any Jerosalema. Nijanona tao Mileto koa izy, ary nihaona tamin’ny anti-panahin’ny fiangonan’i Efesosy. Nampahatsiahiviny azy ireo ny fanompoany tany amin’ny faritr’i Azia, ary nampirisihiny ireo hanahaka azy.​—As 20:6-38.

Nosamborina. Nisy mpaminany kristianina nihaona tamin’i Paoly tamin’izy ho any Jerosalema. Nilaza taminy ireo fa hogadraina izy any. (As 21:4-14; ampit. 20:22, 23.) Izany tokoa no nitranga. Nihetraketraka tamin’i Paoly ny vahoaka novorin’ny Jiosy avy any Azia, raha mbola nidio araka ny Lalàna tao an-tempoly izy. Tonga namonjy azy anefa ny miaramila romanina. (As 21:26-33) Nahazo alalana hiresaka tamin’ny Jiosy izy rehefa niakatra ny tohatra ho ao amin’ny toby miaramila. Nisahotaka indray anefa izy ireo, raha vao nilaza izy fa nirahina hitory tamin’ny hafa firenena. (As 21:34–22:22) Natsotra mba hokaravasina izy tao an-toby, mba hahalalana ny tsy nety nataony. Tsy nokaravasina indray anefa izy, rehefa nilaza fa teratany romanina. Nentina teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy izy ny ampitso. Toa fantany fa tsy hahazo rariny izy, ka nitady hevitra hampizarazarana ny Fariseo sy Sadoseo. Nino ny fitsanganana amin’ny maty izy sady “zanaky ny Fariseo”, ka nilaza fa ny fitsanganana amin’ny maty no nitsarana azy ary Fariseo ny tenany. Lasa nifanditra àry ny Fariseo sy ny Sadoseo tsy nino ny fitsanganana amin’ny maty.​—As 22:23–23:10.

Nisy nitetika ny hamono an’i Paoly tao Jerosalema, ka nafindra tany Kaisaria izy. Tonga tany koa i Ananiasy Mpisoronabe sy ny anti-panahy jiosy sasany ary Tertylo mpisolovava, andro vitsivitsy taorian’izay. Nampangain’izy ireo teo anatrehan’i Feliksa Governora i Paoly hoe nampirisika ny olona hikomy tamin’ny fanjakana, hono, izy sady nitady hanazimbazimba ny tempoly. Namaly i Paoly fa tsy misy porofon’izany. Nanantena ny hahazo tsolotra anefa i Feliksa, ka nogadrainy roa taona i Paoly. Niampanga azy teo anatrehan’i Festosy, mpandimby an’i Feliksa, indray ny Jiosy. Notsaraina tao Kaisaria indray àry izy, ary saika hoentina hotsaraina tany Jerosalema. Naleony anefa nampiakatra ny raharaha tany amin’i Kaisara. Nalefa tany Roma izy rehefa avy nohenoin’i Heroda Agripa II (taona t. 58). Nisy voafonja hafa koa nampiarahina taminy.​—As 23:12–27:1.

Nigadra voalohany sy fanindroany tany Roma. Vaky sambo teny akaikin’ny nosy Malta ry Paoly tamin’izy ho any Roma, ka nijanona tany Malta nandritra ny ririnina. Farany, tonga ihany izy ireo. (SARINTANY, Boky Faha-2, p. 750) Nahazo nanofa trano i Paoly, saingy nambenana miaramila. Vao tonga kelikely izy, dia namory an’ireo lohandohan’ny Jiosy, nefa ny sasany ihany no nino azy. Nitory tamin’izay rehetra tonga tao aminy izy nandritra ny roa taona (taona t. 59-61). (As 27:2–28:31) Tamin’izay izy no nanoratra ho an’ny Efesianina (4:1; 6:20), Filipianina (1:7, 12-14), Kolosianina (4:18), ho an’i Filemona (and. 9), ary ho an’ny Hebreo. (SARY, Boky Faha-2, p. 750) Toa nolazain’i Néron Kaisara hoe tsy nanan-tsiny izy, ka nafahany. Nanohy ny asa misionera àry i Paoly, ka niaraka taminy i Timoty sy Titosy. Navelany tao Efesosy i Timoty ary tao Kreta i Titosy, fa izy kosa nankany Makedonia. Tany angamba izy no nanoratra ho azy ireo momba ny andraikiny avy. (1Ti 1:3; Tit 1:5) Tsy fantatra raha nitory hatrany Espaina i Paoly, talohan’izy nigadra farany tao Roma (taona t. 65). (Ro 15:24) Nanoratra fanindroany ho an’i Timoty izy tamin’izay, ka nilaza an-kolaka fa efa ho faty. (2Ti 4:6-8) Azo inoana fa novonoin’i Néron izy taoriana kelin’izay, ka maty maritiora.

Modely ho antsika. Tsy nivadika toa an’i Kristy i Paoly, ka afaka nilaza hoe: “Aoka hanahaka ahy ianareo.” (1Ko 4:16; 11:1; Fi 3:17) Nanaiky hotarihin’ny fanahin’Andriamanitra foana izy. (As 13:2-5; 16:9, 10) Tsy nivarotra ny Teniny izy, fa niteny tamim-pahatsorana kosa. (2Ko 2:17) Tsy nampiasa teny mampiaiky volana koa izy na dia avara-pianarana aza (1Ko 2:1-5), ary tsy nila sitraka tamin’olona. (Ga 1:10) Tsy nisisika ny hanao izay tiany izy, fa nampifanarahiny tamin’ireo noresahiny kosa ny fitoriany, ary nitandrina izy sao hanafintohina olona.​—1Ko 9:19-26; 2Ko 6:3.

Nazoto nanompo i Paoly, ka nanao dia an-tanety sy an-dranomasina an’arivony kilaometatra, ary nanorina fiangonana maro tany Eoropa sy Azia Minora. Tsy nila taratasy fiderana nosoratana tamin’ny ranomainty àry izy, satria efa toy ny taratasy velona ireo olona nampiany ho lasa mpino. (2Ko 3:1-3) Nanetry tena anefa izy, ka niaiky fa mpanompo (Fi 1:1) tsy maintsy mitory ny vaovao tsara. (1Ko 9:16) Tsy ny tenany fa Andriamanitra no nomeny voninahitra, noho Izy mampitombo (1Ko 3:5-9) sy nahatonga azy ho ampy fahaizana mba hanompo. (2Ko 3:5, 6) Sarobidy tamin’i Paoly ny fanompoany, ka nankalaza azy io izy ary niaiky fa namindra fo taminy Andriamanitra sy ny Zanany matoa izy afaka nanompo. (Ro 11:13; 2Ko 4:1; 1Ti 1:12, 13) Hoy izy: ‘Nahazo famindram-po aho mba ho amin’ny alalako, izay lohany amin’ny mpanota, no hanehoan’i Kristy Jesosy ny fahari-pony rehetra, ka hahatonga ahy ho santionan’ny olona izay hino azy mba hahazoana fiainana mandrakizay.’​—1Ti 1:16.

Noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra no nahatonga azy ho apostoly, hoy i Paoly, fa tsy nihevi-tena ho mendrika an’izany izy satria mpanenjika Kristianina taloha. Niasa mafy noho ny apostoly hafa àry izy, mba tsy ho very maina ilay hatsaram-panahy tsy manam-paharoa. Niaiky anefa izy fa izany hatsaram-panahy izany ihany no nahafahany nanohy ny fanompoany. (1Ko 15:9, 10) Hoy izy: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.” (Fi 4:13) Niaritra ny mafy izy, nefa tsy be taraina. Hoy izy (taona t. 55) rehefa nampitaha ny zavatra niainany tamin’ny an’ny hafa: “Tamin’ny asa mafy manan-tombo be, tamin’ny fidirana am-ponja imbetsaka lavitra, tamin’ny kapoka efa tafahoatra, ary saika maty matetika. Indimy aho no nokapohin’ny Jiosy inefapolo latsaka iray avy, intelo aho no nokapohina tamin’ny hazo, indray mandeha notoraham-bato, intelo vaky sambo, indray andro sy indray alina tao amin’ny rano lalina. Nandeha lavitra matetika aho, saika nahita loza tamin’ny renirano, saika nahita loza tamin’ny jiolahy, saika nahita loza tamin’ny mpiray firenena amiko, saika nahita loza tamin’ny hafa firenena, saika nahita loza tao an-tanàna, saika nahita loza tany an-tany efitra, saika nahita loza tany an-dranomasina, saika nahita loza teo anivon’ny rahalahy sandoka; tamin’ny asa mafy sy ny fisasarana, tamin’ny alina tsy nahitan-tory matetika, tamin’ny hanoanana sy ny hetaheta, tamin’ny fifadian-kanina imbetsaka, tamin’ny hatsiaka sy ny fitanjahana. Misy manavesatra ahy koa isan’andro, ankoatra ireo zavatra ivelany ireo, dia ny fanahiana momba ny fiangonana rehetra.” (2Ko 11:23-28; 6:4-10; 7:5) Mbola niaritra ‘tsilo tao amin’ny nofo’ (mety ho areti-maso na hafa) koa anefa izy (2Ko 12:7), ankoatra an’ireo sy ny zavatra hafa nitranga tatỳ aoriana.​—Ampit. As 23:1-5; Ga 4:15; 6:11.

Tsy lavorary i Paoly, ka nifanohitra foana ny tao an-tsainy sy ny nataon’ny nofony mpanota. (Ro 7:21-24) Tsy nilavo lefona anefa izy. Hoy izy: “Asiako mafy ny vatako ka andevoziko, sao izaho indray no tsy hankasitrahana kanefa efa nitory tamin’ny hafa.” (1Ko 9:27) Nibanjina ny loka be voninahitra foana izy, dia ny ho lasa tsy mety maty any an-danitra. Noheveriny ho tsinontsinona ny fahoriana rehetra, raha oharina amin’ny voninahitra homena an’izay tsy mivadika. (Ro 8:18; Fi 3:6-14) Hoy àry izy taloha kelin’ny nahafatesany: “Efa niady ny ady tsara aho, efa nahavita ny fihazakazahako aho, efa nihazona ny finoana aho. Manomboka izao, dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana.”​—2Ti 4:7, 8.

Nanana fahefana handidy ny hafa i Paoly noho izy apostoly notarihin’ny fanahy, ary izany tokoa no nataony indraindray. (1Ko 14:37; 16:1; Kl 4:10; 1Te 4:2, 11; ampit. 1Ti 4:11.) Naleony anefa niangavy tamim-pitiavana an’ireo rahalahiny noho “ny fangoraham-pon’Andriamanitra” sy noho “ny fahalemem-panahy sy hatsaram-panahin’i Kristy.” (Ro 12:1; 2Ko 6:11-13; 8:8; 10:1; Flm 8, 9) Nalemy fanahy izy sady nasehony hoe tiany ireo rahalahiny, ka nananatra sy nampionona azy ireo toy ny ray izy. (1Te 2:7, 8, 11, 12) Nanan-jo hahazo fanampiana tamin’ireo izy, nefa naleony niasa mba tsy hampitondra enta-mavesatra an’iza na iza teo amin’ny lafiny ara-bola. (As 20:33-35; 1Ko 9:18; 1Te 2:6, 9) Nifandray am-po àry i Paoly sy ireo nampiany. Nalahelo mafy sy latsa-dranomaso, ohatra, ny anti-panahin’ny fiangonan’i Efesosy, rehefa nahare fa tsy hahita azy intsony. (As 20:37, 38) Niahy an’izay hahasoa an’ireo Kristianina i Paoly, ka te hanao izay ho afany mba ho azo antoka ny fiantsoana azy ireo any an-danitra. (Ro 1:11; 15:15, 16; Kl 2:1, 2) Nivavaka ho azy ireo foana izy (Ro 1:8, 9; 2Ko 13:7; Ef 3:14-19; Fi 1:3-5, 9-11; Kl 1:3, 9-12; 1Te 1:2, 3; 2Te 1:3), ary nasainy nivavaka ho azy koa ireo. (Ro 15:30-32; 2Ko 1:11) Nampahery azy ny finoan’ny Kristianina hafa. (Ro 1:12) Hentitra koa anefa izy nanao izay mahitsy, ka tsy nisalasala nanitsy an’izay tokony hahitsy, na ny apostoly aza, mba hampandrosoana ny vaovao tsara.​—1Ko 5:1-13; Ga 2:11-14.

Anisan’ny apostoly 12 ve i Paoly?

Tsy nihevi-tena ho isan’ireo “roa ambin’ny folo lahy” i Paoly, na dia resy lahatra sy nanana porofo aza fa apostoly koa ny tenany. Efa talohan’ny Pentekosta ny fiangonana kristianina no nifidy olona ho solon’i Jodasy Iskariota nivadika, araka ny soso-kevitr’i Petera niorina tamin’ny Soratra Masina. Natolotra àry ny mpianatra roa. Ny lehilahy teo anivon’ny fiangonana angamba no nifidy azy ireo, matoa i Petera nanao hoe “ry rahalahy.” (As 1:16) Natao ny vavaka avy eo (ampitahao As 1:24 sy 1Sa 16:7; As 15:7, 8), mba ho i Jehovah Andriamanitra no hanondro hoe iza amin’izy roa lahy no tokony hisolo an’i Jodasy. Natao àry ny antsapaka, ka “i Matia no voafidy.”​—As 1:15-26; ampit. Oh 16:33.

Azo antoka fa nofidin’Andriamanitra i Matia. Marina fa nisongadina be i Paoly rehefa lasa Kristianina, ary niasa mafy noho ny apostoly hafa rehetra izy. (1Ko 15:9, 10) Tsy voalahatra mialoha ho apostoly anefa izy. Tsy marina ilay hoe ny fiangonana no nisisika hifidy an’i Matia, sy ilay hoe tsy namaly ny vavaky ny fiangonana Andriamanitra, ary tsy nifidy olona ho solon’i Jodasy Izy raha tsy rehefa lasa Kristianina i Paoly. Misy porofo marim-pototra kosa fa i Matia no notendren’Andriamanitra.

Nahazo fahefana manokana ny apostoly nilatsahan’ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta. Izy ireo ihany no afaka nametra-tanana tamin’ny olona vao vita batisa, sy nampita taminy ny fahaizana manao fahagagana. (Jereo APOSTOLY [Fahaizana mahagaga].) Ho hitan’ny rehetra fa tsy nahavita izany i Matia, raha tsy nofidin’Andriamanitra izy. Tsy milaza anefa ny Baiboly hoe tsy nahavita izy. Niara-dia sy niara-namita iraka tamin-dry Paoly tsindraindray i Lioka mpanoratra ny Asan’ny Apostoly. Azo antoka àry fa nitovy hevitra izy sy Paoly, ary ahitana ny fomba fihevitr’izy io izay nosoratany ao amin’ilay boky. Voalaza ao, ohatra, fa izy “roa ambin’ny folo lahy” no nanendry fito lahy handamina ilay olana momba ny fizaran-tsakafo, taorian’ny Pentekosta taona 33. Mbola tsy niova ho Kristianina i Paoly tamin’izay. Anisan’izy “roa ambin’ny folo lahy” àry i Matia, ary nametra-tanana tamin’ireo fito lahy izy sy ny apostoly hafa.​—As 6:1-6.

Ny anaran’i Matia àry sa ny an’i Paoly no eo amin’ireo ‘vato fototra roa ambin’ny folon’i’ Jerosalema Vaovao, tao amin’ny fahitan’i Jaona? (Ap 21:2, 14) Azo inoana kokoa fa ny an’i Paoly, hoy ny sasany. Nanampy be ny fiangonana mantsy ny fanompoany, ary indrindra fa ireo taratasiny 14, izay lasa ampahany lehibe amin’ny Soratra Grika Kristianina. Azo lazaina ho nanao “mihoatra noho” i Matia àry izy. Ny Asan’ny Apostoly toko 1 ihany mantsy no miresaka an’i Matia.

Nanao “mihoatra noho” ny ankamaroan’ny apostoly 12 koa anefa i Paoly, satria zara raha voaresaka ny sasany amin’ireo. Ankoatra izany, dia efa niorina ny fiangonana kristianina na Israely ara-panahy, ary efa nitombo nandritra ny herintaona na mahery angamba io vao lasa Kristianina i Paoly. Tsy nanoratra ny taratasiny voalohany koa izy, raha tsy tamin’ny taona 50 tany ho any (jereo TESALONIANINA, TARATASY HO AN’NY), na 17 taona be izao taorian’ny niforonan’ilay firenena vaovao na Israely ara-panahy, tamin’ny Pentekosta taona 33. Asehon’izany rehetra izany sy ny porofo voalaza tetsy aloha àry, fa i Matia no nofidin’Andriamanitra hisolo an’i Jodasy ho anisan’ny “apostoly roa ambin’ny folon’ny Zanak’ondry.” Tsy niova ny safidiny na dia lasa apostoly koa aza i Paoly.

Nahoana àry i Paoly no notendrena ho apostoly? Tsy hisolo an’i Jodasy akory, fa noho ny antony manokana, hoy i Jesosy, dia ny ho ‘apostoly [na iraka] ho any amin’ny hafa firenena.’ (As 9:4-6, 15) Na i Paoly aza niaiky fa notendrena ho apostolin’izy ireo izy. (Ga 1:15, 16; 2:7, 8; Ro 1:5; 1Ti 2:7) Tsy nilaina natao ho isan’ny fototry ny Israely ara-panahy niforona tamin’ny Pentekosta taona 33 àry ny anarany.