Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Paoma

Paoma

[Heb.: tappoah].

Betsaka ny tombantombana momba ny hoe inona marina ilay hazo sy voankazo atao hoe tappoah (heb.). Ilazana zavatra manitra ilay teny, izay avy amin’ny fototeny hoe nafah midika hoe “mitsoka; misento; misefosefo.” (Ge 2:7; Jb 31:39; Je 15:9) Hoy i M. Fisher: “Toa noterena fotsiny ny hoe mifandray ireo [tappoah sy nafah], raha jerena ny heviny. Misy ifandraisany anefa ny hoe ‘miaina’ sy ‘mamoaka fofona.’ Midika hoe ‘mitsoka’ (rivotra) sy ‘mamoaka fofona manitra, mamerovero’ anefa ny hoe poah, izay teny iray tarika aminy.”​—Rakibolana Teolojikan’ny Testamenta Taloha, nataon’i R. Harris, 1980, Boky Faha-2, p. 586.

Misy milaza hoe voasary, voasarimakirana, kaontsy, paiso na voankazo hafa, fa tsy paoma, ilay hoe tappoah. Tsy maniry any Palestina mantsy, hono, ny paoma satria saika mafana sy maina foana ny toetany any. “Paoma” anefa no tena dikan’ny hoe toffah, teny arabo iray tarika amin’ny hoe tappoah. Misy tanàna hebreo natao hoe Tapoa sy Beti-tapoa satria be paoma angamba tany. Izany ihany ny anarany amin’ny teny arabo, fa nosoloana hoe toffah fotsiny ny hoe tappoah. (Js 12:17; 15:34, 53; 16:8; 17:8) Tsy teny amin’ny lemaka iva ireo tanàna ireo fa teny an-kavoana, ary antonony ny toetany teny matetika. Mety ho niovaova koa ny toetany sasany taloha. Mamboly paoma izao ny any Israely, ka toa mifanaraka amin’ny voalazan’ny Baiboly izany. Nisy saham-paoma aza, hono, tany amin’ny faritr’i Askelona any amin’ny Lemak’i Filistia, hoy i William Thomson izay tany Syria sy Palestina an-taonany maro, tamin’ny taonjato faha-19.​—Ilay Tany sy Ilay Boky, nohavaozin’i J. Grande, 1910, p. 545, 546.

Ny Tononkiran’i Solomona no tena miresaka hazo paoma (Pyrus malus). Oharina amin’ny alokaloka mahafinaritr’ilay hazo sy ny voany mamy, ny teny fanehoam-pitiavana nataon’ilay mpiandry ondry tamin’ilay Solemita. (To 2:3, 5) Mamerovero toy ny paoma ny fofonain’ilay Solemita, hoy ilay mpanjaka. (To 7:8; jereo koa 8:5.) Tahaka “ny paoma volamena ao anaty fitoerany volafotsy natao sokitra” ny teny atao amin’ny fotoana mety. (Oh 25:11) Ny Joela 1:12 sisa no andininy hafa miresaka paoma. Maro no mihevitra fa paoma ilay voankazo voarara tao Edena, nefa tsy milaza izany ny Baiboly.