Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Papelika

Papelika

[Heb.: selav].

Vorona kely botabota tokotokony ho 18 sm ny lavany, ary tsy dia manidina firy. Azo hanina ny henany ka efa nanondrana papelika telo tapitrisa teo ho eo isan-taona, hono, i Ejipta tamin’ny 1920 tany ho any, saingy nihena izany tatỳ aoriana.

Ny papelika mpifindra monina (Coturnix coturnix) no resahin’ny Baiboly. Miainga any Afrika izy rehefa lohataona, ary mianavaratra. Tonga any Ejipta izy amin’ny Martsa any ho any, avy eo mandalo an’i Arabia sy Palestina, ary mody rehefa ho avy ny ririnina. Manao andiany maro ireo mifindra monina, mijanona matetika, ary manidina amin’ny alina mazàna. Ahafahany manidina haingana mantsy ny elany, saingy tsy ahavitany dia lavitra satria mavesatra ny vatany, ka reraka be izy indraindray vao tonga any amin’ny alehany. Manararaotra ny fitsokan’ny rivotra àry izy, ary manidina ambany. Misy olona mampiasa harato fisamborana lolo any Port-Saïd any Ejipta, hoy ny Kolonely Richard Meinertzhagen, mba hisamborana papelika manidina eny amin’ny lalana, rehefa mangiran-dratsy.​—Vorona any Arabia, Édimbourg, 1954, p. 569.

Ny tantaran’ny Israelita tany an-tany efitr’i Sina tany amin’ny Saikinosin’i Sinay, no miresaka voalohany momba ny papelika ao amin’ny Baiboly. (Ek 16:13) Lohataona tamin’izay (Ek 16:1), ka nanidina nianavaratra ireo vorona. Nitaraina hoe tsy nanan-kohanina ny Israelita, ka nilaza tamin’i Mosesy i Jehovah fa hihinan-kena “eo anelanelan’ny takariva roa” izy ireo, ary ho voky mofo amin’ny maraina. (Ek 16:12) Ny takarivan’iny dia ‘nanomboka niakatra ny papelika ka nanenika ny toby’, ary nisy mana teny amin’ny tany ny ampitso maraina. (Ek 16:13-15; Sl 105:40) Afaka herintaona teo ho eo, dia nimenomenona ny Israelita hoe tsy nihinana afa-tsy mana. Lohataona indray tamin’izay. (No 10:11, 33) Nilaza àry i Jehovah fa hihinan-kena “hatramin’ny iray volana maninjitra” izy ireo, mandra-pahaleony. (No 11:4, 18-23) Nasiany rivotra nitsoka avy any atsinanana na atsimoatsinanana angamba, ka nitondra papelika avy tany an-dranomasina ary “nampilatsaka an’ireny teo ambonin’ny toby.” Maro “toy ny fasika” ireny, ka feno ny nanodidina ny toby, hatrany amin’ny kilaometatra maromaro.​—No 11:31; Sl 78:25-28.

Samy hafa ny nanazavana an’ilay hoe “tokony ho roa hakiho [1 m eo ho eo] miala amin’ny tany.” (No 11:31) Latsaka tamin’ny tany ireo papelika, ka nisy nisavovona hatramin’io haavo io, hoy ny sasany. Ny hafa indray milaza fa tsy mitombina izany satria ho faty ny ankamaroany raha latsaka, ka tsy ho azon’ny Israelita nohanina. Nanidina ambany kosa, hono, ireo vorona ka mora ny nikapoka sy nisambotra azy. Mitovy amin’izany ny ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, manao hoe: “Manodidina ny toby, tokony ho roa hakiho avy eo amin’ny tany.” Hoy kosa ny Vulgate latinina: “Manodidina ny toby, ary nanidina hatreo amin’ny roa hakiho miala amin’ny tany ireny.”

Iray andro sy tapany ny Israelita no nanangona papelika, ka “nahangona folo homera [2200 L] ireo nanangona kely indrindra.” (No 11:32) ‘Nisy lehilahy enina hetsy nandeha an-tongotra’ anefa tamin’izay, hoy i Mosesy. (No 11:21) An-tapitrisany àry ny papelika voangona, tsy satria fotsiny hoe nifindra monina ireo vorona, fa satria nampiasa ny heriny Andriamanitra. Tsy lanin’ny Israelita ireo voangony, ka “nataony teny rehetra teny nanodidina ny toby ireny, mba hotehiriziny.” (No 11:32) Angamba izy ireo te hanamaina ny henan’ireny mba ho betsaka no azo tehirizina sy hohanina any aoriana, toy ny fanaon’ny Ejipsianina fahiny hoe nanahy trondro, hoy i Hérodote (II, 77).