Parana
(Paràna).
Tany efitra midadasika. Tany ny firenen’Israely no tena nirenireny nandritra ny 38 taona teo ho eo talohan’ny nidirany tao amin’ny Tany Nampanantenaina. (No 10:11, 12; De 2:14) Tsy nanana sisin-tany voafaritra tsara izy io, fa nanenika ny afovoany sy ny ilany avaratratsinanana amin’ny Saikinosin’i Sinay. Teo atsinanan’i Parana no nisy ny ampahany amin’ilay Lohasaha Mitsefaka antsoina hoe Araba, sy ny Hoalan’i ʽAkaba. Teo atsimo ny Tany Efitr’i Sinay, teo atsimoandrefana ny Tany Efitr’i Sina, ary teo avaratrandrefana sy teo avaratra ny Tany Efitr’i Etama sy Sora. Mikambana amin’ny Tany Efitr’i Zina i Parana, any avaratratsinanana manandrify ny Ranomasina Maty. Mety ho tonga hatrany Beri-sheba, any akaikin’ireo tendrombohitr’i Joda mihitsy aza izy io.—1Sa 25:1, 2.
Be tendrombohitra vatosokay ao Parana, ary lembalemba ny toerana sasany. Mahatratra 600 m sy 750 m ny haavon’ny toerana sasany ao amin’ny faritra afovoany. (De 33:2; ampit. Ha 3:3.) Anisan’ilay “tany efitra lehibe sady mampahatahotra” resahin’ny Deoteronomia 1:1, 19; 8:15 i Parana. Ngazana be sy feno vatokely ilay toerana, ka tsy misy zavamaniry raha tsy mandritra ny fotoana fohy dia fohy isian’ny orana. Vitsy ny loharano any sady mifanalavitra. Ny fahagagana nataon’i Jehovah ihany àry no namatsy sakafo sy rano ho an’ny firenen’Israely (nisy olona 3 000 000 angamba), tamin’izy ireo nirenireny an-taonany maro tany an-tany efitra.—Ek 16:1, 4, 12-15, 35; De 2:7; 8:15, 16.
Toa tamin’ny andron’i Lota no voaresaka voalohany ny Tany Efitr’i Parana, tamin’i Kedorlaomera sy ireo mpiray dina taminy nandresy tanàna maromaro tany akaikin’ny Ranomasina Maty sy tany Edoma ka hatrany atsimo tany Ela-parana. (Ge 14:4-6) Tatỳ aoriana, dia nonina tany an-tany efitr’i Parana i Ismaela rehefa nalefan’i Abrahama rainy, ka ny haza no fivelomany.—Ge 21:20, 21.
Tamin’ny Israelita nirenireny anefa no tena nampisongadina an’i Parana. Rehefa niala teo amin’ny Tendrombohitra Sinay ny Israely, dia nitoby tao Tabera sy Kibrota-hatava ary Hazerota, izay teo amin’ny sisiny atsimon’i Parana, talohan’ny hiaingany nianavaratra nankany Kadesi-barnea. (No 10:12, 33; 11:3, 34, 35; 12:16) Taoriana kelin’ny nidiran’izy ireo tao Parana, no nalefa hijery taratra ny tany Kanana ireo mpitsikilo 12. (No 13:3, 26) Ny tatitra ratsy nentin’ny ankamaroan’izy ireo no nahatonga an’i Jehovah handidy ny hijanonan’ilay firenena ela kokoa tany an-tany efitra, mandra-pahafatin’ireo nimenomenona rehetra. (No 13:31-33; 14:20-34) Tany Parana ny ankamaroan’ny toerana nitobian’ny Israely nandritra ireo 40 taona teo anelanelan’ny nialan’izy ireo tany Ejipta sy ny nidirany tao amin’ny Tany Nampanantenaina.—No 33:1-49.
Milaza ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo fa nankany amin’ny Tany Efitr’i Maona i Davida rehefa maty i Samoela ka nalevina. Milaza anefa ny soratra nataon’ny Masoreta, sy ny Peshitta syriàka, ary ny Vulgate latinina fa tany amin’ny Tany Efitr’i Parana izy no nandeha. (1Sa 25:1) Niady tamin’i Edoma i Davida rehefa lasa mpanjaka. Nandositra tany Ejipta àry i Hadada, andriana edomita mbola tanora, sy ny mpanompon-drainy sasany. Nisy lehilahy avy tao Parana niaraka tamin’izy ireo, rehefa nandalo tao izy ireo.—1Mp 11:15-18.