Parasy
[Heb.: parʽôsh].
Bibikely bitika tsy misy elany, katsentsitra, matetika no mivolontsôkôlà somary mena, ary fohy ny tongony aloha sy afovoany. Lava sy matanjaka ary misy tsilotsilo kosa ny tongony aoriana, sady fisaka ny tehezany roa ka mailaka erỳ izy manavatsava ao anatin’ny volom-biby. Rakotra volo fohy mitodika any aoriana ny vatany boribory lavalava, ka afaka mandroso haingana izy nefa koa sarotra alana. Kely ny lohany, fa ny vavany kosa afaka mandoaka hoditra ka mampandeha ra. Mahavariana hoe tsy ampy 0,3 sm ny halavan’ny parasy manaikitra olona, nefa vitany ny mitsambikina 30 sm mahery mankany aloha sy efa ho 20 sm miakatra. Mety ho ny Pulex irritans ilay karazany resahin’ny Baiboly.
Indroa monja ny Baiboly no miresaka parasy. Hoy i Davida tamin’i Saoly Mpanjaka izay nanenjika azy: ‘Iza no enjehinao? Parasy iray ve?’ Te hilaza izy hoe tsy mendrika ny henjehin’ilay mpanjaka ny tenany, satria toy ny parasy, izany hoe tena kely raha oharina amin’i Saoly. (1Sa 24:14) Mbola nolazain’i Davida hoe “parasy iray” ny tenany ao amin’ny 1 Samoela 26:20. Ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo kosa manao hoe “ny aiko.”