Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Parsina

Parsina

(Parsìna).

Anisan’ny teny nipoitra tamin’ny fomba mahagaga teo amin’ny rindrin’ny lapan’i Belsazara, ary novakin’i Daniela sy nohazavainy. (Da 5:25) Io no endriny milaza maro amin’ny hoe “Peresa” midika hoe “antsasa-tsekely.” Tsy “Parsina” (mr.) anefa fa “Peresa” (tkn.) no nohazavain’i Daniela (Da 5:28), angamba satria i Belsazara irery no teo mba handre ny fanazavany an’ilay faminaniana, na dia samy voakasik’izy io aza izy sy Nabonida, izay mpanjakan’i Babylona koa.​—Jereo PERESA.