Paska
Nankalazaina voalohany ny Paska (heb.: pesah; gr.: paska) ny takarivan’ny 14 Abiba (Nisana) 1513 T.K., talohan’ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta. Fenomanana tamin’izay. Tokony hankalazaina isan-taona io fety io taorian’izay. (Ek 12:17-20, 24-27) Mifanitsy amin’ny Martsa-Aprily amin’ny kalandrie gregorianina ny volana Abiba (Nisana). Nanarakaraka ny Paska ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay, izay naharitra fito andro (15-21 Nisana). Fahatsiarovana ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta ny Paska. ‘Nolalovana’ fotsiny ny lahimatoan’izy ireo tamin’izay, fa ny an’ny Ejipsianina kosa novonoin’i Jehovah. Isaky ny fiandohan’ny fotoam-pijinjana vary orza tany Israely no nankalazana ny Paska.—Ek 12:14, 24-47; Le 23:10.
Fahatsiarovana zava-nitranga ny Paska. Nilazana àry ny Israelita hoe: “Rehefa manontany anareo ny zanakareo hoe: ‘Fa maninona ianareo no manao izao fankalazana izao?’, dia lazao hoe: ‘Fanaovana sorona ny Paska ho an’i Jehovah izao. Nolalovany fotsiny mantsy ny tranon’ny zanak’Israely tany Ejipta, fony izy namely ny Ejipsianina fa nitsimbina ny tao an-tranontsika kosa.’”—Ek 12:26, 27.
Nanomboka taorian’ny filentehan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehan’ny masoandro ny ampitson’iny ny andro iray tamin’ny Jiosy. Nanomboka taorian’ny filentehan’ny masoandro àry ny 14 Nisana. Takariva no nankalazana ny Paska, rehefa tapitra ny 13 Nisana. Toy ny Zanak’ondrin’ny Paska i Kristy (1Ko 5:7), sady nankalaza ny Paska ny takariva talohan’ny namonoana azy. Ny 14 Nisana àry izy no maty, fa tsy ny 15 Nisana, mba hifanitsy amin’ny fotoanan’ny Paska, izay aloky ny zavatra ho avy, ny fotoana ahafatesany.—He 10:1.
Lalàna momba ny Paska. Hifidy ondrilahy na osilahy herintaona tsy misy kilema ny ankohonana tsirairay. Nentina tao an-trano ilay biby ny 10 Abiba, ary napetraka tao hatramin’ny 14 Abiba. Novonoina ilay izy avy eo, ary nahosotra tamin’ny hysopa teo amin’ny tolàm-baravarana sy ny tataom-baravaran’ny trano hihinanana an’ilay izy ny rany (tsy nasiana teo an-tokonana sao ho voahitsakitsaka).
Novonoina ilay zanak’ondry (na osy), nendahana ny hodiny, nodiovina ny taovany ary naverina tao anatiny. Natsatsika tsara ilay biby, ary tsy nisy notapahina ny taolany. (2Ta 35:11; No 9:12) Raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy nahalany iray, dia nifampizarany tamin’ny mpifanila trano taminy ilay izy ary nohanin’izy ireo ny alin’iny. Nodorana izay ambiny tavela mandra-maraina. (Ek 12:10; 34:25) Nohanina niaraka tamin’ny mofo tsy misy lalivay na “mofom-pahoriana” sy anana mangidy ilay izy, satria nangidy ny fiainany tamin’izy ireo andevo.—Ek 1:14; 12:1-11, 29, 34; De 16:3.
Inona no dikan’ny hoe “eo anelanelan’ny takariva roa”?
Nanomboka tamin’ny filentehan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany ny ampitson’iny ny andro iray, tamin’ny Israelita. Nanomboka tamin’ny filentehan’ny masoandro àry ny Paska, rehefa tapitra ny 13 Abiba (Nisana). Hovonoina “eo anelanelan’ny takariva roa” ilay zanak’ondry. (Ek 12:6) Samy hafa ny fahazoan’ny olona an’io fotoana io. Misy manam-pahaizana sy Jiosy karahita ary Samaritanina milaza fa eo anelanelan’ny filentehan’ny masoandro sy ny alina izy io. Ny Fariseo sy ny mpianatr’ireo raby indray mihevitra fa rehefa manomboka milentika ny masoandro no takariva voalohany, ary efa tena milentika kosa izy io no takariva faharoa. Mihevitra àry ireo raby fa efa hifarana (fa tsy niandoha) ny 14 Nisana vao novonoina ilay zanak’ondry, ka ny 15 Nisana no nankalazana ny Paska.
Hoy ireo manam-pahaizana atao hoe Keil sy Delitzsch: “Efa ela ny Jiosy no tsy nitovy hevitra momba an’io fotoana io. Miombon-kevitra amin’ny Karahita sy Samaritanina i Aben Ezra hoe manomboka amin’ny filentehan’ny masoandro ilay takariva voalohany, ary rehefa maizina tanteraka ilay takariva faharoa. Amin’ny 6.00 ka hatramin’ny 7.20 àry ilay hoe ‘eo anelanelan’ny takariva roa.’ ... Ny raby indray milaza fa rehefa tolaka ny andro no takariva voalohany, manomboka amin’ny 3.00 ka hatramin’ny 5.00, ary ny filentehan’ny masoandro ilay takariva faharoa. Amin’ny 3.00 ka hatramin’ny 6.00 àry, hono, ilay hoe ‘eo anelanelan’ny ANDRO.
takariva roa.’ Mpivaofy teny maro ankehitriny no milaza fa ny hevitr’i Aben Ezra sy ny fanaon’ireo Karahita sy Samaritanina no tena izy.”—Fanazavana ny Testamenta Taloha, 1973, Boky I, Ny Boky Faharoan’i Mosesy, p. 12; jereoEo anelanelan’ny filentehan’ny masoandro sy ny alina àry ilay hoe “eo anelanelan’ny takariva roa.” Manamafy izany ny Eksodosy 12:17, 18 sy Levitikosy 23:5-7 ary Deoteronomia 16:6, 7. Efa nilentika ela ny masoandro vao nankalazaina ny Paska ny 14 Nisana, satria naka fotoana ny namono an’ilay biby sy nanaisotra ny hodiny ary nanatsatsika azy. Tokony ‘hovonoina ny Paska, amin’ny takariva vao maty masoandro’, hoy ny Deoteronomia 16:6. “Tamin’ny takariva” i Jesosy sy ny apostoliny no nankalaza ny Paska. (Mr 14:17; Mt 26:20) Vao vita ilay fankalazana dia nivoaka i Jodasy, “ary efa alina ny andro tamin’izay.” (Jn 13:30) Azo antoka koa fa nifampiresaka elaela i Jesosy sy ny apostoliny 12 nandritra ilay fankalazana, ary naka fotoana ny nanasany ny tongotr’izy ireo. (Jn 13:2-5) Efa alinalina àry vao nosantarina ny Sakafo Harivan’ny Tompo.—Jereo SAKAFO HARIVAN’NY TOMPO.
Ny loham-pianakaviana no namono ny zanak’ondry (na zanak’osy) nandritra ny Paska tany Ejipta, fa ny rehetra kosa nijanona tao an-trano sao hovonoin’ny anjely. Nitsangana izy ireo nihinana an’ilay zanak’ondry, teny amin’ny andilany ny sikiny, teny an-tanany ny tehiny, ary teny an-tongony ny kapany ka vonona handeha lavitra amin’ny lalan-dratsy izy ireo (tsy nikapa izy ireo matetika rehefa nanao ny asany andavanandro). Naripaky ny anjely ny lahimatoa rehetra tao Ejipta tamin’ny misasakalina, anisan’izany ny lahimatoan’i Farao sy ny lahimatoan’ny voafonja. Nolalovany fotsiny kosa izay trano nohosorana ra. (Ek 12:11, 23) Tsy ny loham-pianakaviana no novonoina, na dia mety ho lahimatoa aza izy, fa ny lahimatoa rehetra tao amin’ny ankohonany sy ny voalohan-teraka rehetra tamin’ny biby.—Ek 12:29, 30; jereo LAHIMATOA, VOALOHAN-TERAKA.
Nampietry an’ireo andriamanitr’i Ejipta ny Loza Folo, indrindra fa ilay fahafolo izay namono ny lahimatoa rehetra. (Ek 12:12) Masina tamin’i Ra andriamanitra ny ondrilahy, ka noheverin’ny Ejipsianina ho fanevatevana an’ilay andriamaniny ny fanosorana ny ran’ilay zanak’ondry teo amin’ny tataom-baravarana. Masina koa ny ombilahy, ka nietry i Osiris andriamanitra rehefa naripaka ny voalohan-teraka tamin’ny ombilahy. Andriamanitra koa, hono, i Farao satria zanak’i Ra. Tsy nahavita na inona na inona anefa i Ra sy Farao, matoa maty ny lahimatoan’i Farao.
Tany an-tany efitra sy tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Indray mandeha monja ny Baiboly no milaza fa nankalazaina tany an-tany efitra ny Paska. (No 9:1-14) Tsy tena afaka nankalaza azy io ny Israelita tany, satria 1) efa nilaza i Jehovah fa any amin’ny Tany Nampanantenaina izy io no tena tokony hankalazaina (Ek 12:25; 13:5), ary 2) tsy voafora ireo teraka tany an-tany efitra (Js 5:5) nefa tsy mahazo mihinana amin’ny Paska izay lehilahy tsy voafora.—Ek 12:45-49.
Ireo voatantara ao amin’ny Soratra Hebreo. Voatantara ao ny nankalazana ny Paska 1) tany Ejipta (Ek 12); 2) tany an-tany efitr’i Sinay tamin’ny 14 Nisana 1512 T.K. (No 9); 3) tao amin’ny Tany Nampanantenaina (tao Gilgala) rehefa avy noforana ny lahy rehetra tamin’ny 1473 T.K. (Js 5); 4) rehefa naverin’i Hezekia tamin’ny laoniny ny fivavahana marina (2Ta 30); 5) tamin’ny andron’i Josia (2Ta 35); ary 6) rehefa nody ireo natao sesitany tany Babylona (Ezr 6). (Nankalazaina koa ny Paska tamin’ny andron’i Samoela sy tamin’ny andron’ny mpanjaka, araka ny 2Ta 35:18.) Tsy isan-tokantrano na isan-tanàna intsony no nankalazana ny Paska rehefa tao amin’ny Tany Nampanantenaina, fa ‘tany amin’izay toerana nofidin’i Jehovah hampitoerana ny anarany.’ Tany Jerosalema izany, tatỳ aoriana.—De 16:1-8.
Fiovana tatỳ aoriana. Nisy novana sy nampiana ny fankalazana ny Paska, rehefa tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Israely. Tsy hoe nitsangana sy niomana toy ny hanao dia lavitra intsony izy ireo, satria efa tao amin’ilay tany nomen’Andriamanitra azy. Nandry tamin’ny ilany havia sy nihazona ny lohany tamin’ny tanany havia ireo nankalaza ny Paska tamin’ny taonjato voalohany, toa an’ilay mpianatra ‘nandry ilika teo akaikin’ny tratran’i Jesosy.’ (Jn 13:23) Tsy nampiasa divay ireo nankalaza ny Paska tany Ejipta, ary tsy nandidy ny hampiasana azy io i Jehovah. Tatỳ aoriana izy io vao nampiasaina, ary tsy nandrara ny hanaovana izany i Jesosy. Nisotro divay niaraka tamin’ny apostoliny izy, ary nanolotra kaopy azy ireo mba hisotroany, rehefa nosantariny ny Sakafo Harivan’ny Tompo na ny Fahatsiarovana.—Lk 22:15-18, 20.
Divay mena no nampiasaina ary kaopy efatra no nampitampitaina, araka ny lovantsofina jiosy, na dia tsy voatery ho efatra aza ireo kaopy. Nohiraina nandritra ilay fankalazana ny Salamo faha-113-118, ka ny faha-118 no namaranana azy. Azo inoana fa nohirain’i Jesosy sy ny apostoliny ny iray tamin’ireo, rehefa nifarana ny Sakafo Harivan’ny Tompo.—Mt 26:30.
Fomba amam-panao. Nisy fiomanana be natao tao Jerosalema rehefa nanakaiky ny Paska. Nodidiana hankalaza azy io mantsy ny lehilahy israelita rehetra sy ny lehilahy mpivahiny voafora No 9:9-14) Maro be àry ny olona nankany Jerosalema, andro maromaro talohan’izy io. Tonga talohan’ny Paska izy ireo mba hanadio ny tenany araka ny Lalàna. (Jn 11:55) Nisy lehilahy nirahina iray volana mialoha teo ho eo, hono, hanamboatra tetezana sy lalana mba tsy ho sahirana ireo vahiny. Nisy fepetra manokana noraisina koa hiarovana an’ireo nanao dia lavitra mba tsy hikasika faty ka haloto. Nolokoana fotsy ny fasana teny an-tsaha, iray volana talohan’ilay fety, mba ho mora hita satria nalevina tao izay olona maty teny. (Ny Tempoly, nataon’i A. Edersheim, 1874, p. 184, 185) Izany no nahatonga an’i Jesosy hilaza hoe tahaka ny “fasana voalalotra fotsy” ny mpanora-dalàna sy Fariseo.—Mt 23:27.
rehetra. (Efa nomanina koa ny trano handraisana an’ireo tonga hankalaza ny Paska. Azo natoriana ny efitra rehetra tao amin’ny tranon’ny Jiosy, ary afaka niray efitra ny olona maromaro. Azo nampiasaina koa ny tampon-trano satria marin-tampona. Maro koa no nilasy tany ivelan’ny mandan’i Jerosalema, indrindra fa tao Betifaga sy Betania, tanàna kely teo amin’ny tehezan’ny Tendrombohitra Oliva.—Mr 11:1; 14:3.
Fanazavana andininy sasany. Hoy ny Jaona 18:28: ‘Tsy niditra tao an-dapan’ny governora ireo [Jiosy], mba tsy ho voaloto ka ho afaka hihinana ny Paska.’ Nihevitra izy ireo fa ho voaloto raha niditra tao an-tranon’ny hafa firenena. (As 10:28) “Vao maraina” anefa tamin’izay, izany hoe efa vita ny fankalazana ny Paska. Tsara homarihina fa ilay fe-potoana nankalazana ny Paska sy ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay nanarakaraka azy io no nantsoina indraindray hoe “Paska.” Nanazava àry i Alfred Edersheim fa nisy fanati-pihavanana natolotra an-tsitrapo ny andron’ny Paska, ary iray hafa tsy maintsy natolotra ny ampitson’iny, ny 15 Nisana, izay andro voalohan’ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay. Nanahy àry ireo Jiosy sao ho voaloto raha nankao amin’ny efitra fitsaran’i Pilato, ka tsy ho afaka hihinana amin’io fanatitra faharoa io.—Ny Tempoly, 1874, p. 186, 187.
“Ny andro voalohan’ny fetin’ny mofo tsy misy lalivay.” Manitikitika ny saina koa ilay voalazan’ny Matio 26:17 hoe: “Tamin’ny andro voalohan’ny fetin’ny mofo tsy misy lalivay, dia nanatona an’i Jesosy ny mpianatra ka nilaza hoe: ‘Aiza no tianao hikarakaranay ny Paska mba hihinananao azy?’”
Azo adika koa hoe “iray andro talohan’ny” ilay hoe “ny andro voalohan’ny” eo. Izao no fanamarihana ambany pejin’ny Matio 26:17 (Rbi8) momba an’ilay teny grika nadika hoe ‘voalohany’ eo: “Na: ‘iray andro talohan’ny.’ Arahina teny ilazana tompon-javatra eto ilay teny gr. hoe prôtôs, ka mety raha adika koa hoe ‘talohan’ny’ toy ny ao amin’ny Jaona 1:15, 30, izay mitovy firafitra amin’ilay eto ary manao hoe ‘efa nisy talohako [prôtôs].’” Hoy koa ny Rakibolana Grika-Anglisy nataon’i Liddell sy Scott: “[Prôtôs] indraindray no ampiasaina, nefa [prôterôs (‘teo aloha, taloha’)] no toa tokony ho izy.” (Nohavaozin’i H. Jones, Oxford, 1968, p. 1535) Noheverina ho ny andro voalohan’ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay ny andron’ny Paska tamin’izany. Mifanaraka tsara amin’ny dikan’ilay teny grika sy ny fomba amam-panaon’ny Jiosy àry ilay fanontaniana napetraky ny mpianatr’i Jesosy, iray andro talohan’ny Paska.
“Andro fiomanana.” Hoy ny Jaona 19:14 rehefa hifarana ny fitsarana an’i Jesosy teo anatrehan’i Pilato: “Andro fiomanana ho amin’ny Paska tamin’izay, ary tamin’ny ora fahenina [teo anelanelan’ny amin’ny 11 sy 12 antoandro] teo ho eo.” Ny alina talohan’io anefa no efa nankalazaina ny Paska. Ahitana an’ilay hoe ‘andro fiomanana’, izay nadika avy amin’ny teny grika hoe paraskeoe, koa ny Jaona 19:31, 42. Toa tsy ilay andro talohan’ny 14 Nisana no tiana holazaina amin’io teny io, fa ilay andro talohan’ny sabata isan-kerinandro. “Sabata lehibe” anefa tamin’izay, satria andro voalohan’ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay (15 Nisana) sady sabata isan-kerinandro. Tsy diso àry ny voalazan’ny Jaona 19:14 satria ilay fe-potoana nankalazana an’ilay fety no natao indraindray hoe “Paska.”—Jn 19:31; jereo ANDRO FIOMANANA.
Ny mifanitsy aminy. Nilaza ny apostoly Paoly fa tandindona ihany ny Paska, rehefa nampirisika ny Kristianina hadio fitondran-tena izy. Hoy izy: “Fa efa natao sorona tokoa i Kristy, izay toy ny zanak’ondrin’ny Paska.” (1Ko 5:7) Hoy koa i Jaona Mpanao Batisa momba an’i Jesosy: “Iny ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!” (Jn 1:29) Mety ho ny zanak’ondrin’ny Paska no tao an-tsainy, na ilay ondrilahy nataon’i Abrahama fanatitra ho solon’i Isaka zanany, na ilay ondrilahy natolotra teo ambony alitara tany Jerosalema isa-maraina sy isan-kariva.—Ge 22:13; Ek 29:38-42.
Mifanitsy amin’ny zavatra sasany natao tamin’ny Paska ny nataon’i Jesosy. Ny ra nahosotra tamin’ny trano tany Ejipta, ohatra, no nahatonga an’ilay anjely tsy handringana an’ireo lahimatoa tao. Ny ran’i Kristy koa no nanafaka an’ireo Kristianina voahosotra (1Te 1:10; Ef 1:7) izay nantsoin’i Paoly hoe fiangonan’ny lahimatoa (He 12:23). Tsy nisy notapahina ny taolan’ilay zanak’ondrin’ny Paska. Tsy nisy notapahina koa ny taolan’i Jesosy rehefa novonoina izy, araka ny faminaniana. (Sl 34:20; Jn 19:36) Anisan’ny aloky ny zavatra ho avy noraketin’ny Lalàna àry ny Paska nankalazain’ny Jiosy hatry ny ela. I Jesosy Kristy mantsy ilay “Zanak’ondrin’Andriamanitra.”—He 10:1; Jn 1:29.