Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Patara

Patara

(Patàra).

Seranana tany Lykia. Tao ny apostoly Paoly sy ny namany no nifindra sambo ho any Fenisia, azo inoana hoe tamin’ny taona 56. (As 21:1, 2) Maro no milaza an’i Patara ho ilay tanàna efa rava ao Djelemish any amin’ny faritra be tendrombohitra eny amin’ny morontsiraka atsimoandrefan’i Azia Minora, sady tokotokony ho 10 km any atsinanan’ny vinanin’ny Reniranon’i Ksantosy (Koca). Seranana fivezivezen’ny sambo avy tany Italia, Ejipta, Syria, ary avy any an-toeran-kafa i Patara. Seranana lehibe izy io ho an’ireo tanàna teny amin’ny lohasaha nolalovan’ny Reniranon’i Ksantosy.

Misy sora-tanana tranainy manampy hoe “ary Myra” aorian’ny hoe Patara ao amin’ny Asan’ny Apostoly 21:1. Raha marina izany, dia nandalo tao Patara na nijanona tao ilay sambo nitondra an-dry Paoly avy tany Mileto, ary nifindra sambo tao Myra izy ireo fa tsy tao Patara.