Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Patmo

Patmo

(Patmô).

Nosy nanaovana sesitany ny apostoly Jaona, noho izy “niresaka ny amin’Andriamanitra ... sady vavolombelona nanambara an’i Jesosy.” (Ap 1:9) Tany izy no nahazo an’ireo fahitana ao amin’ny Apokalypsy. Milaza ny lovantsofina fa i Domitien, no nandefa an’i Jaona tany amin’ny nosy Patmo, ka rehefa maty io mpitondra io (taona 96), vao afaka tany izy.​—Ireo Ray Velona Talohan’ny Fanekem-pinoana Tany Nicée, Boky Faha-8, p. 562, “Asan’ilay Apostoly Masina sy Mpitory Evanjely ary Teolojianina Atao hoe Joany.”

Eo amin’ny Ranomasina Ikarianina (anisan’ny Ranomasina Égée) no misy an’i Patmo, tokony ho 55 km andrefan’i Azia Minora, ary tokotokony ho 60 km andrefana atsimoandrefan’i Mileto. Latsaky ny 240 km ny elanelan’izy io sy ireo fiangonana fito resahin’ny Apokalypsy toko faha-2 sy faha-3. Miolikolika be ny morontsirak’io nosy kely volkanika io, izay sady ngazana no be vato. Mamboly varimbazaha sy oliva ary voaloboka anefa ny olona any ankehitriny. Mitokana kely i Patmo ka izany no mahatonga azy io sy ny nosy hafa eo amin’ny Ranomasina Égée nasiana fonja fanaovana sesitany.