Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Patrosa

Patrosa

(Patròsa).

Voatonona miaraka amin’i Ejipta (heb.: Mitsrayim) foana i Patrosa. (Ezk 30:13, 14) Ampifandraisin’ny ankamaroan’ny manam-pahaizana amin’ny teny ejipsianina midika hoe “Tany Atsimo” ny hoe Patrosa, ka azo inoana fa nanondro an’i Ejipta Ambony izy io. Matetika no antsoina hoe Ejipta Ambony ny faritry ny Lohasahan’i Neily manomboka eo atsimo kelin’i Memfisa mianatsimo, ka hatrany Syena (Assouan ankehitriny) eo amin’ny riandrano voalohany. Toa tany tokoa no nisy an’i Patrosa ary teo atsimony ny sisin-tanin’i Kosy (Etiopia), rehefa jerena ny Isaia 11:11, izay nilaza mialoha fa hody ireo Israelita natao sesitany tany ‘Ejipta [Mizraima] sy Patrosa ary Kosy.’ Mifanitsy amin’ny faritra notanisain’i Esara-hadona Mpanjaka ao amin’ny asa soratra asyrianina iray izy ireo, dia i “Ejipta (Mosor), Patorisy, sy Nobia [Koso na Kosy].”​—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 290.

Milaza ny Ezekiela 29:14 fa ‘tany niavian’ny’ Ejipsianina i Patrosa. Toa manamarina izany ny lovantsofina ejipsianina, raha araka ny fitantaran’i Hérodote (II, 4, 15, 99). Tany Ejipta Ambony, indrindra fa tany amin’ny faritr’i Thèbes, mantsy, hono, no nisy ny renivohitry ny fanjakana ejipsianina voalohany, ary mpanjaka iray nantsoin’i Hérodote hoe Ménès (anarana tsy hita ao amin’ireo soratra ejipsianina) no nitondra tamin’izany. Mitantara zavatra mitovy amin’izany koa i Diodore avy any Sicile (taonjato voalohany). (Diodore avy any Sicile, I, 45, 1) Mety ho namerina fotsiny ny tantara marina ao amin’ny Baiboly momba an’i Mizraima (ilazana an’i Ejipta) sy ny taranany, anisan’izany ireo Patrosima, ny lovantsofina ejipsianina resahin’ireo Grika mpahay tantara ireo.​—Ge 10:13, 14.

Nandositra tany Ejipta ny sisa tamin’ny Jiosy, rehefa noravan’i Nebokadnezara i Joda. Anisan’ny tanàna nipetrahan’izy ireo i Migdola, Tapanesa, Nofa (samy tany Ejipta Ambany izy telo ireo), ary “Patrosa.” (Je 44:1) Nanompo sampy izy ireo tany, ka nomelohin’i Jehovah ary nampitandremany fa ho avy hanafika an’i Ejipta i Nebokadnezara. (Je 44:15, 26-30) Nisy Jiosy nonina tokoa tany amin’iny farany atsimon’i Ejipta fahiny iny, tany Éléphantine, akaikin’i Syena. Manamarina izany ny voalazan’ny taratasy papyrus tamin’ny taonjato fahadimy T.K.