Patrosima
(Patrosìma) [An’i Patrosa].
Voatonona fahadimy amin’ireo naterak’i Mizraima, zanak’i Hama. (Ge 10:6, 13, 14; 1Ta 1:11, 12) Mitovy ihany ny hoe Patrosa sy Patrosima, fa amin’ny endriny milaza maro ilay hoe Patrosima. (Ezk 29:14) Mety hidika izany fa nanorim-ponenana tany Ejipta Ambony ny fokon’i Patrosima, na lasa betsaka azy ireo tany.