Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Pedaia

Pedaia

(Pedaià) [midika hoe “Nanavotra i Jehovah”].

1. Rain’i Joela, izay andrianan’ny antsasaky ny fokon’i Manase tany andrefan’i Jordana, tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka.​—1Ta 27:20, 22.

2. Rain’i Zebida renin’i Joiakima. Nonina tany Romaha izy.​—2Mp 23:36.

3. Iray amin’ireo zanakalahin’i Joiakina (Jekonia) Mpanjaka, ary ny anarany no voatonona fahatelo. Teraka tany an-tsesitany tany Babylona izy, ary rain’i Zerobabela Governora. Nitana toerana lehibe àry izy satria anisan’ny taranaka nifandimby niavian’i Jesosy. (1Ta 3:17-19) Antsoina koa hoe zanak’i Sealtiela rahalahin’i Pedaia i Zerobabela, nefa tsy voalaza ny antony. Maty angamba i Pedaia tamin’i Zerobabela mbola kely, ka natsangan’i Sealtiela ho zanany izy. Na, maty tsy nitera-dahy i Sealtiela, ka nitondra loloha ny vadiny i Pedaia ary niteraka an’i Zerobabela, izay nampitondrainy ny anaran’ny rahalahiny.​—Ezr 5:2; Mt 1:12.

4. Benjamita. Nonina tao Jerosalema ny taranany taorian’ny sesitany tany Babylona.​—Ne 11:4, 7.

5. Taranak’i Parosy, ary nanampy an’i Nehemia hanamboatra ny simba tamin’ny mandan’i Jerosalema.​—Ne 3:25.

6. Israelita taorian’ny sesitany. Mpisorona angamba izy, ary nijoro teo ankavian’i Ezra rehefa novakina tamin’ny vahoaka tafavory ny Lalàn’i Jehovah.​—Ne 8:1, 4.

7. Levita mendri-pitokisana. Rehefa niverina fanindroany tao Jerosalema i Nehemia, dia nasainy niandraikitra ny ampahafolon’ny vokatra izy sy Selemia mpisorona ary Zadoka mpanao dika soratra.​—Ne 13:6, 7, 12, 13.