Pelatia
(Pelatìa) [Nanafaka i Jehovah].
1. Iray tamin’ireo lohandohany efatra teo amin’ny taranak’i Simeona, izay nifehy 500 lahy, ka nankany amin’ny Tendrombohitra Seira mba hamely an’ireo sisa afa-nandositra tamin’ny Amalekita, tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka.—1Ta 4:41-43.
2. Zanakalahin’i Benaia, sady andrianan’ny Israely, izay hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana. ‘Nitetika hanisy ratsy sy nanolo-kevi-dratsy’ mba hahavoa an’i Jerosalema i Pelatia sy Jazania. Maty i Pelatia, tamin’i Ezekiela naminany ny loza hanjo ny vahoakan’Israely.—Ezk 11:1-13.
1Ta 3:19-21) Mety ho izy ihany ilay Pelatia No. 4.
3. Taranak’i Davida tatỳ aoriana be, ary zafikelin’i Zerobabela. (4. Lohan’ny fianakaviambe, izay anisan’ireo nanisy tombo-kase an’ilay fianianana hoe tsy hanambady vehivavy hafa firenena.—Ne 9:38; 10:1, 14, 22; jereo No. 3.