Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Pelonita

Pelonita

(Pelonìta).

Teny ilazana ny fiavian’i Heleza sy Ahia, izay samy miaramilan’i Davida, nitana toerana ambony. (1Ta 11:26, 27, 36; 27:10) Lazain’ny fitantarana mifanitsy amin’io ao amin’ny 2 Samoela 23:26 fa “Paltita” i Heleza, ary io Paltita io no tian’ny mpanoratra diksionera kokoa noho ny hoe Pelonita. Tsy ahitana ny anaran’i Ahia (1Ta 11: 36) na ny hoe Ahia Paltita mihitsy anefa ao amin’ny 2 Samoela 23:24-39, izay lisitra mifanitsy amin’ilay ao amin’ny bokin’ny Tantara Voalohany.