Penoela
(Pènoela) [Endrik’Andriamanitra].
1. “Rain’i Gedora” avy amin’ny fokon’i Joda. (1Ta 4:1, 4) Toa anaran-tanàna tany Joda anefa ny hoe Gedora. Mety ho i Penoela àry no nanorina azy io, na izy no razamben’ny mponina tao.
2. Lohan’ny fianakaviambe teo amin’ny fokon’i Benjamina, ary nonina tao Jerosalema. Zanakalahin’i Sasaka izy.—1Ta 8:1, 25, 28.
3. Tanàna tany atsimon’i Jaboka. Nangataka sakafo tamin’ny olona tao Penoela i Gideona, tamin’ny andron’ny Mpitsara, mba hahafahan’ny tafiny hanenjika an’ireo mpanjakan’ny Midianina ka tsy hijanona. Nanda anefa ny mponina tao. Narodan’i Gideona àry tatỳ aoriana ny tilikambony, sady naripany ny lehilahy rehetra tao. (Mpts 8:4-9, 17) Tsy misy firesahana momba an’i Penoela intsony, raha tsy tamin’ny andro nanjakan’i Jeroboama I, izay “nanorina” azy io indray, na nanamafy azy, fara faharatsiny.—1Mp 12:25.
Maro no mihevitra an’i Penoela ho i Tolol edh-Dhahab esh-Sherkiyeh, tokotokony ho 6 km any atsinanan’i Sokota, ary any akaikin’i Jaboka, izany hoe tokotokony ho 14 km any avaratratsinanan’ny fihaonan’i Jaboka sy Jordana. Hita avy amin’ny sisan-javatra mbola eo fa voaro mafy tsara ilay tanàna fahiny, sady tsara toerana, ka nahafahana nanara-maso an’izay nankao amin’ny hadilanan’i Jaboka, dia ilay lalana miankandrefana mankany Jordana.—Jereo PENIELA.