Peora
(Peòra).
Voalaza fa “teo an-tampon’i Peora, izay ahatazanana an’i Jesimona”, ny toerana fahatelo nitondran’i Balaka Mpanjaka an’i Balama mpaminany mba hanozona ny Israely. (No 23:28) Teo i Balama no nahatazana ireo tranolain’ny Israely teo amin’ny Lemak’i Moaba.—No 22:1; 24:2.
Misy mihevitra fa fanafohezana an’i Beti-peora ny hoe Peora. (De 4:46) Toa tanàna tao amin’ny anjara lovan’i Robena anefa i Beti-peora. (Js 13:15, 16, 20) Misy milaza àry fa tendron’ny tendrombohitra iray i Peora, ary nantsoina hoe Beti-peora kosa ilay tanàna satria teo amin’ny tehezan’io tendrombohitra io. Toa nisy nifandraisany tamin’ny fivavahana tamin’i “Balan’i Peora” i Peora sy Beti-peora (No 25:1-3, 18; 31:16; Js 22:17), ary mety ho teo an-tampon’i Peora ny foiben’io fivavahana feno fitondran-tena maloto io.—Jereo BALA No. 7; BALAN’I PEORA.
Nentina tany Bamota-bala aloha i Balama, vao tany “an-tampon’i Pisga”, ary farany tany “an-tampon’i Peora”, izany hoe avy tany atsimo no nianavaratra. (No 22:41; 23:14, 28) Tany avaratr’i Pisga sy ny Tendrombohitra Nebo àry no nisy an’i Peora. Mety ho iray amin’ireo tampon-tendrombohitra manodidina ny Lohasaha Falehan-driaka Hosbana i Peora, araka ny tenin’i Eusèbe sy Jérôme, tamin’ny taonjato fahatelo sy fahefatra.—Jereo BETI-PEORA.