Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Peratra

Peratra

Zavatra boribory atsofoka amin’ny rantsantanana. Nisy isan-karazany izy io ary nanao azy io ny vehivavy sy lehilahy hebreo, ejipsianina, asyrianina, babylonianina, grika, romanina, ary ny tany amin’ny firenen-kafa fahiny. Nisy haingo toy ny peratra koa natao tamin’ny sofina na orona. (Jereo KAVINA; KAVIN’ORONA.) Volamena, volafotsy, varahina, halimo, fitaratra, vy, na ivoara ny peratra ary nasiana vatony ny sasany. Tena tian’ny Ejipsianina ny peratra nisy sarina voangoribe, izay noheveriny ho mariky ny fiainana mandrakizay. Anisan’ny firavaka maro be hita tao amin’ny fasan’i Toutankhamon faraon’i Ejipta, ny peratra telo sosona nisy voangoribe telo (fitaratra manga ny iray, ary volamena ny roa). Ny peratry ny Romanina sasany kosa nisy sary sokitra, toy ny sarin’ireo bibiolona resahin’ny angano, na sarin’ny razambeny na ny an’ny namany.

Nilaza i Jesosy tao amin’ny fanoharany momba ilay zanaka adala fa rehefa nody izy io, dia nasain-drainy nasiana peratra ny tanany. (Lk 15:22) Midika izany fa sitrak’ilay ray sy tiany ny zanany, navelany ny helony, ary nomeny haja amam-boninahitra izy. Nilaza i Jakoba rahalahin’i Jesosy fa tsy tokony hiangaran’ny Kristianina ireo manao akanjo mirenty sy peratra volamena (fanaon’ny olona ambony sy mpanankarena). (Jk 2:1-9) Tsy hoe ratsy ny manao firavaka toy ireny, hoy ny apostoly Petera, saingy ny fananana toetra tsara no zava-dehibe kokoa.​—1Pe 3:1-5.

Peratra fanombohan-kase. Avy amin’ny fototeny midika hoe ‘milentika’ (Je 38:6) sy ‘manisy tombo-kase’ (1Mp 21:8) ny teny hebreo nadika hoe peratra sy peratra fanombohan-kase. Mety ho ‘nalentika’ na napetaka tamin’ny tanimanga na savoka mantsy ny peratra fahiny fanisiana tombo-kase. Volamena, volafotsy, na halimo izy ireny, ary ny sasany nasiana vato misy ny anaran’ilay olona na ny famantarana azy. Be haingonkaingony izy ireny, na nisy tampony azo nahodina. Nisy koa nafatotra tamin’ny tady ary mety ho niambozonana.​—Ge 38:18, 25.

Mariky ny fahefan’ny mpitondra na olona ambony ny peratra fanombohan-kaseny. (Ge 41:41, 42) Nasiana tombo-kase ny taratasy na ny zavatry ny fanjakana mba tsy hisy hanova na hikitikitika, toy ny fampiasantsika tombo-kase ofisialy sy sonia ankehitriny ihany.​—Es 3:10-13; 8:2, 8-12; Da 6:16, 17.

Heviny an’ohatra. Toa nilazana olona na zavatra sarobidy ny peratra fanombohan-kase fahiny. Hiharan-doza i Konia (Joiakina) mpanjakan’ny Joda, hoy i Jeremia, na dia ‘peratra fanombohan-kase teo an-tanana ankavanan’i Jehovah’ aza. Naongana tokoa izy rehefa avy nanjaka kelikely. (Je 22:24; 2Mp 24:8-15) Hoy kosa i Jehovah momba an’i Zerobabela tsy nivadika: “Hampiasa anao aho ... ka hataoko toy ny peratra fanombohan-kase ianao, fa ianao no nofidiko.” (Hg 2:23) Sarobidy tamin’i Jehovah toy ny peratra fanombohan-kase teo an-tanany i Zerobabela mpanompony, izay niandraikitra ny fanorenana indray ny tempolin’i Jerosalema. Sahy nanorina azy io izy na dia teo aza ny fandraran’ny mpanjakan’i Persa (izay tsy nahalala ny zava-misy), satria nankatoaviny ny tenin’i Jehovah nampitain’i Hagay sy Zakaria mpaminany. (Ezr 4:24–5:2) Izy àry no nampiasain’i Jehovah hanatanteraka ny fikasany, ary tsy nisy mpitondra olombelona nahongana azy.