Perga
(Pergà).
Tanàna lehibe tany Pamfylia, faritany romanina. Ny tanàna ravan’i Perga fahiny, dia voalaza fa tany akaikin’ny tanàna kelin’i Murtana, 13 km eo ho eo miala ny morontsiraka atsimon’i Azia Minora, ary tokotokony ho 8 km any andrefan’ny Reniranon’i Cestrus (Akso). Nilaza i Strabon, Grika mpahay jeografia, fa fahiny io renirano io, dia azon’ny sambo nivezivezena hatrany Perga tany avaratra. (Jeografia, 14, IV, 2) Toa i Atalia izay teo akaiky teo no seranan’i Perga. Teo amoron-tsirak’i Pamfylia no nisy an’i Atalia, izay lasa nalaza kokoa noho i Perga, tatỳ aoriana.—Ampit. As 14:24-26.
Nankany amin’io tanàna io ny apostoly Paoly sy ny namany teo am-piandohan’ny dia misionera voalohany nataony. (As 13:13) “Nanambara ny teny tao Perga” izy ireo, rehefa hifarana io dia io. Tsy fantatra anefa raha nisy olona lasa Kristianina tao na tsia.—As 14:24, 25.