Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Perla

Perla

Vatosoa boribory malama sy somary mafy ary matetika no fotsy sady somary mangilatra. Efa hatry ny ela ny perla no nampiasaina ho haingo sy ravaka. (1Ti 2:9; Ap 17:4; 18:11, 12, 15, 16; 21:2, 21) Karbonatana kalsioma lasa mafy izy io, ary ny masaja sy ny sifodranomasina sasany no manamboatra azy ao anatiny ao. Ahoana no ataony? Rehefa misy zavatra madinika iray (fasika na katsentsitra kely) tafiditra eo anelanelan’ny nofon’io biby io sy ny akorany ka manorisory azy, dia mamoaka zavatra toy ny karbonatana kalsioma (antsoina hoe hara) ilay biby, ary fonosiny amin’iny ilay zavatra tafiditra ao anatiny. Manjary misy sosona hara maromaro àry manodidina an’io zavatra io, ary mihamafy ilay hara. Lasa perla tsara tarehy izany, rehefa afaka taona maromaro, raha tsy mitambatra amin’ilay akorany sy manatevina azy io avy ao anatiny.

Mpamokatra perla fanao vatosoa ny karazana masaja avy any amin’ireo ranomasina mafana indrindra akaikin’ny tropika, ary indrindra fa ny any akaikin’i Bahreïn (Hoala Persika), sy ny any amin’ny Ranomasina Mena.

Ampiasaina an’ohatra. Sarobidy ny perla, ka ampiasaina an’ohatra indraindray, ao amin’ny Baiboly. Nilaza, ohatra, i Joba fa “sarobidy noho ny perla iray kitapo ny fahendrena”, satria tsy manam-paharoa ny tena fahendrena. (Jb 28:18) Hoy koa i Jesosy Kristy: “Aza omena ny alika ny zava-masina, ary aza atsipy eo anoloan’ny kisoa ny perla any aminareo sao hohitsakitsahiny, dia hifotitra aminareo izy ka hamiravira anareo.” (Mt 7:6) Tsy manaja zava-masina ny alika sy ny kisoa. Azo inoana fa te hilaza i Jesosy fa raha misy olona manao toy izany, dia tsy tokony hitoriana na hampianarina momba an’Andriamanitra intsony izy. Hohitsakitsahiny fotsiny mantsy ny zava-masina sy sarobidy, ary hanevateva na hanisy ratsy an’izay miezaka mitory aminy izy. Te hampiseho koa i Jesosy hoe sarobidy ny Fanjakan’ny lanitra, ka nampitahainy tamin’ny “perla iray” lafo vidy. “Nivarotra avy hatrany an’izay rehetra nananany” ary “nividy an’ilay perla” ny mpivaro-mandeha nitady perla faran’izay tsara. (Mt 13:45, 46) Tian’i Jesosy haseho amin’izany fa ho vonona hamoy ny zava-drehetra ny olona iray mba hahazoana ny Fanjakan’ny lanitra, raha takany hoe tena sarobidy izy io.​—Ampit. Mt 11:12; Lk 13:23-25; Fi 3:8-11.