Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Petahia

Petahia

(Petahìa) [Nanokatra [ny Kibo] i Jah].

1. Fianakaviambe voafidy ho fizarana faha-19 tamin’ny antoko-mpisorona 24 nifandimby izay nalamin’i Davida.​—1Ta 24:5-7, 16.

2. Anisan’ny Levita nasain’i Ezra nandroaka ny vadiny hafa firenena. (Ezr 10:23, 44) Mety ho izy ihany ilay No. 3.

3. Anisan’ny Levita nandrisika an’ireo avy tany an-tsesitany mba hanao “fianianana.” Tamin’izay ireo Levita no nitantara ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny firenen’Israely fahiny, niaiky ny fahotany, ary nanaiky hanaraka indray ny fivavahana marina. (Ne 9:5-38) Mety ho izy ihany ilay No. 2.

4. Zanakalahin’i Mesezabela sy taranak’i Zera avy tamin’ny fokon’i Joda. Nanelanelana an’ireo avy tany an-tsesitany sy ny mpanjakan’i Persa izy.​—Ne 11:24.