Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Petera

Petera

(Petèra) [Sila-bato].

Ilay apostolin’i Jesosy Kristy izay manana anarana dimy samihafa ao amin’ny Baiboly: 1) “Simeona” (teny heb.); 2) “Simona” (teny gr. avy amin’ny fototeny heb. midika hoe “mandre; mihaino”); 3) “Petera” (anarana gr. tsy misy manana afa-tsy izy ihany ao amin’ny Baiboly); 4) “Kefasy” (teny semitika mifanitsy amin’ny hoe Petera, ary angamba misy ifandraisany amin’ilay teny heb. hoe kefim [vatolampy na harambato] hita ao amin’ny Jb 30:6; Je 4:29); ary 5) “Simona Petera” izay anarana roa ampiarahina matetika.​—As 15:14; Mt 10:2; 16:16; Jn 1:42.

Zanak’i Jaona (Jona) i Petera. (Mt 16:17; Jn 1:42) Nipetraka tany Betsaida izy tamin’ny voalohany (Jn 1:44), fa tany Kapernaomy tatỳ aoriana. (Lk 4:31, 38) Eo amin’ny morontsiraka avaratry ny Ranomasin’i Galilia ireo tanàna ireo. Mpanarato i Petera sy Andrea rahalahiny, ary azo inoana fa niara-niasa tamin’i Jakoba sy Jaona (zanak’i Zebedio) izay voalaza fa “iray asa tamin’i Simona.” (Lk 5:7, 10; Mt 4:18-22; Mr 1:16-21) Tsy niasa irery àry i Petera, fa nanana orinasa kely fanaratoana. Marina fa nihevitra an’i Petera sy Jaona ho “tsy dia nahita fianarana ... sady olon-tsotra” ireo lohandohany teo amin’ny Jiosy, nefa tsy midika izany hoe tsy nahay taratasy na tsy nandia lakilasy izy ireo. Agrammatôs mantsy no teny nampiasaina eo, ary nampiasain’ny Jiosy io teny io mba “hilazana olona tsy nianatra ny Soratra Masina tany amin’ny sekolin’ireo raby.”​—Ny Diksioneran’ny Baiboly nataon’i Hastings, 1905, Boky III, p. 757; ampit. Jn 7:14, 15; As 4:13.

Nanambady i Petera ary toa nanaraka azy ny vadiny, tatỳ aoriana, rehefa namita iraka izy (tsy voatery ho tamin’ny iraka rehetra). Toy izany koa no nataon’ny vadin’ireo apostoly hafa. (1Ko 9:5) Niara-nipetraka tamin’i Petera, tao an-tranon’izy sy Andrea, ny rafozambaviny.​—Mr 1:29-31.

Niara-nanompo tamin’i Jesosy. Anisan’ireo voalohandohany lasa mpianatr’i Jesosy i Petera, ka i Andrea, izay mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa, no nitondra azy tany amin’i Jesosy. (Jn 1:35-42) Nomen’i Jesosy an’ilay anarana hoe Kefasy (Petera) izy tamin’izay (Jn 1:42; Mr 3:16), ary toa nilaza izay hataon’i Petera io anarana io. Tonga dia fantatr’i Jesosy mantsy ny toetran’i Petera, toy ny nahalalany ny toetran’i Natanaela sy nilazany hoe “olona tsy misy fitaka” izy. Nahery fo tokoa i Petera ka azo lazaina hoe toy ny harambato, indrindra fa taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy nitsanganany tamin’ny maty. Nampahery an’ireo Kristianina hafa foana izy.​—Jn 1:47, 48; 2:25; Lk 22:32.

Tatỳ aoriana, tany Galilia, dia nasain’i Jesosy hanara-dia azy sy ho lasa “mpanarato olona” i Petera sy Andrea rahalahiny ary Jakoba sy Jaona mpiara-miasa tamin’izy ireo. (Jn 1:35-42; Mt 4:18-22; Mr 1:16-18) Fa inona no nitranga tamin’izay? Avy teo amin’ny sambokelin’i Petera i Jesosy no nampianatra ny vahoaka teo amoron-drano. Nasainy nandatsaka harato i Petera, taorian’izay. Nisalasala anefa izy. Nanao fahagagana àry i Jesosy, ka nahazo trondro be dia be i Petera sy izy telo lahy mpiara-miasa taminy. Natahotra i Petera rehefa nahita izany ka nandohalika teo anoloan’i Jesosy. Nanasa azy ireo hanara-dia azy i Jesosy, ka tonga dia nandao ny asany izy ireo ary nanaraka an’i Jesosy. (Lk 5:1-11) Efa mpianatr’i Jesosy nandritra ny herintaona teo ho eo i Petera, rehefa voafidy ho anisan’ireo “apostoly” na ‘iraka’ 12 lahy.​—Mr 3:13-19.

Rehefa nisy fotoan-dehibe, dia matetika no i Petera sy Jakoba ary Jaona no apostoly nofidin’i Jesosy mba hiaraka taminy. Izy telo lahy ireo, ohatra, no niaraka taminy tamin’izy niova tarehy (Mt 17:1, 2; Mr 9:2; Lk 9:28, 29), sy tamin’izy nanangana ny zanakavavin’i Jairo (Mr 5:22-24, 35-42), ary tamin’izy nijaly mafy tao amin’ny zaridainan’i Getsemane (Mt 26:36-46; Mr 14:32-42). Izy telo lahy koa, niaraka tamin’i Andrea, no nanontany an’i Jesosy momba ny fandravana an’i Jerosalema, sy ny fanatrehan’i Jesosy, ary ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity. (Mr 13:1-3; Mt 24:3) Ny anaran’i Petera sy Andrea rahalahiny no miara-voatonona ao amin’ny lisitr’ireo apostoly. Ny anaran’izy sy Jaona anefa no miara-voatonona imbetsaka kokoa, rehefa mitantara izay nitranga taloha na taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nitsanganany tamin’ny maty ny Baiboly. (Lk 22:8; Jn 13:24; 20:2; 21:7; As 3:1; 8:14; ampit. As 1:13; Ga 2:9.) Nahoana? Tsy fantatra raha noho izy roa lahy mpinamana sy nitovitovy toetra, na noho izy ireo notendren’i Jesosy hiara-miasa.​—Ampit. Mr 6:7.

Hita ao amin’ireo Filazantsara fa i Petera no niteny imbetsaka indrindra raha oharina amin’ireo apostoly 11 hafa. Tena nafana fo izy fa tsy saro-kenatra na nisalasala hilaza ny heviny. Azo antoka fa izany no nahatonga azy hiteny voalohany na haneho ny heviny, rehefa tsy niteny ny hafa. Ny fanontaniana napetrany no nahatonga an’i Jesosy hanome fanazavana sy tsipiriany fanampiny momba an’ireo fanoharana nataony. (Mt 15:15; 18:21; 19:27-29; Lk 12:41; Jn 13:36-38; ampit. Mr 11:21-25.) Maika hiteny fotsiny anefa i Petera indraindray, ary tsy nieritreritra tsara. Izy irery no nahatsapa hoe tsy maintsy niteny, rehefa nahazo fahitana an’i Jesosy niova tarehy. (Mr 9:1-6; Lk 9:33) Somary very hevitra izy tamin’izay, ka nilaza tamin’i Jesosy hoe: “Tsara ho antsika eto, koa avelao izahay hanangana tranolay telo.” Toa te hilaza izy fa tiany hitohy ilay fahitana (raha iny handeha hisaraka tamin’i Jesosy iny i Mosesy sy Elia). Ny alina nankalazan’i Jesosy ny Paska farany, dia nanasa ny tongotry ny mpianany izy, nefa tsy nanaiky hosasany i Petera tamin’ny voalohany. Nahitsin’i Jesosy izy noho izany. Niova indray àry izy ka tiany hosasan’i Jesosy koa ny lohany sy ny tanany. (Jn 13:5-10) Hita tamin’izay rehetra nolazainy anefa hoe tena niahy an’i Jesosy sy tsara fanahy taminy sady nafana fo izy. Marina fa hita taratra tamin’ireny teniny ireny fa olombelona ihany izy, nefa mendrika ny hosoratana ao amin’ny Baiboly izy ireny matoa voatahiry ao.

Inona no nitranga rehefa tafintohina tamin’ny fampianaran’i Jesosy ny mpianany maro ka nandao azy? Nisolo tena an’ireo apostoly rehetra i Petera ka nilaza hoe: “Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay ... ianao Ilay Masin’Andriamanitra.” (Jn 6:66-69) Nanontany an’ireo apostoly i Jesosy hoe heverin’ny olona hoe iza izy. Samy namaly izy ireo, saingy mbola i Petera ihany no nafana fo niteny hoe: “Ianao no Kristy, Zanak’ilay Andriamanitra velona.” Nilaza i Jesosy tamin’izay hoe “sambatra” i Petera.​—Mt 16:13-17.

I Petera no niteny imbetsaka indrindra. Izy koa no nahitsy sy nanarina ary nobedesina matetika indrindra. Rehefa niteny i Jesosy fa hijaly sy ho faty izy satria Mesia, dia nentin’i Petera nihataka kely izy ka noteneniny mafy. Marina fa nangoraka an’i Jesosy izy, nefa tsy nety izany nataony izany. Hevitr’olombelona mantsy no tiany harahina, fa tsy ny hevitr’Andriamanitra izay efa nolazain’ny faminaniana. Nihodina i Jesosy ka niantso azy hoe mpanohitra, na Satana. (Mt 16:21-23) Tsara homarihina fa nijery an’ireo mpianany hafa i Jesosy tamin’izay. Mety hidika izany fa fantany hoe ny hevitr’ireo mpianatra hafa no nolazain’i Petera. (Mr 8:32, 33) Nisy nanontany i Petera, indray andro, raha nandoa hetra i Jesosy. Tsy nanontany an’i Jesosy akory izy fa tonga dia namaly. Nampian’i Jesosy moramora àry izy mba hahatsapa fa ilaina ny mieritreritra tsara kokoa alohan’ny hitenenana. (Mt 17:24-27) Hita hoe natoky tena loatra i Petera sady somary nanambony tena, rehefa nilaza fa na hahafoy an’i Jesosy daholo aza ireo apostoly hafa, izy kosa tsy mba hanao toy izany. Nilaza izy fa vonona hiaraka amin’i Jesosy hatrany am-ponja ary hiara-maty aminy mihitsy aza. Niteny toy izany koa ny hafa rehetra, saingy i Petera no niteny voalohany sady “nanizingizina” mihitsy. Namaly anefa i Jesosy fa handa ny Tompony intelo i Petera.​—Mt 26:31-35; Mr 14:30, 31; Lk 22:33, 34.

Marina fa niteny imbetsaka i Petera, nefa tsy nianina tamin’izany fotsiny izy fa nanao zavatra koa. Hita tamin’izay rehetra nataony fa tia nandray andraikitra sy be herim-po izy, sady tena tiany ny Tompony. Tonga dia nitondra olona maromaro, ohatra, izy ary ‘nitady fatratra’ an’i Jesosy, rehefa tsy hita izy fa nankany amin’ny toerana mitokana mba hivavaka vao maraina be. (Mr 1:35-37) I Petera koa no nangataka tamin’i Jesosy hoe: “Asaivo manatona anao eny ambony rano aho.” Nandeha lavidavitra kely teo amin’ilay rano natopatopan’ny tafio-drivotra mihitsy aza izy, nefa natahotra ka nanomboka nilentika.​—Mt 14:25-32.

Nivavaka mafy tao amin’ny toerana iray tany amin’ny zaridainan’i Getsemane i Jesosy, ny alina farany niainany teto an-tany, ary i Petera sy Jakoba ary Jaona no nentiny nanaraka azy. Resin-tory, toa an’ireo apostoly hafa, i Petera satria reraka sady nalahelo. Hoy i Jesosy: “Tsy afaka niara-niari-tory tamiko adiny iray akory ve ianareo?” I Petera no nilazan’i Jesosy izany, satria izy no efa nanizingizina be fa ho eo anilan’i Jesosy foana. (Mt 26:36-45; Lk 22:39-46) Efa nampirisika i Jesosy hoe: “Mivavaha foana.” Tsy narahin’i Petera anefa izany, ka nizaka ny vokany izy.

Nisy vahoaka tonga hisambotra an’i Jesosy avy eo. Rehefa nahita an’ireo ny mpianatra, dia nanontany an’i Jesosy raha tokony hiady izy ireo, na tsia. Tsy niandry valiny i Petera fa avy hatrany dia namely lehilahy iray tamin’ny sabatra, ka nahafaka ny sofin’izy io (mbola ratsy kokoa noho izany aza no saika nataony). Nanitsy an’i Petera anefa i Jesosy. (Mt 26:51, 52; Lk 22:49-51; Jn 18:10, 11) Taorian’izay, dia nandao an’i Jesosy izy, toa an’ireo mpianatra hafa ihany. Nanaraka an’ilay vahoaka “teny lavidavitra teny” ihany anefa izy avy eo. Azo inoana fa sady natahotra ny ho faty izy, no niady saina hoe inona no hanjo an’i Jesosy.​—Mt 26:57, 58.

Niverina nankany amin’ny mpisoronabe i Petera, ary azo inoana fa nanaraka azy ny mpianatra iray. Nanampy azy ilay mpianatra, ka tafiditra tao an-tokotanin’ny mpisoronabe izy. (Jn 18:15, 16) Tsy mba nimpirimpirina tany amin’ny takona izy rehefa tonga tao, fa nanatona teo akaikin’ny afo mba hamindro. Nisy nahalala izy hoe naman’i Jesosy, rehefa notarafin’ny hazavan’ilay afo. Hita tamin’ny fiteniny rahateo fa Galilianina izy. Intelo izy no nanda hoe tsy nahalala an’i Jesosy, rehefa nisy niampanga azy. Niozona mihitsy izy tamin’ilay fanintelony, mba hanamafisana ny teniny. Avy hatrany dia nisy akoho naneno fanindroany tany ho any, ary “nitodika” i Jesosy “ka nijery an’i Petera.” Nivoaka tany ivelany àry izy. Difotry ny alahelo izy, ka nitomany be. (Mt 26:69-75; Mr 14:66-72; Lk 22:54-62; Jn 18:17, 18; jereo FIANIANANA; MANENO AKOHO.) Efa nitalaho ho an’i Petera anefa i Jesosy talohan’izay, ka tsy levona ny finoany.​—Lk 22:31, 32.

Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy nitsanganany tamin’ny maty, dia nasain’ny anjely iray nampita hafatra ‘tamin’ny mpianatr’i Jesosy sy tamin’i Petera’ ireo vehivavy tonga tany am-pasana. (Mr 16:1-7; Mt 28:1-10) Notononin’ilay anjely mihitsy ny anaran’i Petera. Nilaza an’ilay hafatra tamin’i Petera sy Jaona i Maria Magdalena. Lasa nihazakazaka nankany amin’ny fasana àry izy roa lahy. Nihoaran’i Jaona anefa i Petera teny an-dalana. Rehefa tonga teny am-pasana i Jaona, dia nijanona ary nitsirika ny tao anatiny. I Petera kosa niditra rehefa tonga, ary taorian’izay i Jaona vao nanaraka azy. (Jn 20:1-8) Niseho tamin’i Petera i Jesosy, talohan’ny nisehoany tamin’ny mpianatra rehetra. Tokony ho nanome toky an’i Petera izany rehetra izany fa tsy hoe tapaka mandrakizay ny fifandraisany tamin’ny Tompo, na dia nanda azy intelo aza izy. Efa nibebaka mantsy izy.​—Lk 24:34; 1Ko 15:5.

Talohan’ny nisehoan’i Jesosy tamin’ireo mpianatra teo amin’ny Ranomasin’i Galilia (Tiberiasy), dia nilaza tamin’izy ireo i Petera fa handeha hanarato. Nanaraka azy koa izy ireo. Nijoro teo amin’ny torapasika i Jesosy, raha mbola nanarato izy ireo. Nilaza i Jaona hoe i Jesosy io. Nitsoraka avy hatrany i Petera ary nilomano nankeny aminy, fa ireo mpianatra hafa kosa no navelany hitondra an’ilay sambo ho eny amin’ny morony. Nangataka trondro i Jesosy avy eo, ka i Petera no nitaritarika an’ilay harato ho eny an-tanety. (Jn 21:1-13) Tamin’io no nanontanian’i Jesosy intelo i Petera (izay nanda ny Tompony intelo) raha tia azy. Nomeny baiko koa izy mba ‘hiandry ny ondriny.’ Nolazain’i Jesosy mialoha koa ny fomba hahafatesan’i Petera, ka nahatonga an’i Petera hanontany toy izao raha vao nahita an’i Jaona: “Tompo ô, inona kosa no hataon’itsy?” Mbola nahitsin’i Jesosy indray i Petera, ka nantitranteriny fa ny ‘manaraka’ azy no tokony hataony, fa tsy tokony hiasa saina amin’izay hataon’ny hafa izy.​—Jn 21:15-22.

Fanompoany tatỳ aoriana. Nanao fahadisoana i Petera satria natoky tena tafahoatra. Resin’ny tahotra izy. (Ampit. Oh 29:25.) “Tafarina” ihany anefa izy. Tokony ‘hampahery an’ireo rahalahiny’ àry izy, araka ny nampirisihan’i Kristy azy. (Lk 22:32) Tokony hiandry an’ireo ondrin’i Jesosy koa izy. (Jn 21:15-17) Izany tokoa no nataony. Nitondra anjara biriky lehibe foana izy, rehefa niara-nanao zavatra tamin’ny mpianatra hafa. Talohan’ny Pentekosta taona 33, dia izy no nandroso an’ilay hevitra hoe hosoloana i Jodasy, izay nivadika. Nanonona andinin-teny izy mba hanaporofoana hoe mety izany. Nanatanteraka ny hevitra narosony àry ireo mpianatra tafavory teo. (As 1:15-26) Mbola i Petera koa, tamin’izy nahazo fanahy masina tamin’ny Pentekosta, no nitondra ny tenin’ireo apostoly ka nampiasa an’ilay ‘lakile’ voalohany nomen’i Jesosy azy, mba hahafahan’ny Jiosy hiditra ao amin’ilay Fanjakana.​—As 2:1-41; jereo LAKILE.

Mbola nisongadina teo anivon’ny fiangonana kristianina voalohany i Petera, na dia taorian’ny Pentekosta aza. Izy sy Jaona ihany, ohatra, tamin’ireo apostoly voafidy voalohany, no voatonona anarana ao amin’ny Asan’ny Apostoly. Voaresaka kely fotsiny i “Jakoba, rahalahin’i Jaona”, izay novonoina. I Petera sy Jaona ary Jakoba no apostoly telo akaiky indrindra an’i Jesosy. (As 12:2) Toa ny fanaovana fahagagana no tena nampiavaka an’i Petera. (As 3:1-26; 5:12-16; ampit. Ga 2:8.) Nampian’ny fanahy masina izy, ka sahy niteny tamin’ireo mpitondra jiosy izay nisambotra azy sy Jaona. (As 4:1-21) I Petera koa no nitondra ny tenin’ireo apostoly rehetra, rehefa voasambotra izy ireo tatỳ aoriana ka nentina teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy. Nolazainy mazava tsara fa ‘Andriamanitra no mpitondra azy ireo ka izy no tsy maintsy ankatoaviny’, fa tsy olona nanohitra ny sitrapon’Andriamanitra. (As 5:17-31) Azo antoka fa tena faly i Petera satria nahavita niova. Tsy toy ny tamin’ilay alina nandavany an’i Jesosy intsony mantsy izy, ary vitany koa ny niaritra ny kapoka nataon’ireo mpitondra taminy. (As 5:40-42) Talohan’ny nisamborana an’i Petera fanindroany, dia nampian’ny fanahy masina izy ka namaky bantsilana ny fihatsarambelatsihin’i Ananiasy sy Safira, ary nilaza ny didim-pitsaran’Andriamanitra momba azy ireo.​—As 5:1-11.

Olona maro tany Samaria no nampian’i Filipo (mpitory ny vaovao tsara) ho tonga mpino ary nataony batisa, taoriana kelin’ny namonoana an’i Stefana. Nandeha nankany àry i Petera sy Jaona mba hahafahan’ireo mpino ireo hahazo fanahy masina. Tany i Petera no nampiasa ny faharoa tamin’ireo ‘lakilen’ilay fanjakana.’ Niverina tany Jerosalema izy roa lahy taorian’izay, ary “nitory ny vaovao tsara” tany amin’ny tanàna samaritanina maro, teny an-dalana. (As 8:5-25) Nandeha tany Lyda i Petera tatỳ aoriana, ary azo inoana fa iraka nampanaovina azy koa io. Nanasitrana an’i Enea, izay nalemy efa valo taona, izy tany. Natsangany tamin’ny maty koa i Dorkasy tao Jopa. (As 9:32-43) Nankany Kaisaria i Petera taorian’izay. Nasain’Andriamanitra nampiasa ny fahatelo tamin’ireo ‘lakilen’ilay fanjakana’ izy tany. Nitory tamin’i Kornelio mbamin’ny havana aman-tsakaizany mantsy izy, ka izy ireo no voalohany tamin’ireo olona hafa firenena tsy voafora izay nahazo ny fanahy masina mba ho afaka handova an’ilay Fanjakana. Nanohitra an’izany nataon’i Petera izany ny olona maro, rehefa tafaverina tany Jerosalema izy. Nanaiky ihany anefa izy ireo rehefa nanome porofo i Petera hoe nifanaraka tamin’ny tari-dalan’Andriamanitra ny zavatra nataony.​—As 10:1–11:18; ampit Mt 16:19.

Mety ho tamin’io taona io (taona 36) koa i Paoly no nitsidika voalohany tany Jerosalema, taorian’ny niovany ho Kristianina sy nanendrena azy ho apostoly. Nankany izy mba “hitsidika an’i Kefasy [Petera]”, ary nijanona 15 andro tany aminy. Nahita an’i Jakoba (ilay rahalahin’i Jesosy hafa ray) koa izy tany. I Petera ihany anefa no hitany tamin’ireo apostoly voafidy voalohany.​—Ga 1:18, 19; jereo APOSTOLY (Apostolin’ny fiangonana).

Misy porofo mampiseho fa tamin’ny taona 44 i Heroda Agripa I no namono ny apostoly Jakoba. Rehefa hitany fa nahafaly an’ireo lohandohany teo amin’ny Jiosy izany, dia nosamboriny koa i Petera. (As 12:1-4) “Nivavaka mafy” ho an’i Petera ny fiangonana, ka nisy anjelin’i Jehovah nanafaka azy tamin’ny fomba mahagaga avy tao am-ponja (ary angamba nanavotra azy tsy ho faty). Notantarain’i Petera tamin’ireo olona tao an-tranon’i Jaona Marka izany, ary nasainy nolazaina tamin’i “Jakoba sy ny rahalahy” avy eo. “Nankany an-toeran-kafa” izy, taorian’izay.​—As 12:5-17; ampit. Jn 7:1; 11:53, 54.

Tsy miresaka momba an’i Petera indray ny Asan’ny Apostoly, raha tsy ao amin’ny fitantarana momba ilay fivoriana nataon’ny “apostoly sy ny anti-panahy” tany Jerosalema. Nivory izy ireo mba hanapa-kevitra raha tokony hoforana, na tsia, ireo hafa firenena lasa Kristianina. Azo inoana fa tamin’ny taona 49 izany. Nisy adihevitra be tamin’izay, ary avy eo nitsangana i Petera ka niresaka momba izay nataon’Andriamanitra tamin’ireo hafa firenena lasa mpino. Voalaza fa “nangina ny rehetra”, ka hita amin’izany fa naharesy lahatra ny porofo nomeny, sady azo inoana fa nanaja azy koa ny olona rehetra teo. Anjaran’i Paoly sy Barnabasy indray no nanome porofo, avy eo. Toy ny hoe nijoro ho vavolombelona teo anatrehan’ireo tafavory teo i Petera sy Paoly ary Barnabasy. (As 15:1-29) Azo inoana fa io zava-nitranga io no nahatonga an’i Paoly hilaza hoe “lehilahy niavaka” sady “ekena ho andrin’ny fiangonana” i Petera sy Jakoba ary Jaona.​—Ga 2:1, 2, 6-9.

Tena niavaka sy nohajaina tokoa i Petera. Asehon’ny Baiboly anefa fa tsy hoe izy no lehiben’ireo apostoly hafa. Rehefa nisy olona lasa mpino, ohatra, tany Samaria noho ny fitorian’i Filipo, dia voalaza fa ‘nirahin’ny apostoly’ ho any i Petera sy Jaona. (As 8:14) Tsy hoe nijanona tao Jerosalema foana koa izy, toy ny hoe tsy handeha tsara ny fitantanana ny fiangonana kristianina raha tsy ao izy. (As 8:25; 9:32; 12:17; jereo koa ANTI-PANAHY; MPIANDRAIKITRA.) Nazoto nanompo tany Antiokia any Syria izy, tamin’i Paoly tany. Tsapan’i Paoly fa nila nanarina “imasoimaso” sy “teo anatrehan’ny rehetra” i Petera (Kefasy) tamin’izay. Menatra mantsy izy hiara-mihinana sy hifandray tamin’ireo Kristianina hafa firenena, rehefa tonga ireo Kristianina jiosy avy tany amin’i Jakoba tany Jerosalema.​—Ga 2:11-14.

Misy fanazavana fanampiny momba ny toeran’i Petera teo anivon’ny fiangonana kristianina ao amin’ilay lahatsoratra hoe VATOLAMPY. Misy milaza fa tany Roma i Petera, ary izy no nitondra an’ilay fiangonana tany. Lovantsofina fotsiny anefa izany, ary mampisalasala sady tsy tena mifanaraka amin’izay lazain’ny Soratra Masina. Izany no resahin’ilay lahatsoratra hoe PETERA, TARATASY NOSORATAN’I. Resahina ao koa hoe nipetraka tany Babylona i Petera, ary tany izy no nanoratra an’ireo taratasiny roa.