Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Petera, Taratasy Nosoratan’i

Petera, Taratasy Nosoratan’i

Taratasy roa anisan’ny Soratra Grika Kristianina nosoratan’ny apostoly Petera. Nilaza izy teo amim-piandohan’ny taratasy tsirairay fa izy no mpanoratra. (1Pe 1:1; 2Pe 1:1; ampit. 2Pe 3:1.) Manamafy izany koa izay voalazan’ireo taratasy. Nilaza, ohatra, i Petera fa nahita maso ny niovan’i Jesosy Kristy tarehy. Izy sy Jakoba ary Jaona ihany anefa no nahita izany. (2Pe 1:16-18; Mt 17:1-9) I Petera irery koa no afaka nilaza hoe: “Efa akaiky ny fanesorana ny tranolaiko, araka ny nambaran’i Jesosy Kristy Tompontsika tamiko” (2Pe 1:14), rehefa jerena ny Jaona 21:18, 19. Samy hafa ny fomba fanoratra ao amin’ireo taratasy roa, satria toa ilay voalohany ihany no nasain’i Petera nosoratan’i Silvano (Silasy). (1Pe 5:12) Natao ho an’ny Kristianina jiosy sy tsy jiosy izy ireo, fa ilay voalohany natao indrindra ho an’ireo tany Ponto, Galatia, Kapadokia, Azia, ary Bitynia, izay samy tany Azia Minora.​—1Pe 1:1; 2:10; 2Pe 1:1; 3:1; ampit. As 2:5, 9, 10.

Mifanaraka amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly ireo taratasy ireo, satria manasongadina fa mahasoa ny manana fitondran-tena tsara. Maka teny avy ao amin’ireny boky ireny koa izy ireo. Anisan’izany ny Genesisy (18:12; 1Pe 3:6), Eksodosy (19:5, 6; 1Pe 2:9), Levitikosy (11:44; 1Pe 1:16), Salamo (34:12-16; 118:22; 1Pe 3:10-12; 2:7), Ohabolana (11:31 [LXX]; 26:11; 1Pe 4:18; 2Pe 2:22), ary Isaia (8:14; 28:16; 40:6-8; 53:5; 1Pe 2:8, 6; 1:24, 25; 2:24). Avy amin’ny herin’ny fanahin’Andriamanitra, hoy i Petera, ireo faminaniana ao amin’ny Soratra Masina. (2Pe 1:20, 21; ampit. 2Ti 3:16.) Naveriny koa ilay fampanantenan’Andriamanitra lanitra vaovao sy tany vaovao. (2Pe 3:13; Is 65:17; 66:22; Ap 21:1) Mitovitovy ny voalazan’ny 2 Petera (2:4-18; 3:3) sy Joda (5-13, 17, 18). Neken’i Joda mpianatr’i Jesosy àry hoe avy amin’ny fanahy masina ilay taratasy faharoa. Nilaza koa i Petera fa anisan’ireo “andininy hafa ao amin’ny Soratra Masina” ny taratasy nosoratan’ny apostoly Paoly.​—2Pe 3:15, 16.

Fotoana nanoratana azy. Toa nosoratana talohan’ny nanenjehan’i Néron ny Kristianina tamin’ny taona 64 ireo taratasy ireo. Niaraka tamin’i Petera i Marka tamin’i Petera nanoratra an’ilay voalohany, izay mety ho teo antenatenan’ny taona 62 sy 64. (1Pe 5:13) Niaraka tamin’i Paoly mantsy i Marka tamin’i Paoly nigadra voalohany tany Roma (t. 59-61), ary nasain’i Paoly nankany aminy i Timoty sy Marka tamin’izy nigadra fanindroany tany (t. 65). (Kl 4:10; 2Ti 4:11) Mety ho tamin’ny taona 64 tany ho any àry i Petera no nanoratra ny taratasiny faharoa, taoriana kelin’ilay voalohany.

Nosoratana tany Babylona. Nilaza i Petera fa tany Babylona izy no nanoratra an’ilay taratasy voalohany. (1Pe 5:13) Mety ho tany koa izy no nanoratra ilay faharoa. Voaporofo fa ilay tanàna teo amoron’i Eofrata io “Babylona” io, fa tsy i Roma araka ny filazan’ny sasany. Nanankinana ny fitoriana ‘ny vaovao tsara tamin’ny voafora’ i Petera, ka tsy mahagaga raha tany Babylona, izay anisan’ny foiben’ny Fivavahana Jiosy, izy. (Ga 2:7-9) Be Jiosy mantsy tany Babylona fahiny sy teny amin’ny manodidina. Nisy “sekoly ambony nalaza” momba ny Fivavahana Jiosy tany tamin’ny taonjato voalohany, hoy ny Rakipahalalana Judaica (Jerosalema, 1971, Boky Faha-15, tsang. 755), rehefa niresaka momba ny namoahana ny Talmoda babylonianina. Nanoratra ho an’ny ‘mpivahiny niely tany Ponto, Galatia, Kapadokia, Azia, ary Bitynia’ (1Pe 1:1) i Petera, ka azo inoana fa tsy tanàna an’ohatra koa ilay “Babylona” nisy azy. Tsy milaza koa ny Baiboly hoe i Roma no Babylona, na hoe tany Roma i Petera.

I Denys, evekan’i Korinto tamin’ny faramparan’ny taonjato faharoa, no nilaza voalohany fa maty maritiora tany Roma i Petera. Niresaka momba an’i Paoly sy Petera i Clément avy any Roma talohan’izay, kanefa nasongadiny fa i Paoly no nitory tany atsinanana sy tany andrefana. Midika izany fa tsy tany andrefana mihitsy i Petera. Toa mbola tsy nanomboka nanenjika an’ireo Kristianina koa i Néron mpanjakan’i Roma, ka tsy nisy antony mihitsy tokony hiantsoan’i Petera an’i Roma hoe Babylona. Tsy anisan’ireo Kristianina maro nataon’i Paoly mampamangy koa i Petera, tamin’izy nanoratra ho an’ny Romanina. Tsy mpiandraikitra tany Roma àry i Petera. Tsy anisan’ireo nanao mampamangy koa izy, ao amin’ireo taratasy nosoratan’i Paoly tany Roma: Efesianina, Filipianina, Kolosianina, 2 Timoty, Filemona, ary Hebreo.

Petera Voalohany. Niaritra fitsapana mafy ireo Kristianina nanoratan’i Petera ny taratasiny voalohany. (1Pe 1:6) Nanakaiky koa “ny faran’ny zava-drehetra”, izany hoe ny faran’ny tontolo jiosy efa nambaran’i Jesosy mialoha. (Ampit. Mr 13:1-4; 1Te 2:14-16; He 9:26.) Nilain’ireo Kristianina àry ny “ho mailo ka tsy hanao tsirambina ny vavaka.” (1Pe 4:7; ampit. Mt 26:40-45.) Nila ny fampaherezan’i Petera koa izy ireo mba tsy hivadika.

Imbetsaka i Petera no nampahatsiahy azy ireo ny amin’ny fitahiana azon’izy ireo. Namindra fo tamin’izy ireo Andriamanitra, ka niteraka azy indray ho amin’ny fanantenana velona. Antony naharavoravo azy ireo izany. (1Pe 1:3-9) Novidina tamin’ny ra sarobidin’i Kristy izy ireo. (1Pe 1:18, 19) Nanana feon’ny fieritreretana madio koa izy ireo rehefa natao batisa, ary hanana izany foana raha mitadidy mandrakariva hoe efa nanokan-tena ho an’Andriamanitra. (1Pe 3:21–4:6) Vato velona naorina teo ambonin’i Kristy Jesosy izy ireo, mba ho trano na tempoly ara-panahy. “Firazanana voafidy [izy ireo], sady mpisorona no mpanjaka, firenena masina, olona nataon’Andriamanitra ho fananany manokana.”​—1Pe 2:4-10.

Tokony hiaritra fijaliana sy ho tsara fitondran-tena foana àry ny Kristianina, noho izay nataon’Andriamanitra sy ny Zanany ho azy ireo. Nanampo ny hijaly izy ireo, satria ‘na i Kristy aza maty indray mandeha monja noho ny ota, izany hoe olo-marina ho solon’ny tsy marina.’ (1Pe 3:17, 18) Antony nahafaly azy ireo koa ny niombom-pijaliana tamin’i Kristy, satria hiravoravo izy ireo mandritra ny fampiharihariana ny voninahiny. Nanana ny fanahin’Andriamanitra izy ireo matoa notevatevaina noho ny anaran’i Kristy. (1Pe 4:12-14) Lasa vita sedra ny finoan’izy ireo noho ireo fitsapana, ka hahazoany famonjena izany. (1Pe 1:6-9) Hiahy azy ireo foana koa Andriamanitra ka hanamafy orina sy hampahatanjaka azy, noho izy ireo tsy nivadika.​—1Pe 5:6-10.

Nasongadin’i Petera anefa fa tsy tokony hisy Kristianina hijaly satria hoe nandika lalàna. (1Pe 4:15-19) Tokony ho tsara fitondran-tena foana kosa izy ireo, mba hampangina ny vavan’ireo mpanohitra niteny zavatra tsy fantany. (1Pe 2:12, 15, 16) Ho tsara fitondran-tena izy ireo rehefa mifandray amin’ny manam-pahefana, mpampiasa, mpianakavy, ary Kristianina hafa. (1Pe 2:13–3:9) Tokony hitandrina koa izy ireo rehefa mampiasa ny lelany, hanana feon’ny fieritreretana madio (1Pe 3:10-22), ary tsy hanao ny fanao ratsin’ity tontolo ity. (1Pe 4:1-3) Tsy hanjakazaka ny anti-panahy, fa hiandry ny andian’ondry an-tsitrapo sy amim-paharisihana kosa. Tokony hanaiky ny zokiolona ny tanora. (1Pe 5:1-5) Tokony ho tia mandray vahiny ny Kristianina rehetra, hifampahery, hifankatia fatratra, ary hitafy fanetren-tena.​—1Pe 4:7-11; 5:5.

Petera Faharoa. Nanoratra an’ilay taratasy faharoa i Petera, satria tiany ho azo antoka ny fiantsoana sy ny fifidianana ny Kristianina. Tsy tiany ho voataonan’ny mpampianatra sandoka sy ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra teo anivon’ny fiangonana izy ireo. (2Pe 1:10, 11; 3:14-18) Nampirisihina izy ireo hanana finoana, hatsaran-toetra, fahalalana, fifehezan-tena, fiaretana, fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, fitiavan-drahalahy, fitiavana (2Pe 1:5-11), ary handinika ny “teny faminaniana” azo avy amin’ny fanahy masina. (2Pe 1:16-21) Hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra ireo miala amin’ny lalan’ny fahamarinana, toy ireo olona fahiny tsy natahotra azy izay niharan’ny didim-pitsarany. (2Pe 2:1-22) Tsy maintsy ho avy ny andron’i Jehovah handringanana an’ireo tsy matahotra azy, toy ny tamin’ny andron’i Noa ihany, na inona na inona lazain’ny mpaneso amin’ny “andro farany.” Azo itokisana koa ny fampanantenan’Andriamanitra lanitra vaovao sy tany vaovao, ka tokony hiezaka mafy mba tsy hisy tsiny eo imasony ny Kristianina.​—2Pe 3:1-18.

[Efajoro, pejy 688]

HEVITRA MISONGADINA: PETERA VOALOHANY

Taratasy mampirisika ny Kristianina ho mailo sy tsy hivadika rehefa iharam-pitsapana

Nosoratan’ny apostoly Petera tany Babylona tamin’ny taona 62-64 tany ho any, ka i Silvano no mpitan-tsorany

Tokony ho mendrika an’ilay fanantenana mahafinaritra ny Kristianina

Fanantenana velona sy lova tsy mety simba any an-danitra ho an’ireo “voafidy” (1:1-5)

Nino an’i Jesosy Kristy izy ireo ka hovonjena; tena nahaliana ny mpaminany fahiny sy ny anjely izany famonjena izany (1:8-12)

Hatanjaho ny saina hiatrika asa; aza manaiky hotarihin’ny faniriana taloha intsony; aoka ho masina sy hatahotra an’Andriamanitra ary ho tia an’ireo rahalahy (1:13-25)

Ataovy izay haniriana fatratra ny ‘rononon’ny teny’ mba hitomboana ho amin’ny famonjena (2:1-3)

Trano ara-panahy aorina eo ambonin’i Kristy ireo voafidy, mpisorona masina; manolotra sorona ara-panahy ankasitrahan’Andriamanitra (2:4-8)

Nataon’Andriamanitra ho fananany manokana ka manambara ny hatsaran-toetrany, ary tsara fitondran-tena ka manome voninahitra azy (2:9-12)

Araho ny toro lalan’Andriamanitra rehefa mifandray amin’ny hafa

Ekeo ny mpitondra; tiavo ny rahalahy; matahora an’i Jehovah (2:13-17)

Tokony hanaiky ny tompony ny mpiasa an-trano na dia sarotiny aza ilay tompo; modely i Jesosy satria niaritra fampijaliana (2:18-25)

Tokony hanaiky ny vadiny ny vehivavy; mety ho voataonan’ny fitondran-tenany ny vadiny tsy mpino (3:1-6)

Ny lehilahy kosa hanome voninahitra ny vadiny, “toy ny atao amin’ny fanaka malemy kokoa” (3:7)

Tokony hiara-miory amin’ny hafa ny Kristianina, tsy hamaly ratsy ny ratsy fa hitandro fihavanana (3:8-12)

Akaiky ny farany ka tokony hisaina tsara ny Kristianina, ho mailo, tsy hanao tsirambina ny vavaka, hifankatia fatratra, ary hampiasa an’izay nomena azy mba hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra (4:7-11)

Tokony harisika hiandry ny andian’ondrin’Andriamanitra ny anti-panahy; hanaiky ny zokiolona ny tanora; hanetry tena ny rehetra (5:1-5)

Hotahina izay miaritra fijaliana ka tsy mivadika

Ravoravo ny Kristianina na dia miaritra fitsapana aza, satria ho hita fa matanjaka ny finoany (1:6, 7)

Tsy tokony hijaly satria hoe nanao ratsy; tokony hankalaza an’Andriamanitra fa tsy ho menatra raha mijaly noho ny fahamarinana; fotoam-pitsarana izao (3:13-17; 4:15-19)

Nijaly sy maty i Kristy mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra; tsy velona araka ny fanirian’ny nofo intsony isika, na dia tevatevain’ny olona aza satria tsy manao hoatr’azy (3:18–4:6)

Ho tena faly ny Kristianina tsy mivadika rehefa aharihary i Jesosy; matoky izy fa manana ny fanahin’Andriamanitra (4:12-14)

Aoka ny tsirairay hanetry tena eo ambany tanan’Andriamanitra sy hametraka aminy izay mampanahy; tohero i Satana, ary matokia fa hampahatanjaka ny mpanompony Andriamanitra (5:6-10)

[Efajoro, pejy 689]

HEVITRA MISONGADINA: PETERA FAHAROA

Taratasy mampirisika ny Kristianina hikely aina sy hifikitra amin’ny teny faminaniana ary hitandrina amin’ny mpivadi-pinoana

Nosoratana tany Babylona angamba, tamin’ny taona 64 tany ho any

Tsy maintsy mikely aina sy matoky ny teny faminaniana ny Kristianina

Nanome ny zava-drehetra momba ny fiainana sy ny fahafoizan-tena ho azy Andriamanitra; aoka hikely aina mba hanana finoana, hatsaran-toetra, fahalalana, fifehezan-tena, fiaretana, fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, fitiavan-drahalahy, ary fitiavana ka hazoto sy hahavokatra (1:1-15)

Diniho ny teny faminaniana; natao azo antoka kokoa izy io rehefa hitan’i Petera niova tarehy i Jesosy ary reny niteny tany an-tendrombohitra Andriamanitra (1:16-21)

Mitandrema amin’ny mpampianatra sandoka sy ny mpamitaka; ho avy ny andron’i Jehovah

Hitsofoka eo anivon’ny fiangonana ny mpampianatra sandoka ary hampiditra sekta mampidi-doza (2:1-3)

Hitsara an’ireo mpivadi-pinoana ireo i Jehovah, toy ny nitsarany ny anjely tsy nankatò, ny tontolo ratsy tamin’ny andron’i Noa, ary Sodoma sy Gomora (2:4-10)

Tsy manaja fahefana ny mpampianatra sandoka, manala baraka satria miliba sy maloto fitondran-tena, mitaona ny malemy finoana, ary mampanantena fahafahana nefa andevon’ny fahalotoana (2:10-19)

Ratsy kokoa izy ireo izao noho ny tamin’izy tsy nahalala an’i Jesosy Kristy (2:20-22)

Mitandrema amin’ireo mpaneso amin’ny andro farany izay haneso hoe: ‘Aiza izay fanatrehan’i Jesosy eo?’; hadinon’izy ireo fa efa nandrava an’ilay tontolo talohan’ny Safodrano Andriamanitra, izay handrava an’ity tontolo ity (3:1-7)

Tsy ela Andriamanitra fa manam-paharetana ary tiany hibebaka ny olona; horavana anefa ity tontolo ity amin’ny andron’i Jehovah, ary hosoloana lanitra vaovao sy tany vaovao (3:8-13)

Ataovy izay rehetra azo atao mba ‘tsy hisy pentina sy tsy hisy tsiny ary ho ao amin’ny fihavanana’, ka tsy ho voafitaky ny mpampianatra sandoka; aoka hitombo eo aminareo ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy ny fahalalana an’i Kristy (3:14-18)