Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Pibeseta

Pibeseta

(Pibesèta) [avy amin’ny teny ejipsianina, ary midika hoe “Tranon’i Basteta [andriamanibavy]”].

Tanàna voatonona miaraka amin’i Ona (Heliopolisy) ao amin’ny Ezekiela 30:17, izay ahitana fanamelohana an’i Ejipta. I Bobastis ihany no Pibeseta araka ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Tanàna fahiny tao amin’ny faritry ny Vinany i Bobastis. Efa rava izy io ary ao Tell Basta no ahitana ny sisa tavela aminy, 70 km eo ho eo avaratra avaratratsinanan’i Le Caire, akaikin’ny tanànan’i Zagazig ankehitriny. Mitovy amin’ilay anarana hebreo hoe Pibeseta ny anaran’ilay tanàna fahiny eo amin’ireo soratra ejipsianina.

Tao Pibeseta na Bobastis no foiben’ny fivavahana tamin’i Basteta na Basta, andriamanibavy izay matetika aseho ho manana lohan-tsaka. Manamarina izany ny halehiben’ilay toeram-pandevenana saka teo akaikin’ilay tanàna. Nisy fety foana isan-taona ho fanomezam-boninahitra an’i Basteta, ka olona an’arivony avy any amin’ny lafivalon’i Ejipta no nirohotra nankao amin’ilay tanàna.

I Pibeseta no renivohitry ny faritany faha-18 tany Ejipta Ambany. Tamin’ny fotoana nitondran’ireo mpanjaka libyanina an’i Ejipta anefa izy io no tena nalaza teo amin’ny lafiny politika. I Farao Sisaka, velona tamin’ny andron’i Solomona sy Rehoboama, no voalohany tamin’ireo mpanjaka ireo. (1Mp 11:40; 14:25, 26) Tanànan’i Sisaka Mpanjaka i Pibeseta. Naminany i Ezekiela fa ho resin’ny Babylonianina koa i Pibeseta, rehefa manafika an’i Ejipta izy ireo. Noravan’ny Persianina ilay tanàna tatỳ aoriana, ary sisan-javatra rava sisa no hita eo amin’ilay toerana nisy azy io.