Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Pihahirota

Pihahirota

(Pihahirôta).

Toerana nitobian’ny Israelita farany, talohan’ny hiampitany ny Ranomasina Mena. (No 33:7, 8) Taorian’ny nitobian’izy ireo tao “Etama, teo an-tsisin’ny tany efitra” (Ek 13:20), dia nilazan’i Jehovah i Mosesy mba “hiverina, ka hitoby eo akaikin’i Pihahirota, izay eo anelanelan’i Migdola sy ny ranomasina tandrifin’i Bala-zefona.” (Ek 14:1, 2) Raha fantatra ny nisy an’i Migdola sy Bala-zefona, dia ho mora fantatra ny nisy an’i Pihahirota. Toerana samy hafa any amin’ny sisin-tanin’i Ejipta any atsinanana no lazaina fa nisy an’ireo toerana ireo sy nisy an’i Pihahirota, ka tsy fantatra izay tena marina. Ny zavatra lazain’ny Baiboly momba an’i Pihahirota àry no azo antoka kokoa fa hamantarana izay tena nisy azy io.

Teo akaikin’ny Ranomasina Mena no nisy an’i Pihahirota, teo amin’izay tsy nisy lalana handosirana an’ireo miaramila ejipsianina afa-tsy tany an-dranomasina ihany. Tsy maintsy lalina ny ranomasina teo matoa afaka “nisaraka” ny rano mba hisian’ny lalana teo “afovoan’ny ranomasina”, ka toy ny “manda” ny rano teo amin’ny andaniny roa. (Ek 14:16, 21, 22) Tsy misy toerana mahafeno an’izany fepetra izany any avaratry ny Hoalan’i Suez. Manam-pahaizana maro ankehitriny no milaza fa teo amin’ny rano marivon’ny Farihy Mangidy, izay manomboka any amin’ny 25 km any avaratr’i Suez, ny Israelita no niampita. Raha izany anefa no izy dia: Na tsy fahagagana ilay zava-nitranga (satria teo amin’ny heniheny ny Israelita no niampita), na tonga hatrany amin’ny Farihy Mangidy ny Ranomasina Mena fahiny, ka tokony ho lalina io farihy io (nefa lazain’ny mpikaroka fa tsy niova firy ny halalin’io rano io hatramin’izay).

Ny soso-kevitr’ireo manam-pahaizana taloha kokoa (taonjato faha-19) àry hatramin’izao no toa mbola mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly. Azo inoana fa ny nisy an’i Pihahirota dia teo amin’ilay lemaka tery eo am-pototr’i Jebel ʽAtakah teo amin’ny ilany atsimoatsinanana, ary tokotokony ho 20 km any atsimoandrefan’i Suez. Voalaza fa teo amin’ilay voditanety hoe Ras ʽAtakah ny Israelita no niampita, ka tody teny akaikin’i ʽAyon Mosaʼ, faritra lonaka any an-tany efitra. Misolampy midina tsikelikely ny fanambanin’ny ranomasina eo amin’io faritra io satria samy misy dongom-pasika 3 km avy ny andaniny roa amin’ny ranomasina. Tokotokony ho 15 m ny lalina indrindra amin’ilay rano eny afovoany. Misy 10 km eo ho eo ny sakan’ny ranomasina eo amin’io toerana io. Ampy tsara izany ho an’ireo Israelita 3 000 000 teo ho eo, izay niampita teo ary koa ho an’ny miaramilan’i Farao izay niditra teo amin’ilay lalana mahagaga mba hanenjehana ny Israelita.​—Jereo FANAFAHANA NY ISRAELITA AVY TANY EJIPTA (Ny lalana nalehan’ny Israelita niala tany Ejipta).

Mitovy amin’izany ny lovantsofina nampitain’i Josèphe, Jiosy mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany. Nilaza izy fa ‘nihitsoka teo anelanelan’ny tehezan-tendrombohitra sy ny ranomasina’ ny Israelita, talohan’ny hiampitany. (Rakitry ny Ela Jiosy, II, 324 [xv, 3]) Raha nankao amin’io toerana voalaza etsy aloha io tokoa ny firenen’Israely rehefa niverin-dalana avy tao Etama, dia mety tsara izany mba hahatanteraka ilay nolazain’i Jehovah fa hoeritreretin’i Farao hoe: “Mivenjivenjy fotsiny tsy mahita lalana ireo, ary voahidin’ny tany efitra.” (Ek 14:3) Tsy ho nitranga izany raha teo avaratr’i Suez. Raha tany akaikin’i Jebel ʽAtakah i Pihahirota dia afaka nanenjika haingana ny Israelita ny tafik’i Farao, satria nanaraka lalana mahazatra avy tao Memfisa (toa ny renivohitr’i Ejipta tamin’izany) nankany amin’ny Saikinosin’i Sinay.​—Ek 14:4-9.

Marina fa mifanentana amin’izay voalazan’ny Baiboly momba an’i Pihahirota ny toerana lazaina fa nisy azy io. Tombantombana fotsiny anefa ny famaritana an’ilay toerana, fa mety mbola hisy fanamarinana amin’ny hoavy.