Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Pikola

Pikola

(Pikôla).

Lehiben’ny tafik’i Abimeleka mpanjaka filistinina. Niaraka tamin’i Abimeleka i Pikola rehefa nanao fifanekena tamin’i Abrahama i Abimeleka, ary tatỳ aoriana, tamin’i Isaka. (Ge 21:22, 32; 26:26, 31) Efa 75 taona mahery ny elanelan’ireo fifanekena roa ireo. Tena mety ho anaram-boninahitra àry ny hoe “Pikola”, na anarana nomena an’izay lasa lehiben’ny tafika. Tsy hisy olona iray lehiben’ny tafika nandritra ny fotoana ela be toy izany mantsy. Raha izany, dia mety ho anaram-boninahitra koa ny anaran’ilay mpanjaka hoe Abimeleka.