Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Pilao

Pilao

(pilào).

Tady kely misy vongana metaly na vato na tanimanga entina manamarina raha mahitsy sy mijidina tsara ny rindrina na zavatra hafa aorina. Antsoina indraindray koa hoe pilao ireo vongan-javatra mampahitsy an’ilay tady ireo. Nampiasa pilao ny mpandrafitra sy mpandatsa-biriky ary mpanao asa tanana fahiny.

Voalaza fa hisy pilao (a.b.t.: ny vato [na vatomizana], ny firapotsy, araka ny soratra nataon’ny Masoreta) eny an-tanan’i Zerobabela, rehefa haorina indray ny tempolin’i Jerosalema. (Za 4:9, 10) Nandatsaka ny fototr’ilay tempoly tokoa i Zerobabela, ary nanara-maso an’ilay asa fanorenana hatramin’ny farany.​—Ezr 3:8-10; 6:14, 15.

Teo ambony manda efa nampiasana pilao, izany hoe mahitsy tsara, no nahitan’i Amosa an’i Jehovah tao amin’ny fahitana. Nisy pilao teny an-tanan’i Jehovah, ary nilaza taminy Izy fa hampiasa pilao eo amin’ny olony. Tsy nanao izay mahitsy mantsy ny Israelita satria tsy nankatò ny didiny, ka hamoaka didim-pitsarana Izy ary ‘tsy hilefitra intsony amin’ny fahadisoany.’ Ho lasa aolo ny toerana avon’izy ireo, horavana ireo toerany masina, ary “hitsangana [Andriamanitra], ka hamely ny taranak’i Jeroboama amin’ny sabatra.” (Am 7:7-9) Noravan’ny Asyrianina tokoa i Israely sy Samaria tamin’ny 740 T.K.