Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Pilato

Pilato

(Pilàto).

Governora romanina nifehy an’i Jodia, tamin’i Jesosy nanompo tetỳ an-tany. (Lk 3:1) Nanendry governora hifehy an’i Jodia ny mpanjaka romanina, taorian’ny nanesorany an’i Arkelaosy (zanakalahin’i Heroda Lehibe) tsy ho mpitondra an’io faritany io. Azo inoana fa governora fahadimy i Pilato, ary i Tiberio no nanendry azy tamin’ny taona 26. Nitondra nandritra ny folo taona izy.

Zavatra kely fotsiny no fantatra momba an’i Pontio Pilato. Tamin’izy governoran’i Jodia ihany mantsy no resahin’ny tantara. Nahitana soratra misy ny anarany tany Kaisaria, tamin’ny 1961, ary io ihany no fantatra hatreto. Voasoratra teo akaikin’ny anarany koa ny hoe “Tiberieum”, izay trano naorin’i Pilato ho fanomezam-boninahitra an’i Tiberio.

Soratra hita tany Kaisaria tamin’ny 1961 ary misy ny anaran’i Pilato

Solontenan’ny mpanjaka romanina ny governora, ka nanana fahefana feno teo amin’ny faritany nofeheziny. Afaka nanameloka olona ho faty izy. Misy olona mihevitra fa afaka namoaka didy hanamelohana olona ho faty koa ny Fitsarana Avo Jiosy, saingy tsy maintsy neken’ny governora aloha, hono, ilay didy vao nanan-kery. (Ampit. Mt 26:65, 66; Jn 18:31.) Tany Kaisaria no nipetraka ny governora romanina (ampit. As 23:23, 24), ka tany no tena nisy ny toby miaramila, fa tafika kelikely fotsiny no tany Jerosalema. Fanaon’ny governora anefa ny nipetraka tany Jerosalema tamin’ny fotoanan’ny fety (toy ny Paska), ary nitondra miaramila fanampiny niaraka taminy izy. Niaraka tamin’i Pilato tany Jodia ny vadiny. (Mt 27:19) Efa niova mantsy ny fitsipiky ny fitondrana romanina, ka namela ny governora hitondra vady rehefa namita iraka nampidi-doza.

Tsy nilamina ny fiainana nandritra ny fitondran’i Pilato. Nilaza i Josèphe, Jiosy mpahay tantara, fa nisy disadisa teo amin’i Pilato sy ireo Jiosy olom-peheziny, raha vao nanomboka nitondra izy. Nirahiny ho any Jerosalema tamin’ny alina mantsy ny miaramila romanina nitondra faneva misy sarin’ny mpanjaka. Tezitra be ny Jiosy ary naniraka solontena ho any Kaisaria mba hitaky ny hanesorana an’ireny faneva ireny. Nifanditra nandritra ny dimy andro tamin’i Pilato izy ireo, ary taorian’izay dia nampitahorin’i Pilato hoe hovonoin’ny miaramilany. Tsy nilefitra mihitsy anefa izy ireo, ka nanaiky ny fangatahany ihany i Pilato.​—Rakitry ny Ela Jiosy, XVIII, 55-59 (iii, 1).

Nitantara zavatra mitovitovy amin’izany koa i Philon, Jiosy mpanoratra tany Aleksandria, any Ejipta, tamin’ny taonjato voalohany. Nilaza izy fa napetrak’i Pilato tao amin’ny toeram-ponenany tao Jerosalema ny ampinga volamena maromaro misy ny anaran’izy sy Tiberio, ka nahatezitra ny Jiosy izany. Nampakatra an’ilay raharaha tany amin’ny mpanjaka tany Roma ny Jiosy, ary nasain’ny mpanjaka nafindran’i Pilato tany Kaisaria ireo ampinga.​—Fanazavana Amin’i Caius ny Asan’ny Ambasadaoro, XXXVIII, 299-305.

Tsy izay ihany anefa. Nitantara koa i Josèphe fa nampiasa ny volan’ny tempolin’i Jerosalema i Pilato, mba hanamboarana lakandrano nitondra rano nankao Jerosalema avy tany amin’ny 40 km teo ho eo. Nitabataba nanohitra an’izany ny vahoaka rehefa nitsidika an’i Jerosalema i Pilato. Nasainy nifangaroharo tao amin’ilay vahoaka ny miaramilany, saingy mody niseho ho olon-tsotra. Niandry baiko fotsiny izy ireo ary namely, ka maro ny Jiosy naratra sy maty. (Rakitry ny Ela Jiosy, XVIII, 60-62 [iii, 2]; Ny Adin’ny Jiosy, II, 175-177 [ix, 4]) Toa vita ihany anefa ilay lakandrano. Matetika no misy milaza fa tamin’io hotakotaka io no nitranga ilay tantarain’ny Lioka 13:1 hoe ‘nampifangaroin’i Pilato tamin’ny sorona nataon’ireo Galilianina ny ran’izy ireo.’ Midika izany fa toa tao amin’ny faritry ny tempoly mihitsy no novonoina ireo Galilianina ireo. Tsy tena azo antoka anefa raha io ilay notantarain’i Josèphe na hafa. Lehibem-paritr’i Galilia i Heroda Antipasy ary olom-peheziny ny Galilianina, ka mety ho anisan’ny antony nampifandrafy an’i Pilato sy Heroda io namonoan’i Pilato an’ireo Galilianina io. Tamin’ny fotoana nitsarana an’i Jesosy vao lasa mpinamana izy roa lahy.​—Lk 23:6-12.

Fitsarana an’i Jesosy. Vao maraina be, ny 14 Nisana taona 33, dia nentin’ireo lohandohan’ny Jiosy tany amin’i Pilato i Jesosy. Tsy niditra tao amin’i Pilato izy ireo satria hafa firenena izy. I Pilato kosa no nivoaka ary nanontany azy ireo. Nampangain’izy ireo i Jesosy hoe nampikomy vahoaka, nandrara tsy handoa hetra, ary nilaza ny tenany ho mpanjaka, izany hoe nanohitra an’i Kaisara. Nasain’i Pilato nentin’izy ireo sy notsarainy i Jesosy. Namaly anefa izy ireo hoe tsy azony atao ny mamono olona. Nentin’i Pilato tao an-dapa indray àry i Jesosy ary nofotopotorany. (SARY, Boky 2, p. 741) Niverina teo amin’ireo niampanga an’i Jesosy i Pilato avy eo, ary nilaza fa tsy hitany izay fahadisoan’i Jesosy. Mbola niampanga an’i Jesosy ihany izy ireo, ary rehefa ren’i Pilato fa Galilianina i Jesosy, dia nalefany tany amin’i Heroda Antipasy. Tsy nety nanao famantarana teo anatrehan’i Heroda i Jesosy, ka tsy faly i Heroda. Nampijaliny i Jesosy sady nataony ho fihomehezana, ary avy eo naveriny tany amin’i Pilato.

Novorin’i Pilato indray ireo lohandohan’ny Jiosy sy ny vahoaka. Tsy te hamono olona tsy nanan-tsiny izy, ka nanontaniany izy ireo raha tiany ny hanafahana an’i Jesosy, satria fanao rahateo ny manafaka olona rehefa Paska. Nampirisihin’ny mpitondra fivavahana izy ireo ka i Barabasy indray no nangatahiny mba hafahana, nefa jiolahy izy io sady mpamono olona ary mpikomy tamin’ny fanjakana. Niezaka hanafaka an’i Jesosy foana i Pilato, nefa vao mainka ny vahoaka niantsoantso hoe fantsiho izy. Natahotra rotaka i Pilato sady te hampitony ny vahoaka, ka nanaiky ny fangatahan’izy ireo. Nanasa tanana izy, toy ny hoe nahatonga azy tsy meloka ho nandatsa-dra izany. Taloha kelin’izay, dia nampahafantatra taminy ny vadiny hoe nanonofy an’io “olo-marina” io, ary nampitebiteby azy ilay nofy.​—Mt 27:19.

Nasain’i Pilato nokaravasina i Jesosy avy eo, ary nasian’ny miaramila fehiloha tsilo izy sady nampanaovin’izy ireo akanjona mpanjaka. Nivoaka teo amin’ny vahoaka indray izy, ary namerina nilaza tamin’izy ireo fa tsy hitany izay helok’i Jesosy. Nentiny teo anatrehan’izy ireo koa i Jesosy nanao ilay akanjona mpanjaka sady nisy fehiloha tsilo, ary hoy izy: “Indro ny lehilahy!” Vao mainka anefa ireo lohandohany teo amin’ny vahoaka nangataka ny hamantsihana an’i Jesosy. Tamin’izay izy ireo no niampanga voalohany an’i Jesosy hoe nanevateva an’Andriamanitra. Vao mainka natahotra i Pilato rehefa nilaza izy ireo hoe nanao ny tenany ho Zanak’Andriamanitra i Jesosy. Nentiny niditra indray izy mba hofotopotorana. Te hanafaka azy i Pilato ka niala nenina farany. Tamin’izay anefa ireo mpanohitra no nampitandrina an’i Pilato fa azo ampangaina ho manohitra an’i Kaisara izy raha manao izany. Nentin’i Pilato nivoaka àry i Jesosy, ary nipetraka teo amin’ny fitoeran’ny mpitsara izy. Hoy izy: “Io ny mpanjakanareo!” Vao mainka niantsoantso indray ny vahoaka hoe: “Fantsiho amin’ny hazo fijaliana izy!” Hoy koa izy ireo: “Tsy manana mpanjaka ankoatra an’i Kaisara izahay.” Natolotr’i Pilato azy ireo àry i Jesosy mba hofantsihana amin’ny hazo fijaliana.​—Mt 27:1-31; Mr 15:1-15; Lk 23:1-25; Jn 18:28-40; 19:1-16.

Olona tsy laitra akisoka sy mafy loha i Pilato, araka ny nolazain’ireo mpanoratra jiosy, toa an’i Philon. (Fanazavana Amin’i Caius ny Asan’ny Ambasadaoro, XXXVIII, 301) Na izany aza, dia mety ho ny nataon’ireo Jiosy ihany no tena nahatonga an’i Pilato ho hentitra toy izany tamin’izy ireo. Ahitana taratra ny tena toetrany ihany anefa ao amin’ireo Filazantsara. Toy ny fanaon’ny mpitondra romanina rehetra ihany ny fanaony. Hentitra sy nivantambantam-piteny izy, sady hita hoe mpisalasala sy tia manakiana, toy ilay tamin’izy nanontany hoe: “Inona ny marina?” Natahotra ihany anefa izy, angamba noho ny finoanoam-poana, rehefa reny fa olona nilaza ho zanak’Andriamanitra ilay teo anatrehany. Marina fa tsy mpanambany olona izy, nefa koa mora mivadika toy ny mpanao politika rehetra ihany. Ny toerany no tena nampanahy azy. Nieritreritra, ohatra, izy hoe inona no holazain’ireo lehibeny, raha ren’izy ireo hoe mbola nikorontana foana ny faritany nofeheziny. Natahotra izy sao hoheverina hoe milefitra loatra amin’ireo ampangaina ho mpikomy amin’ny fanjakana. Niaiky izy fa tsy nanan-tsiny i Jesosy, ary be fialonana fotsiny ireo mpiampanga azy. Naleony anefa nanaraka am-bokony ny sitrapon’ny vahoaka, toy izay ho very seza. Natolony mba hovonoin’izy ireo àry i Jesosy, na dia tsy nanan-tsiny aza.

Anisan’ireo lazaina hoe “manam-pahefana” i Pilato, ary Andriamanitra no namela azy hampihatra izany fahefana izany. (Ro 13:1) Tompon’andraikitra tamin’izay fanapahan-kevitra noraisiny izy, ary tsy hoe afa-tsiny noho izy nanasa tanana. Azo inoana fa avy tamin’Andriamanitra ilay nofin’ny vadiny, ilay horohoron-tany, ilay haizina tamin’ny andro antoandro, ary ny nahatonga an’ilay ridao hitriatra ka nizara roa tamin’iny andro iny. (Mt 27:19, 45, 51-54; Lk 23:44, 45) Tokony ho nahatonga saina an’i Pilato ilay nofin’ny vadiny, ka nampieritreritra azy hoe tsy fitsarana nahazatra ilay izy ary tsy hoatran’ny olon-drehetra ilay voampanga. Nilaza anefa i Jesosy fa ilay nanolotra azy tamin’i Pilato no “meloka kokoa.” (Jn 19:10, 11) I Jodasy mantsy aloha no namadika an’i Jesosy, ary nantsoina hoe “zanaky ny fandringanana” izy. (Jn 17:12) Nolazaina hoe “mendrika ny Gehena” koa ireo Fariseo, satria anisan’ireo niray tsikombakomba mba hahafaty an’i Jesosy. (Mt 23:15, 33; ampit. Jn 8:37-44.) Ny mpisoronabe, izay filohan’ny Fitsarana Avo Jiosy, anefa no tena tompon’andraikitra teo imason’Andriamanitra, satria izy no nanolotra an’ilay Zanak’Andriamanitra tamin’i Pilato, izay mpitondra hafa firenena, mba hamonoana azy ho faty. (Mt 26:63-66) Marina fa tsy tena meloka toa azy ireo i Pilato, nefa tena ratsy ny nataony.

Naharikoriko an’i Pilato ireo nampamono an’i Jesosy, matoa izao no soratra napetany teo amin’ny hazo fijalian’i Jesosy: “Mpanjakan’ny Jiosy”, ary matoa koa izy tsy nety nanova azy io fa nanome valiny boraingina hoe: “Izay voasoratro dia voasoratro.” (Jn 19:19-22) Talohan’ny nanomezany ny fatin’i Jesosy an’i Josefa avy any Arimatia, dia nasainy nofantarina aloha raha efa maty i Jesosy. Tsy nanao kitoatoa i Pilato, ary izany no nampiavaka ny manam-pahefana romanina. (Mr 15:43-45) Nasiaka ny teniny tamin’ireo lohan’ny mpisorona sy Fariseo, rehefa nanahy izy ireo hoe mety hisy hangalatra ny fatin’i Jesosy. Hoy izy: “Manana mpiambina ianareo. Mandehana ataovy tsara ambina araka izay vitanareo ny fasana.”​—Mt 27:62-65.

Ahoana no niafarany? Nitantara i Josèphe fa nitaraina momba an’i Pilato tany amin’i Vitellius, governoran’i Syria sady lehiben’i Pilato, ny Samaritanina, ka nesorina tamin’ny toerany izy tatỳ aoriana. Novonoin’i Pilato mantsy ireo Samaritanina niangona teo amin’ny Tendrombohitra Gerizima. Mpamitaka no nitaona azy ireo hankeo, satria nilaza izy io hoe misy harena nafenin’i Mosesy tao. Nasain’i Vitellius niseho teo anatrehan’i Tiberio tany Roma àry i Pilato, ary i Marcellus no nasolo azy. Maty tamin’ny taona 37 i Tiberio, raha mbola teny an-dalana ho any Roma i Pilato. (Rakitry ny Ela Jiosy, XVIII, 85-87 [iv, 1]; XVIII, 88, 89 [iv, 2]) Tsy tena fantatra marina hoe inona no didim-pitsarana momba azy. Nilaza i Eusèbe, mpahay tantara tamin’ny faramparan’ny taonjato fahatelo sy teo am-piandohan’ny taonjato fahefatra, fa voatery namono tena i Pilato tamin’ny fotoana nanjakan’i Caius (Caligula), ilay nandimby an’i Tiberio.​—Ny Tantaran’ny Eglizy, II, VII, 1.