Pima
(pìma).
Saran’ny fandranitana fitaovana metaly notakin’ny Filistinina tamin’ny Israelita. (1Sa 13:20, 21) Toa lanja ilay pima. Hita tamin’ny vatomizana vitsivitsy nofongarina tany Palestina ireo renisoratra ao amin’ny hoe “pima”, tamin’ny soratra hebreo tranainy. Milanja 7,18 ka hatramin’ny 8,13 g izy ireny. Tokotokony ho roa ampahatelon’ny sekely àry ny pima iray.