Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Pirama

Pirama

(Piràma) [Zebra].

Amorita mpanjakan’i Jarmota, tamin’ny fotoana nidiran’ny Israely tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Niaraka tamin’ny mpanjaka amorita efatra i Pirama, mba hanafika an’ireo Gibeonita nihavana tamin’i Josoa. Raikitra ny ady, ary niafina tao anaty lava-bato tao Makeda i Pirama sy ireo mpanjaka namany. Nohidin’ny Israelita tao izy ireo mandra-pahavitan’ny ady. Novonoina i Pirama sy ireo namany, ary nahantona tamin’ny tsato-kazo ny fatin’izy ireo mandra-paharivan’ny andro. Ilay lava-bato niafenany ihany avy eo no natao fasany.​—Js 10:1-27.