Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Piratona

Piratona

(Piratôna), Piratonita (Piratônita) [An’i Piratona].

Tanàna tany amin’ny tanin’i Efraima i Piratona, “tany amin’ny tendrombohitry ny Amalekita.” Azo inoana fa “Piratonita” no nilazana ny mponina tany. Piratonita, ohatra, i Elela ary koa i Benaia lehilahy maherin’i Davida. Nalevina tany Piratona i Abdona Mpitsara, zanak’i Elela. (Mpts 12:13, 15; 2Sa 23:8, 30; 1Ta 11:31; 27:14) Misy milaza an’i Piratona ho i Farʽata, tokotokony ho 10 km any andrefan’ny toerana voalaza fa nisy an’i Sekema.